Vavaka Hariva Mialoha

Alahady faha-1 amin'ny Fiaviana

Alahady 29 Novambra 2026 · Herinandro I · Volomparasy · Fankalazana

Hiverina

Fanaingana

A. Andininy · V. Valiny

A. Andriamanitra ô, avia ampio aho.
V. Tompo ô, faingàna hamonjy ahy.

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. *
Ho tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen. Aleloia.

Hira Fanombohana

Arotsahy re, ô ry lanitra ô (tak. 144)

Fiv: Arotsahy re, ô ry lanitra ô,
Ny andonao mpamelombelona;
Mba iraho re, Andriamanitra ô,
‘Lay Zanakao Mpamonjy anay.

Aza tafahoatra ny hatezeranao,
Aza dia tsaroana ny helokay, ry Tompo;
I Siôna anie, ry Tompo, zary efitra,
‘Lay Jerosalema nankalazana Anao.

Rakotry ny ota ka menatra izahay,
Entin-drendrarendra toa ravinkazo maina;
Fa ny tavanao, ry Tompo, dia nafeninao,
Ka ny helokay no sisa anjaranay.

Mba jereo, ry Tompo, ny fahorianay,
Ka iraho hatrany Ilay halefanao,
Ny Mesia Zanak’ondry sady Tomponay:
Izy no hamaha ireto fatotray.

Satria tsisy fantatrareo (tak. 145)

Satria tsisy fantatrareo
Na ny andro na ny ora hiaviany.
Izay be fitiavana tsy ho rendremana:
Tsy resin’ny tory fa toy ny ampakarina
Miandry ny vadiny.

Ho an’izay raiki-pitia ao anaty,
Ny hany tsaroana tsy afaka an-tsaina
Dia ilay olon-tiana.
Ilay Zanak’olona mbola ho avy,
Ho avy amin’ilay voninahitry ny Ray
Hitsara ny olona.

Miambena àry toy ny mpanompo itokiana
Izay vonona hatrany, tsy varimbariana
Miandry ny tompony.
Ny Fitiavana no hitsarana amin’ny farany,
Fa izay be fitiavana tsy misy hohelohina
Na iza na iza.

Ry Maria ô, Tandindon’ilay endrikao mialoha (tak. 147)

Ry Maria ô,
Tandindon’ilay endrikao mialoha
I Eva ilay renin’ny olon-drehetra
Niteraka olona nofo aman-drà.
Ianao kosa Reninay zanak’Andriamanitra
Mpandova ny fiainana mandrakizay.

Ry Maria ô,
Tandindon’ilay endrikao mialoha
I Sarà izay niteraka an’ilay ho Mpandova
Ny nampanantenain’Andriamanitra Ray
Razam-ben’ny Mesia izay mitondra hafaliana
Ho an’ireo firenena rehetra eran-tany.

Ry Maria ô,
Tandindon’ilay endrikao mialoha
Ilay zanakavavin’i Faraôna Mpanjaka
Nanangana ho zanany an’i Môizy
Izay mpanafaka ireo vahoaka voafidy
Tamin’ny fanandevozan’ny Ejipsianina.

Ry Maria ô,
Tandindon’ilay endrikao mialoha
I Ana ilay mpanompovavin’ny Tompo
Mahantra am-panahy fa tsy mba niteraka
Fa matoky ny Tompo izy ka nitalaho
Ka indro niteraka ilay Mpaminany.

Ry Maria ô,
Tandindon’ilay endrikao mialoha
I Estera ilay zanak’i Israely
Nahita fitia izy tamin’ny Mpanjaka
Ka tonga voavonjy ny vahoakan’ny Tompo
Izay efa voaheloka ho faty avokoa.

Ry Maria ô,
Tandindon’ilay endrikao mialoha
Ny zanakavavin’i Jerosalema.
Teo aminy Ilay Andriamanitra Tompony
Ka ravo, mifaly, mihoby Azy izy.
Mifalia, ry Maria, fa ny Tompo ao aminao!

Salamo sy Tononkira

SALAMO 140, 1-9

Vavaka raha tandindomin-doza

Ary ny fofon'ny emboka manitra, avy amin'ny vavaky ny Olomasina, dia niakatra ho eo anatrehan'Andriamanitra avy amin'ny tanan'ny Anjely (Apôkalipsa 8,4).

SasinyAmbarao amin'ny vahoaka hoe: Indro Andriamanitra, tonga hamonjy antsika!

Miantso Anao aho, ry Tompo, faingàna ho eto amiko; *
Ianao no antsoiko: henoy ny feoko.
Ny fivavako anie hisandratra *
toy ny emboka anoloanao!
Aoka anie ny fanàntiko tanana ho toy ny fanatitra hariva. †
Ametraho mpiambina ny vavako, ry Tompo; *
ny varavar an'ny molotro arovy.

Ny foko aza aròna amin'ny ratsy *
ary aza avela hivarilavo.
Aoka aho tsy hiaraka amin'ny mpanao ratsy *
ary tsy hanaiky ny hihaona amin'ireny.

Ny fananaran'ny olo-marina anie hokatsahiko, *
ny fandokafan 'ny olon-dratsy kosa handosirako.
Tsy manaiky ny Tenin'ny Tompo izy ireny, *
ka ny tany hivava hitelina azy.

Fa ny ahy, ry Tompo, Ianao no andraiko; *
Ianao no ifefeko, aza afoy ny fanahiko.
Ambeno amin'ny fandrika mivelatra aho, *
arovy amin'ny tsipîkan'ny mpanao ratsy.

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyAmbarao amin'ny vahoaka hoe: Indro Andriamanitra, tonga hamonjy antsika!

