Vavaka Hatory

Sabotsy faha-34 mandavan-taona

Sabotsy 28 Novambra 2026 · Herinandro II · Maitso · Andro tsotra

Hiverina

Fanaingana

A. Andininy · V. Valiny

A. Andriamanitra ô, avia ampio aho.
V. Tompo ô, faingàna hamonjy ahy.

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. *
Ho tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen. Aleloia.

Fandinihan-tena sy Fifonana : Fahanginana fohy handinihana ny andro...

Hira Fanombohana

Alohan'ny hahamaizina ny andro (Fanao andavanandro)

Alohan’ny hahamaizina ny andro,
mitalaho izahay, ô ry Mpahary:
mba tahio am-pitiavana hatrany
fa mifefy aminao sy matoky.

Ny fonay anie tsy handao Anao,
ka handre Anao izahay raha matory
sy hidera ny herinao hatrany
hotsilovinao feno hazavana.

Omeo andro mahasoa iainana,
hafano amin’ny fihavanana,
vonoy re ny afon’ny fankahalana,
esory ny haizina manakona.

Iantrao izahay, Ray mahefa,
noho i Jesoa Kristy Tomponay,
Izy ilay miara-manjaka Aminao
sy amin’ny Fanahy mandrakizay. Amen.

Ianao, ry Kristy, masoandro (Na izao)

Ianao, ry Kristy, masoandro
mampisava ny haizin’ny alina,
tena fototry ny fahazavana
ka mamiratra amin’ny olom-pinidy.

Mitalaho izahay, ô ry Tompo,
mba arovy mandritra ny alina
hiala sasatra eo anilanao
ka hilamina, hiadana soa.

Raha hikimpy izahay fa matory:
ny fonay ho tia Anao kosa hatrany
ka arovy amin’ny sandrinao mahery
fa dia mino sy mifikitra Aminao.

Mba tsinjovy izahay ka arovy
sy sakano tsy ho simban’ny loza
dia tariho fa mpanomponao tia
fa navotanao tamin-dRanao.

Voninahitra anie ho an’ny Ray
sy ho Anao, ry Jesoa Mpanjaka,
mbamin’ny Fanahy Mpampionona
mandritra ny taona rehetra. Amen.

Salamo sy Tononkira

SALAMO 4

Fisaorana sy fankasitrahana

Nataon'ny Tompo mahagaga Ilay novelominy avy any amin'ny maty (Masindahy Augustin).

SasinyIantrao aho, ry Tompo, henoy vavaka.

Raha miantso aho, mba valio, *
ry Andriamanitra mpanamarina ahy.
Ry mpanalalaka amin'ny tery ô, *
iantrao aho, henoy vavaka.

Moa ianareo olombelona ho mafy fo hatrany? *
Dia zava-poana no tiana, lainga no katsahina?
Fantaro ny ataon'ny Tompo ity sakaizany: *
vao miteny aho, dia henony avy hatrany.

Koa matahora ao am-po, atsaharo ny ota; *
eo am-pandriana misaina sy misento;
fanatitra ara-pahamarinana aterina, *
ny Tompo irery itokiana.

Iza, hoy ny maro, no mba hahasambatra anay? *
Ny hazavan'ny Tavanao, ry Tompo, aidina aminay!
Ny hafaliana afenonao ny foko *
manoatra ny azy voka-bary sy divay.

Izaho vantany vao mandry *
dia matory amim-piadanana:
Ianao irery no fananako *
mahafeno toky ahy tanteraka!

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyIantrao aho, ry Tompo, henoy vavaka.

SALAMO 133

Vavaka hariva ao an-Tempoly

Miderà an'Andriamanitra ianareo mpanompony rehetra, sy ianareo matahotra Azy, na kely na lehibe (Apôkalipsa 19, 5).

SasinyMisaora ny Tompo mandritra ny alina.

Eny, misaora ny Tompo, *
ianareo rehetra mpanompon'ny Tompo.
Ireo hiàlina ato an-tranon'ny Tompo, *
mahereza avokoa ianareo;

Ny tanana asandrato any amin'ny toerana masina, *
marisiha misaotra ny Anaran'ny Tompo!
Ny Tompo anie hitahy anareo avy eto Siôna, *
Izy ilay nanao ny lanitra sy ny tany!

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyMisaora ny Tompo mandritra ny alina.

Vakiteny Fohy

VAKITENY FOHY DETERÔNÔMY 6, 4-7

Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika, dia Izy no Tompo. Tiava ny Tompo Andriamanitrao, amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ary ny herinao manontolo. Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao. Alatsaho ao an-tsain’ny zanakao izany; ary resaho, na ao an-tranonao ianao, na eny amin’ny dia alehanao, na mandry ianao, na miarina.

Valy fohy
V. Eo an-tananao, ry Tompo, * No ametrahako ny aiko.
A. Eo an-tananao...
V. Fa nanavotra anay Ianao, ry Tompo Andriamanitry ny fahamarinana. * No ametrahako ny aiko.
V. Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.
A. Eo an-tananao, ry Tompo, no ametrahako ny aiko.

Tononkira araka ny Evanjely

SasinyVonjeo izahay, ry Tompo, raha mbola mahatsiaro, ambeno rehefa matory; mba hiaraka amin'i Kristy izahay raha mahatsiaro, ary hombam-piadanana rehefa miala sasatra.

Tononkiran'i Simeôna (Lioka 2, 29-32)

Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanao am-piadanana * araka ny teninao ny mpanomponao ;

fa ny masoko efa nahita * ny Famonjena avy aminao...

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina...

SasinyVonjeo izahay, ry Tompo, raha mbola mahatsiaro, ambeno rehefa matory; mba hiaraka amin'i Kristy izahay raha mahatsiaro, ary hombam-piadanana rehefa miala sasatra.

Rainay any an-danitra

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanin-kohaninay isan'andro, mamelà ny helokay tahaka ny ametrahanay ireo izay nanao ratsy taminay, ary aza avelanao ho lavo amin'ny fakam-panahy izahay, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amen.

Vavaka Famaranana

Mba vangio izahay, ry Tompo, amin’ity alina ity; ka rehefa mifoha izahay rahampitso maraina noho ny herinao, dia ho mendrika hifaly amin’ny nitsanganan’i Kristy avy any amin’ny maty, fa Izy velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

Ho tahin'ny Tompo anie isika, sy harovany amin'ny ratsy rehetra, ary hotarihiny ho any amin'ny fiainana mandrakizay. Amen.