Vavaka Maraina

Sabotsy faha-34 mandavan-taona

Sabotsy 28 Novambra 2026 · Herinandro II · Maitso · Andro tsotra

Hiverina

Fanaingana

A. Andininy · V. Valiny

A. Tompo ô, sokafy ny molotro.
V. Dia hanambara fiderana Anao ny vavako.

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. *
Ho tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen. Aleloia.

Salmo Fanaingana

SALAMO 94

Fiangaviana hidera an’Andriamanitra

Mifamporisiha isan’andro, dieny mbola misy izay atao hoe «anio» (Hebrio 3,13).

SasinyAoka isika hihaino ny feon’ny Tompo, mba hidirantsika any amin’ny fitsaharany.

Avia! Ndeha isika hihoby ny Tompo,
hankalaza ny Vatolampy famonjena antsika;
andeha hiseho eo anoloany amin-tsaotra,
hankalaza Azy amin'antsa:
fa Andriamanitra lehibe ny Tompo,
Mpanjaka ambonin'ny andriamanitra rehetra.

Fa ny fototry ny tany eo an-tanany,
ny tampon'ny vohitra Azy koa;
Azy ny ranomasina fa nataony,
sy ny tanety fa voatran'ny tanany.
Midira! Ndao hiankohoka sy hitsaoka,
handohalika eo anoloan'ny Tompo nanao antsika.
Fa izy no Andriamanitsika;
isika kosa vahoakany, ondry eo an-tanany.

Enga anie ianareo anio
ka mba handre ny feony!
Aza manamafy fo toy ny tany an'efitra,
tamin'ny andro nifandirana sy nihatsiana,
raha naka fanahy Ahy ny razanareo,
na dia efa nahita ny asako aza.

Efapolo taona ilay taranaka
nanorisory Ahy sesilany.
Vahoaka tsy mahitsy fo ity, hoy Aho;
tsy ho azony mihitsy ny lalako.
Tezitra Aho ka nianiana marimarina hoe:
«Tsy hiditra any amin'ny fitsaharako ireto!».

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny
Fanahy Masina.
Ho tahaka ny taloha ny ankehitriny sy mandrakizay.
Amen.

SasinyAoka isika hihaino ny feon’ny Tompo, mba hidirantsika any amin’ny fitsaharany.

Hira Fanombohana

Mipariaka eny amin’ny lanitra ny hazavana (Aurora iam spargit polum)

Mipariaka eny amin’ny lanitra ny hazavana,
Manazava ny tany ny andro.
Manjelatra toy afo ny sabany
Ka mampandositra ny fahotana.

Modia, ry Angatra mpandeha alina,
Manjavòna ianareo, ry eritreri-dratsy,
Ry mpamihorohoro amin’ny alina mikitroka,
Mianjerà miaraka amin’ny fahotana.

Enga anie ilay maraina farany,
Izay antenainay fatratra tokoa,
Hampiposaka ny Fahazavany mamirapitra
Raha mbola eo am-pihirana iny izahay.

Voninahitra anie ho anao, ry ray,
Dera anie ho Anao ry Zanaka,
Ary koa ho an’ny Fanahy Masina.
Mandrakizay mandrakizay. Amen.

Salamo sy Tononkira

SALAMO 91

Fiderana ny Tompo Mpahary

Derao ny asan'ilay Lahitokana (Masindahy Athanase).

SasinyMitory ny fitiavanao, raha vao maraina izahay, ry Tompo, mitory ny fahamarinana rehefa alina.

Tsara ny misaotra ny Tompo,*
ny miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra,
ny mitory ny fitiavanao raha vao maraina *
sy ny fahamarinanao rehefa alina:

amin-tory folo sy valiha, *
amin-kalo arahin-dokanga.
Eny, ry Tompo, mahafaly ahy ny asanao, *
maharavo ahy ny vitan'ny tananao.

Akory ity haben'ny efanao, ry Tompo; *
lalina tokoa ny fisainanao!”.
Ny ketrina no tsy mahalala izany, *
ny adala no tsy mahatsapa izany.