SALAMO 141

Ianao no aroko

Tanteraka tao amin'ny Tompo izany rehetra izany tamin' ny andro nijaliany (Masindahy Hilaire).

SasinyHo avy ny Tompo, otronin'ny olo-marina rehetra: ho hita amin'izay andro izay fa hisy fahazavana lehibe, aleloia.

Miantso mafy ny Tompo aho, *
miambezo mafy Aminy;
atosako eo anoloany ny tarainako, *
asehoko eo anatrehany ny fijaliako.

Reraka ato amiko ny fanahiko; *
fantatrao ny manjo ahy:
indro ny lalan-kalehako *
fa nanafenany fandrika.

Tazanina ny eo an-kavanana: *
tsy misy izay hiantoka,
tsy misy mba hialofana, *
tsy misy miahy ny aina!

Koa Ianao, ry Tompo, no antsoiko: *
“Ianao no aroko, hoy aho;
Ianao no anjarako *
any amin'ny tanin'ny velona!”

Aoka mba ho tandrinao ny antsoko, *
fa osa loatra ity izaho!
Afaho amin'ny mpanenjika re aho, *
fa mahery noho izaho izy ireo.

Avoahy ny tranomaizina ny fanahiko, *
mba hiderako ny Anaranao.
Eny, ho velon-tsaotra ny olo-marina, *

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyHo avy ny Tompo, otronin'ny olo-marina rehetra: ho hita amin'izay andro izay fa hisy fahazavana lehibe, aleloia.

TONONKIRA FILIPIANINA 2,6-11

I Kristy Mpanompon'Andriamanitra

Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany (Matio 1,21).

SasinyHo avy ny Tompo Andriamanitsika, ary hahita ny heriny ny nofo rehetra.

I Kristy Jesoa nanana ny fomba maha-Andriamanitra, *
tsy nihevitra hoe tsy maintsy hifikirana †
ilay fitoviana amin'Andriamanitra.

Koa niendahany ny Tenany †
naka ny fomba maha mpanompo Izy, *
tonga nitovy tamin'ny olombelona.

Nony efa toy ny olombelona Izy, †
dia nanetry tena ka fatra-panaiky, *
ka teo amin'ny Hazofijaliana no maty.

Fa Andriamanitra kosa nanandratra Azy †
sy nanolotra Azy ilay Anarana, *
ilay ambonin'ny anarana rehetra.

Ka amin'ny Anaran'i Jesoa †
ny lohalika rehetra hilefitra *
an-danitra, an-tany sy any ambany.

Ary ny lela rehetra hiaiky †
fa i Kristy Jesoa dia Tompo *

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyHo avy ny Tompo Andriamanitsika, ary hahita ny heriny ny nofo rehetra.

Vakiteny Fohy

1 TESALÔNISIANINA 5, 23-24

Ny Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina ny tenanareo manontolo, ka hotahiriziny tsy hanan-tsiny ho
amin'ny fahatongav an'i Jesoa Kristy Tompontsika avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny vatanareo. Tsy
mivadika Ilay niantso anareo, ka Izy ihany koa no hanefa
izany.

Valy fohy
V. Asehoy anay, ry Tompo
* Ny famindram-ponao.
A. Ary omeo anay ny famonjena avy aminao.
* Ny famindram-ponao.
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka
sy ny Fanahy Masina
V. Asehoy anay, ry Tompo, ny famindràm-ponao.

Tononkira araka ny Evanjely

SasinyIndro ny Tompo: avy lavitra Izy; mandrakotra ny tany ny famirapiratan'ny Anarany.

Tononkiran'i Maria (Lioka 1, 46-55)

Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, * mifaly amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko ;

fa nojerseny ny hamaendrehan'ny ankizivaviny : * ka hataon'ny taranaka rehetra hoe sambatra aho...

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina...

SasinyIndro ny Tompo: avy lavitra Izy; mandrakotra ny tany ny famirapiratan'ny Anarany.

Ranom-bavaka

Ndeha isika hiantso an 'i Kristy, hafaliana sy haravoana
ho an'izay rehetra miandry Azy, ka hanao hoe:
Avia, ry Tompo, aza ela!

– Ianao efa nisy talohan'ny taona rehetra,
*avia vonjeo izahay ankehitriny.
– Ianao nahary an'izao tontolo izao sy izay rehetra ao
aminy;
*koa avia avoty ny asa tananao.
– Ianao tsy nandà ny haka ny fombanay mety maty;
*koa avia, arovy izahay tsy hanjakan'ny fahafatesana.
– Ianao tonga mba hanananay ny fiainana tsy misy fetra;
*koa avia hanome anay ny fiainana mandrakizay.
– Tianao ny hampiray ny olombelona rehetra ao amin 'ny
Fanjakanao;
*koa tongava hampiray an'ireo nodimandry manantena
hahita ny Tavanao.

Rainay any an-danitra

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanin-kohaninay isan'andro, mamelà ny helokay tahaka ny ametrahanay ireo izay nanao ratsy taminay, ary aza avelanao ho lavo amin'ny fakam-panahy izahay, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amen.

Vavaka Famaranana

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: herezo ny fonay mino Anao, mba ho masimpiainana izahay, hitsena a n'i Kristy ilay ho avy, ary ho
mendrika ho tonga eo anilany, hahazo ny Fanjak an'ny
lanitra. Ami n'ny alalan 'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao, ao amin'ny Fanahy Masina, m andrakizay mandrakizay. Amen.

Ho tahin'ny Tompo anie isika, sy harovany amin'ny ratsy rehetra, ary hotarihiny ho any amin'ny fiainana mandrakizay. Amen.