Fanaingana
A. Andininy · V. Valiny
A. Andriamanitra ô, avia ampio aho.
V. Tompo ô, faingàna hamonjy ahy.
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. *
Ho tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen. Aleloia.
Hira Fanombohana
Ry Filohan'ny taona rehetra
Kristy Mpanjaka mahery,
ekenay Ianao Tompo tokana,
mifehy ny saina sy fo.
Miondrika ny tafiky ny lanitra,
mitsaoka Anao, midera miantsa;
izahay koa mihoby fa Ianao
Mpanjaka mifehy ny tontolo.
Ry Kristy Filoha mpampihavana,
lefaho ny sainay izay mikomy;
ary ny ondry mania tianao
mba vorio ao am-balanao tokana.
Hita eo amin'ny Hazofijaliana
nihantonanao namelatra tanana,
nanehoanao fitiavana feno,
ny Fonao mirehi-pitiavana.
Ianao eo ambonin'ny ôtely
amin'ny endrika mofo sy divay:
manolo-pamonjena anay zanaka
avy amin'ny Fonao nolefonina.
Ho Anao ny fiderana, Jesoa,
Ilay mifehy ny rehetra am-pitiavana,
sy ho an'ny Ray ary ho an'ny Fanahy
mandrakizay mandrakizay. Amen.
Salamo sy Tononkira
SALAMO 112
Fiderana ny Anaran'ny Tompo
Miderà, ry mpanompon'ny Tompo: * derao ny Anaran'ny Tompo.
Ny Anaran'ny Tompo anie hisaorana * hatrizao ka ho mandrakizay!
Miposa-masoandro ka ambara-pilentiny, * hoderaina anie ny Anaran'ny Tompo.
Ambonin'ny firenen-drehetra ny Tompo; * ambonin'ny lanitra ny voninahiny.
Iza no tahaka ny Tompo Andriamanitray, * Ilay mipetraka ambony dia ambony,
nefa miondrika mba hitazana * ny any an-danitra sy ny ety an-tany?
Izy Ilay manala ny ory amin'ny vovoka, * manandratra ny mahantra eo an-jezika
mba hampitoerina anilan'andriana, * dia ny andriandahin'ny vahoakany;
ny momba ampitoeriny tsara ao an-trano, * omeny zaza maro ka heni-kafaliana.
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.
SALAMO 116
Fiderana noho ny hatsaram-pon'ny Tompo
Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra; * hobio Izy, ry foko rehetra:
fa ny fitiavany anay tsy mba lefy, * ny fahamarinany mandrakizay.
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.
TONONKIRA FANAMBARÀNA 4, 11; 5, 9. 10. 12
Ny fihirana ny Zanak'ondry voavono
Mendrika Anao, ry Tompo Andriamanitray, * ny voninahitra, ny laza sy ny hery;
Fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra * tsy misy ireny ka tonga nisy noho ny sitrakao.
Mendrika handray ny boky Ianao, ry Zanak'ondry, * sy hamaha ny tombokase eo aminy
fa voavono Ianao; – ka noho ny Ranao, * dia azonao ho an'Andriamanitra izahay
avy amin'ny foko sy ny fiteny * sy ny vahoaka amam-pirenena rehetra,
ka nataonao fanjakan'ny Andriamanitray * ho mpisorona hanjaka amin'ny tany.
Eny, mendrika an'ilay Zanak'ondry novonoina * ny handray ny hery, harena sy fandresena,
sy tanjaka ombàn-kaja, * sy voninahitra arahin-tsaotra.
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.
Vakiteny Fohy
EFEZIANINA 1, 20-23
Nahariharin'Andriamanitra tao amin'i Kristy ny heriny, tamin'ny nananganany Azy ho velona, sy nametrahany Azy teo ankavanany any an-danitra, ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra, ny fanapahana rehetra, ny fahefana rehetra, ny fanjakana rehetra, ary ny anarana rehetra azo tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny fiainana ho avy koa. Fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra, ary nataony Filohany ambony indrindra Izy amin'ny Fiangonana izay Tenany, famenon'Izy Mpameno Tena an-davany sy an-tsakany amin'ny rantsam-batany rehetra.
A. Ianao manjaka amin'ny olona rehetra, *Anao, ry Tompo, ny fanjakana.
Voninahitra... Anao ny fahamboniana...
Tononkira araka ny Evanjely
Tononkiran'i Maria (Lioka 1, 46-55)
Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, * mifaly amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko ;
fa nojerseny ny hamaendrehan'ny ankizivaviny : * ka hataon'ny taranaka rehetra hoe sambatra aho...
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina...
Ranom-bavaka
Ho tonga anie ny Fanjakanao, ry Tompo!
– Ry Mpitarika anay sy Mpamonjy anay ô, vorio ho vahoakanao ny olona rehetra, sitrano ny marary, tadiavo ny very, kolokoloy ny matanjaka,
*antsoy ireo lavitra, angony ny mihahaka, areno ny tsy mino.
– Ry Mpitsara mandrakizay ô, rehefa hanolotra ny Fanjakanao amin'ny Ray Ianao, mba apetraho eo ankavananao izahay,
*ary ataovy mandova ny fanjakana, izay voavoatra ho anay hatrizay nahariana izao tontolo izao.
– Ry Mpanjakan'ny fiadanana ô, ravao ireo antony mahatonga hiady,
*ary ambarao amin'ny firenena rehetra ny fiadanana avy aminao.
– Ry lovan'ny firenena rehetra ô, angony ny taranak'olombelona, miaraka amin'ny hareny rehetra, ho ao amin'ny fanjakan'ny Fiangonanao, efa nomen'ny Ray Anao,
*mba hankatoavan'ny olona rehetra fa Ianao no Filohany, miombona ao amin'ny Fanahy Masina.
– Ry Kristy Lahimatoa amin'ny maty rehetra, ary santatr'ireo nodimandry ô,
*mba raiso ho enim-boninahitra hitsangan-ko velona ireo efa maty.
Rainay any an-danitra
Rainay any an-danitra
Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanin-kohaninay isan'andro, mamelà ny helokay tahaka ny ametrahanay ireo izay nanao ratsy taminay, ary aza avelanao ho lavo amin'ny fakam-panahy izahay, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amen.
Vavaka Famaranana
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sitrakao ny hivondronan'ny zavatra rehetra ao amin'ny Zanakao malalanao Mpanjakan'izao tontolo izao; koa mihanta Aminao izahay, ry Tompo mora fo: enga anie ny voaary rehetra, afaka amin'ny fanandevozan'ny fahotana, tsy hitsahatra ny hanompo Anao sy hankalaza Anao Avo indrindra. Amin'ny alalan'i J.K.Z.T.
Ho tahin'ny Tompo anie isika, sy harovany amin'ny ratsy rehetra, ary hotarihiny ho any amin'ny fiainana mandrakizay. Amen.