Fanaingana
A. Andininy · V. Valiny
A. Tompo ô, sokafy ny molotro.
V. Dia hanambara fiderana Anao ny vavako.
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. *
Ho tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen. Aleloia.
Salmo Fanaingana
SALAMO 94
Fiangaviana hidera an’Andriamanitra
Mifamporisiha isan’andro, dieny mbola misy izay atao hoe «anio» (Hebrio 3,13).
Avia! Ndeha isika hihoby ny Tompo,
hankalaza ny Vatolampy famonjena antsika;
andeha hiseho eo anoloany amin-tsaotra,
hankalaza Azy amin'antsa:
fa Andriamanitra lehibe ny Tompo,
Mpanjaka ambonin'ny andriamanitra rehetra.
Fa ny fototry ny tany eo an-tanany,
ny tampon'ny vohitra Azy koa;
Azy ny ranomasina fa nataony,
sy ny tanety fa voatran'ny tanany.
Midira! Ndao hiankohoka sy hitsaoka,
handohalika eo anoloan'ny Tompo nanao antsika.
Fa izy no Andriamanitsika;
isika kosa vahoakany, ondry eo an-tanany.
Enga anie ianareo anio
ka mba handre ny feony!
Aza manamafy fo toy ny tany an'efitra,
tamin'ny andro nifandirana sy nihatsiana,
raha naka fanahy Ahy ny razanareo,
na dia efa nahita ny asako aza.
Efapolo taona ilay taranaka
nanorisory Ahy sesilany.
Vahoaka tsy mahitsy fo ity, hoy Aho;
tsy ho azony mihitsy ny lalako.
Tezitra Aho ka nianiana marimarina hoe:
«Tsy hiditra any amin'ny fitsaharako ireto!».
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny
Fanahy Masina.
Ho tahaka ny taloha ny ankehitriny sy mandrakizay.
Amen.
Hira Fanombohana
Ianao, ry Voninahitry ny lanitra mandrakizay (Aeterna caeli gloria)
Fanantenana sy hafinaretan’ny olombelona,
Zanakalahitokan’Andriamanitra velona
Sady Zanak’ilay Virjiny madio.
Tolory tana-mamonjy izahay vao mifoha,
Asandrato fo, asandrato fanahy,
Hahay hankasitraka Anao,
Amin’ny fiderana sy fankalazana.
He jereo iry ny kitana fitarikandro
Fa mialoha ny masoandro,
Ny haizin’ny alina indro nandositra:
Tsilovy re izahay, ry Hazavan’Andriamanitra.
Ianao no aoka hanazava ny tenanay,
Hampadositra ny haizin’izao tontolo izao.
Tahirizo izahay hatramin’ny farandro,
Hadio fo sy ho afaka amin’ny Ratsy.
Ny finoana izay nafafinao,
Aoka hamokatra be ao am-ponay;
Hirobona toa azy koa ny fanantenana
Ary hivelatra aoka izany ny fitiavana.
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray,
Dera ho an’ny Zanakalahitokana,
Miaraka amin’ny Fanahy Mpamelombelona,
Mandrakizay mandrakizay. Amen.
Salamo sy Tononkira
SALAMO 50
Iantrao aho, ry Andriamanitra
Aoka hohavaozina ao amin'ny saina amam-panahinareo ianareo, ka hitafy ny olom-baovao (Efezianina 4,23-24).
Iantrao aho, ry Andriamanitra ô, *
fa tsara fo Ianao;
koseho re ny heloko, *
fa be indrafo Ianao.
Sasao tanteraka amin'ny otako aho, *
diovy tokoa amin'ny hadisoako.
Eny, miaiky heloka aho: *
tsaroako lalandava ny otako.
Ianao irery tokoa no nanotako; *
ny ratsy imasonao no nataoko:
hany ka ara-drariny Ianao raha miteny, *
tsy omen-tsiny raha manasazy.
