Fanaingana
A. Andininy · V. Valiny
A. Andriamanitra ô, avia ampio aho.
V. Tompo ô, faingàna hamonjy ahy.
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. *
Ho tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen. Aleloia.
Hira Fanombohana
Alohan'ny hahamaizina ny andro (Fanao andavanandro)
mitalaho izahay, ô ry Mpahary:
mba tahio am-pitiavana hatrany
fa mifefy aminao sy matoky.
Ny fonay anie tsy handao Anao,
ka handre Anao izahay raha matory
sy hidera ny herinao hatrany
hotsilovinao feno hazavana.
Omeo andro mahasoa iainana,
hafano amin’ny fihavanana,
vonoy re ny afon’ny fankahalana,
esory ny haizina manakona.
Iantrao izahay, Ray mahefa,
noho i Jesoa Kristy Tomponay,
Izy ilay miara-manjaka Aminao
sy amin’ny Fanahy mandrakizay. Amen.
Ianao, ry Kristy, masoandro (Na izao)
mampisava ny haizin’ny alina,
tena fototry ny fahazavana
ka mamiratra amin’ny olom-pinidy.
Mitalaho izahay, ô ry Tompo,
mba arovy mandritra ny alina
hiala sasatra eo anilanao
ka hilamina, hiadana soa.
Raha hikimpy izahay fa matory:
ny fonay ho tia Anao kosa hatrany
ka arovy amin’ny sandrinao mahery
fa dia mino sy mifikitra Aminao.
Mba tsinjovy izahay ka arovy
sy sakano tsy ho simban’ny loza
dia tariho fa mpanomponao tia
fa navotanao tamin-dRanao.
Voninahitra anie ho an’ny Ray
sy ho Anao, ry Jesoa Mpanjaka,
mbamin’ny Fanahy Mpampionona
mandritra ny taona rehetra. Amen.
Salamo sy Tononkira
SALAMO 87
Vavak'olona marary mafy
Izao tonga ny fotoanareo sy ny herin'ny maizina (Lioka 22,53).
Ry Tompo Andriamanitro Mpamonjy ahy ô, *
mitaraina andro aho, mitoloko alina.
Aoka ho tonga eo anoloanao ny vavaka ataoko *
manongilàna sofina amin'ny antsoko!
Hetsa-pahoriana ny fanahiko, *
eo amoron'ny seoly ny aiko,
eo anilan'ireo mandry any amin'ny helo aho, *
efa ho naman'ny mpiady afa-kery.
Efa nalefanao ho any amin'ny maty aho, *
hiaraka amin'ireo any am-pasana
izay tsy tsaroanao intsony *
fa nakipaky ny tananao.
Any amin'ny vodilavaka aho no napetrakao, *
amin'izay lalina sy maizina indrindra,
tsindrian'ny hatezeranao, *
ianjeran'ny alon-dranonao.
Nahatakao lavitra ahy ireo namako, *
maharikoriko azy ny tenako.
Voahiboka aho, tsy afa-mivoaka, *
ny masoko pahina azon'ny alahelo.
Tontolo andro aho miantso Anao *
sy mananty tanana Aminao.
Amin'ny maty, moa Ianao mpanao zava-mahagaga? *
moa ny matoatoa mba midera Anao?
Any am-pasana, ny fitiavanao tsy misy mpiteny; *
ny fahamarinanao, tsy mba resahin'izay very.
Ny zava-mahatalanjona vitanao *
angaha fantatra any amin'ny maizina,
ny fitiavanao ny rariny *
angaha fantatra any amin'ny toeram-panadinoana?
Mitaraina Aminao aho, ry Tompo ô, *
mitsena Anao vao maraina ny vavaka ataoko.
Ahoana ny fanahiko no dia arianao, *
ny Tavanao ahoana no afeninao?
Mahantra sy mijaly indrindra aho, *
hàlan-dolo hatry ny fony kely,
safotry ny hatezeranao, *
tonafan'ny fampitahoranao.
Toy ny rano manemitra tontolo andro ireny, *
mamorivory dia indray miantonta.
Eny, nahatakao lavitra ahy ny sakaizako; *
ireo olon-tiako manadino tanteraka.
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.
Vakiteny Fohy
VAKITENY FOHY JEREMIA 14, 9
Eo afovoanay no itoeranao, ry Tompo; ny Anaranao no antsoina hiaro anay: aza dia ilaozanao izahay, ry Tompo Andriamanitray.
A. Eo an-tananao...
V. Fa nanavotra anay Ianao, ry Tompo Andriamanitry ny fahamarinana. * No ametrahako ny aiko.
V. Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.
A. Eo an-tananao, ry Tompo, no ametrahako ny aiko.
Tononkira araka ny Evanjely
Tononkiran'i Simeôna (Lioka 2, 29-32)
Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanao am-piadanana * araka ny teninao ny mpanomponao ;
fa ny masoko efa nahita * ny Famonjena avy aminao...
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina...
Rainay any an-danitra
Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanin-kohaninay isan'andro, mamelà ny helokay tahaka ny ametrahanay ireo izay nanao ratsy taminay, ary aza avelanao ho lavo amin'ny fakam-panahy izahay, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amen.
Vavaka Famaranana
Enga anie izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, hifikitra marina amin’ny Lahitokanao nalevina, ka ho mendrika hiaraka aminy hitsangan-ko velona amin’ny fiainam-baovao. Fa Izy velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.
Ho tahin'ny Tompo anie isika, sy harovany amin'ny ratsy rehetra, ary hotarihiny ho any amin'ny fiainana mandrakizay. Amen.