Na mirobona toy ny vilona aza ny olon-dratsy *
ka mamòny avokoa ny mpanao ny tsy rariny,
dia ny mba haringana mandrakizay; *

Indreo levona tanteraka ny rafinao, *
voahahaka avokoa ny mpanao ratsy.
Izaho nomenao fahasahian'ombimanga, *
nohosoranao menaka vao:

ka mahabandrina an'ireo mpisompatra *
sy mahahaino ny fihatsian'ny olon-dratsy.
Ny olo-marina mamololona toa antrendry, *
misandratra avo toa sederan'i Libàna;
ao an-tranon'ny Tompo izy no maniry, *
an-kianjan'ny Andriamanitsika no manorobona.
Na antitra aza izy mbola mamokatra, *
milenodenoka, be ranon-kazo:

ka maneho fa mahitsy ny Tompo; *
ao amin'ilay Vatolampy, rariny avokoa.

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyMitory ny fitiavanao, raha vao maraina izahay, ry Tompo, mitory ny fahamarinana rehefa alina.

TONONKIRA DETERÔNÔMA 32, 1-12

Soa ataon'Andriamanitra amin'ny vahoaka

Impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao tahaka ny anangonan'ny reniakoho ny zanany ao ambanin'ny elany (Matio 23, 37).

SasinyOmeo voninahitra ny Andriamanitsika.

Mampandria sofina, ry lanitra, fa hiteny aho; *
ary aoka ny tany hihaino ny teny haloaky ny vavako.
Aoka hirotsaka toa ranonorana ny fampianarako; *
ary hilatsaka tahaka ny ando ny Teniko,
dia tahaka ny tandrifin-drahona †
amin'ny zava-maitso, *
toy ny rano mitete amin'ny ahi-maitso.
Fa hitory ny Anaran'ny Tompo aho: *
ka omeo voninahitra ny Andriamanitsika.
Ny vatolampy, lavorary ny asany, *
ara-drariny ny lalany rehetra;
fa Andriamanitra mahatoky sy tsy misy ratsy Izy; *
marina sy mahitsy.
Nanota taminy izy ireo, †
tsy mba ny zanany fa ny faikan'izy ireo, *
taranaka ratsy sy mpivadika.
Izany va no avalinareo ny Tompo, *
ry vahoaka adala, tsy manam-pahendrena?
Tsy Izy va no Rainao sy Mpahary anao, *
izay nanao anao sy nanorina anao?
Tsarovy ny andro taloha, *
saino ny taona tamin'ny taranaka taloha,
anontanio an-drainao, fa hatorony anao, *
amin'ny anti-panahy, fa halazany anao:
Nony nomen'ny Avo indrindra zara tany ny firenena, *
nony natokotokony ny zanak 'olombelona,
dia nametra ny faritanin'ny vahoaka izy; *
araka ny isan 'ny zanak'i Israely.
Satria ny anjaran'ny Tompo dia ny vahoakany, *
ary i Jakôba no anjara lovany.
Hitany tany an-tany efitra izy, *
dia tao an-tany foana misy biby dia mierona,
ka nofefeny sy nokolikoleny *
ary notandremany toy ny anakandriamasony.
Mova tsy ny voromahery †
manaitaitra ny zanany madinika *
sy manidintsidina eo ambonin'ny zanany
no namelarany ny elany nandraisany azy, *
sy nitondrany azy teo amboni n'ny elany.
Ny Tompo irery no nitondra azy; *
fa tsy nisy andriamani-kafa niaraka taminy.

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyOmeo voninahitra ny Andriamanitsika.

SALAMO 8

Fahambonian'ny Tompo sy fahamendrehan' ny olombelona

Napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra, ary nataony Filoha ambony indrindra Izy amin'ny Fiangonana (Efezianina 1,22).

SasinyMahagaga ny Anaranao, ry Tompo, eran'ny tany tontolo.