Jereo fa meloka aho no teraka, *
mpanota raha notorontoronina;
nefa aho tianao hahitsy ato anatiko, *
tianao ho hendry ato am-poko.
Diovy hisôpy aho dia hadio; *
sasao, dia ho fotsy mangatsakatsaka;
ho henoko indray ny hobin-danonana, *
hibitaka indray ny taolana efa montsana,
Afeno ny tavanao ny otako, *
ary koseho avokoa ny heloko.
Amoròny fo madio aho, ry Andriamanitra ô, *
fanahy vaovao araikitra ato anatiko.
Aza esorinao eo anoloanao aho; *
ny Fanahinao Masina aza alàna amiko;
avereno amiko ny hafalian'ny voavonjy; *
fanahy mazoto ankaherezana ahy.
Dia hatoroko ny meloka ny lalanao, *
ka hiverina aminao ny mpanota.
Andriamanitra ô, afaho amin'ny tomany aho *
hihobiako ny fahamarinanao.
Tompo ô, sokafy ny molotro, *
dia hidera Anao ny vavako.
Tsy ny fanatitra no sitrakao, *
tsy ny sorona dorana no telinao.
Aminao, ny fanahy torotoro *
no hany sorona lavorary:
ny fo torotoro sy montsamontsana *
tsy mba iavonanao, ry Andriamanitra.
Noho ny fitiavanao, hasoavy i Siôna; *
ny mandan'i Jerosalema atsangano.
Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana, *
ny sorona dorana sy izay atolotra tontolo;
ary amin'izay dia vantotr'ombalahy *
no hakarina eo amin'ny ôtelinao.
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.
TONONKIRA HAB 3, 2-4. 13a. 15-19
Miseho Andriamanitra hitsara
Asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo (Lioka 21,28).
Tompo ô, nandre izay nampandrenesinao aho, *
dia raiki-tahotra aho, Tompo ô!
Velomy ny asanao amin'ny taona mifandimby; *
ataovy fantatra amin'ny taona mifandimby izy.
Na eo amin'ny hatezeranao aza, *
mahatsiarova ny hamindra fo.
Tamy avy any Temàna Andriamanitra, *
ary avy any an-tendrombohitra Faràna ilay Masina
Nanarona ny lanitra ny fiandrianany; *
ary nameno ny tany ny voninahiny.
Toy ny fahazavan'ny masoandro miposaka *
ny famirapiratany;
misy tana-masoandro avy eo amin'ny tanany; *
ao no ier en'ny heriny.
Nivoaka hamonjy ny olonao Ianao, *
hanafaka a n'ilay nohosoranao.
Hitsahinao amin'ny tongo-tsoavalinao ny ranomasina, *
ny fitambaran 'ny rano be.
Vao nandre aho dia nivadika ny tsinaiko; *
mipararetra amin'izany feo izany ny molotro,
idiran'ny fahalòvana ny taolako, *
mangovitra ny lohaliko eo ambaniko,
noho ny tsy maintsy hiandrasako amim-piadanana *
ny andro mahory,
izay hiakaran'ny fahavalo *
hampahory ny vahoaka anankiray.
Satria amin'izany ny aviavy tsy hamontsina, *
ny voaloboka tsy hisy hotoazana;
ny oliva tsy hisy voany; *
ary ny saha tsy hahavoka-kanina;
tsy hisy hita intsony ao amin'ny vala ny ondry *
ary ny fahitra tsy hisy omby intsony.
Fa izaho dia te-hiravoravo amin'ny Tompo, *
te hientan-kafaliana amin'ny Andriamanitry
ny famonjena ahy.
Ny Tompo Andriamanitra no heriko; *
ataony toy ny an'ny serfa vavy ny tongotro,
ary ampandehaniny *
eny amin'ny fitoerako avo aho.
Ho an'ny filohan'ny mpihira, *
amin'ny zava-manenoko tendrena.
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.