Ry Tompo Andriamanitray ô,*
drey ny harevaky ny Anaranao eran-tany!
Izaho hanompo ny fahandriananao *
izay manoatra ny lanitra midadasika.

Ny vavan'ny zaza bodo sy ny mbola minono *
no ahazoanao fideràna
mba hahasîna ny fahavalonao *
mbamin'ny rafy sy ny mpisompatra.

Raha mahita ny lanitra nataon'ny tananao aho, *
ny volana, ny kintana izay namboarinao;
Fa mba inona ny olombelona no tsahivinao? *
ny zanak'olombelona no dia ahînao?

Nataonao ambany kelin'ny Anjely izy, *
nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.
Ny asan-tananao nomenao hozakainy, *
ny zavatra rehetra nataonao ambany tongony:

dia ny omby aman'ondry sy ny bibidia, *
ary koa ny vorona eny an-danitra,
sy ny trondro any an-dranomasina *
izay miriaria eny ambonin'ny onja!

Ry Tompo Andriamanitray ô, *
drey ny harevaky ny Anaranao eran-tany!

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyMahagaga ny Anaranao, ry Tompo, eran'ny tany tontolo.

Vakiteny Fohy

RÔMANINA 12, 14-16a

Misaora izay manenjika anareo; misaora fa aza manozona. Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany. Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin'ny iva toetra.

Valy fohy
V. Hihoby Anao ny molotro, *Ary hihira ho Anao aho.
Hihoby...
A. Hiantsoantso ny fahamarinanao ny lelako. *Ary hihira
ho Anao aho.
Voninahitra... Hihoby...

Tononkira araka ny Evanjely

SasinyTariho ny dianay, ry Tompo, hankany amin'ny

Tononkiran'i Zakaria (Lioka 1, 68-79)

Isaorana anie ny Tompo Andriamanitr'i Israely, * fa namangy sy nanavotra ny olony Izy ;

nanangana tandro-pamonjena ho antsika * teo amin'ny fianakavian'i Davida mpanompony ;

araka ny nampilazainy ny mpaminany masina hatramin'ny ela : * dia ny famonjena antsika ho afaka amin'ny fahavalontsika...

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina...

SasinyTariho ny dianay, ry Tompo, hankany amin'ny

Ranom-bavaka

Ankalazao ny halemem-panahy amam-pahendren'i Kristy, Izay nanolo-tena, nitsinjo sy nitia antsika rehetra havany, indrindra ireo ianjadiam-pahoriana, ary mitalahoa
Aminy manao hoe:
Ataovy lavorary ny fitiavanay, ry Tompo.

– Vao maraina izahay dia mahatsiaro ny nitsangananao ho velona,
*ary mirary ny soa vokatry ny fanavotanao, ho an'ny olombelona rehetra.
– Enga anie izahay anio, ry Tompo, hijoro ho vavolombelonao,
*ary hanolotra fanatitra masina ankasitrahin'ny Ray, amin'ny alalanao.
– Ataovy hitanay ao amin'ny olona rehetra ny Endrikao,
*hanompoanay Anao amin'ny fanompoana azy ireny.
– Ianao, ry Kristy, no tena foto-boaloboka, ary izahay sampana eo Aminao;
*koa ataovy mitoetra ao Aminao izahay, hahavokatra be sy hanome voninahitra an' Andriamanitra Ray.

Rainay any an-danitra

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanin-kohaninay isan'andro, mamelà ny helokay tahaka ny ametrahanay ireo izay nanao ratsy taminay, ary aza avelanao ho lavo amin'ny fakam-panahy izahay, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amen.

Vavaka Famaranana

Hidera Anao anie ny vavanay, ry Tompo, hidera Anao ny fanahinay, hidera Anao ny fiainanay; ary satria fanomezana avy Aminao ny maha izy anay, dia aoka ho Anao manontolo izay iainanay. Amin'ny alalan'i J.K.Z.T.

Ho tahin'ny Tompo anie isika, sy harovany amin'ny ratsy rehetra, ary hotarihiny ho any amin'ny fiainana mandrakizay. Amen.