SALAMO 147
Fiorenan'i Jerosalema
Avia fa hasehoko anao ny Vehivavy ampakarina ho Vadin'ny Zanak'ondry (Apôkalipsa 21, 9).
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema;*
† derao ny Andriamanitrao, ry Siôna:
fa ny vavahadinao ataony tsara hidy,*
ny zanakao eo anivonao tahîny,
ny faritaninao fenoiny fiadanana,*
ny vary omeny anao izaitratra sady fy.
Alefany eto an-tany ny Teniny,*
ka miriotra mitety ny tontolo:
ny oram-panala milatsaka toa volonondry,*
ny fanala miparitaka toa lavenona,
ny ranomandry miendrika sombi-mofo:*
ny hatsiakan'ny Tompo mampivaingana ny rano.
Ny Teniny alefany: miempo ireny;*
ny rivotra atsokany hampitsonika azy.
Nambarany tamin'i Jakôba ny Teniny,*
tsy nanaovany izany ireo firenena,*
ny satany tsy mba nasehony an'ireny. Δ
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.
Vakiteny Fohy
EFEZIANINA 2, 13-16
A
nkehitriny dia ao amin'i Kristy Jesoa ianareo izay lavitra fahiny, tongan'ny Ran'i Kristy akaiky. Fa Izy no
fihavanantsika, Izy no nahatonga antsika roa tonta ho
iray, Izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana: tao amin'ny nofony no nanafoanany ny Lalàna
be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa
tonta ho olom-baovao iray ao amin'ny Tenany; fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta ho tena iray amin'
Andriamanitra, noho ny Hazofijaliana izay nandevonany
ny fifandrafesana.
ahy
Izy. Hiantso…
A. Avy any an-danitra no hanirahany hanafaka ahy. *Fa
mpanasoa ahy Izy. Voninahitra... Hiantso...
Tononkira araka ny Evanjely
Tononkiran'i Zakaria (Lioka 1, 68-79)
Isaorana anie ny Tompo Andriamanitr'i Israely, * fa namangy sy nanavotra ny olony Izy ;
nanangana tandro-pamonjena ho antsika * teo amin'ny fianakavian'i Davida mpanompony ;
araka ny nampilazainy ny mpaminany masina hatramin'ny ela : * dia ny famonjena antsika ho afaka amin'ny fahavalontsika...
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina...
Ranom-bavaka
niaraka tamin'ny Rany, tamin'ny alalan'ny Fanahy
Masina, hanadiovana ny fanahintsika ho afaka amin'ny
asa mahavokatra fahafatesana; ary mivavaha Aminy
amin'ny fo mahitsy manao hoe:
Ao amin'ny sitraponao no fiadananay, ry Tompo.
– Ianao mora fo no andraisanay izao andro manomboka izao,
*koa ataovy manomboka fiainam-baovao koa izahay.
– Ianao no nahary ny zavatra rehetra, sy mitahiry azy ary mitsimbina azy;
*koa ataovy hitanay mandrakariva ao amin'ny zava-boaary ny asanao.
– Ianao nanao fanekem-pihavanana vaovao maharitra mandrakizay tao amin'ny Ranao;
*koa ataovy manatanteraka izay andidianao izahay, mba hihavana Aminao mandrakariva.
Rainay any an-danitra
Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanin-kohaninay isan'andro, mamelà ny helokay tahaka ny ametrahanay ireo izay nanao ratsy taminay, ary aza avelanao ho lavo amin'ny fakam-panahy izahay, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amen.
Vavaka Famaranana
Ianao nihantona teo amin'ny Hazofijalina, nandrotsaka rano sy ra avy amin'ny Fonao; koa sasao amin'izany rano mahavonjy izany ny fahotanay, ary omeo hafaliana izahay vahoakanao Andriamanitra. Amin'ny alalan'i J.K.Z.T.
Ho tahin'ny Tompo anie isika, sy harovany amin'ny ratsy rehetra, ary hotarihiny ho any amin'ny fiainana mandrakizay. Amen.