Vavaka Hariva

Alahady faha-1 amin'ny Fiaviana

Alahady 29 Novambra 2026 · Herinandro I · Volomparasy · Fankalazana

Hiverina

Fanaingana

A. Andininy · V. Valiny

A. Andriamanitra ô, avia ampio aho.
V. Tompo ô, faingàna hamonjy ahy.

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. *
Ho tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen. Aleloia.

Hira Fanombohana

Arotsahy re, ô ry lanitra ô (tak. 144)

Fiv: Arotsahy re, ô ry lanitra ô,
Ny andonao mpamelombelona;
Mba iraho re, Andriamanitra ô,
‘Lay Zanakao Mpamonjy anay.

Aza tafahoatra ny hatezeranao,
Aza dia tsaroana ny helokay, ry Tompo;
I Siôna anie, ry Tompo, zary efitra,
‘Lay Jerosalema nankalazana Anao.

Rakotry ny ota ka menatra izahay,
Entin-drendrarendra toa ravinkazo maina;
Fa ny tavanao, ry Tompo, dia nafeninao,
Ka ny helokay no sisa anjaranay.

Mba jereo, ry Tompo, ny fahorianay,
Ka iraho hatrany Ilay halefanao,
Ny Mesia Zanak’ondry sady Tomponay:
Izy no hamaha ireto fatotray.

Satria tsisy fantatrareo (tak. 145)

Satria tsisy fantatrareo
Na ny andro na ny ora hiaviany.
Izay be fitiavana tsy ho rendremana:
Tsy resin’ny tory fa toy ny ampakarina
Miandry ny vadiny.

Ho an’izay raiki-pitia ao anaty,
Ny hany tsaroana tsy afaka an-tsaina
Dia ilay olon-tiana.
Ilay Zanak’olona mbola ho avy,
Ho avy amin’ilay voninahitry ny Ray
Hitsara ny olona.

Miambena àry toy ny mpanompo itokiana
Izay vonona hatrany, tsy varimbariana
Miandry ny tompony.
Ny Fitiavana no hitsarana amin’ny farany,
Fa izay be fitiavana tsy misy hohelohina
Na iza na iza.

Ry Maria ô, Tandindon’ilay endrikao mialoha (tak. 147)

Ry Maria ô,
Tandindon’ilay endrikao mialoha
I Eva ilay renin’ny olon-drehetra
Niteraka olona nofo aman-drà.
Ianao kosa Reninay zanak’Andriamanitra
Mpandova ny fiainana mandrakizay.

Ry Maria ô,
Tandindon’ilay endrikao mialoha
I Sarà izay niteraka an’ilay ho Mpandova
Ny nampanantenain’Andriamanitra Ray
Razam-ben’ny Mesia izay mitondra hafaliana
Ho an’ireo firenena rehetra eran-tany.

Ry Maria ô,
Tandindon’ilay endrikao mialoha
Ilay zanakavavin’i Faraôna Mpanjaka
Nanangana ho zanany an’i Môizy
Izay mpanafaka ireo vahoaka voafidy
Tamin’ny fanandevozan’ny Ejipsianina.

Ry Maria ô,
Tandindon’ilay endrikao mialoha
I Ana ilay mpanompovavin’ny Tompo
Mahantra am-panahy fa tsy mba niteraka
Fa matoky ny Tompo izy ka nitalaho
Ka indro niteraka ilay Mpaminany.

Ry Maria ô,
Tandindon’ilay endrikao mialoha
I Estera ilay zanak’i Israely
Nahita fitia izy tamin’ny Mpanjaka
Ka tonga voavonjy ny vahoakan’ny Tompo
Izay efa voaheloka ho faty avokoa.

Ry Maria ô,
Tandindon’ilay endrikao mialoha
Ny zanakavavin’i Jerosalema.
Teo aminy Ilay Andriamanitra Tompony
Ka ravo, mifaly, mihoby Azy izy.
Mifalia, ry Maria, fa ny Tompo ao aminao!

Salamo sy Tononkira

SALAMO 109,1-5.7

Mpanjaka sy mpisorona ny Mesia

Tsy maintsy manjaka Izy ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin'ny tongony (1 Kôrintianina 15,25).

SasinyMifalia ianao, ry zanaka- vavin'i Siôna; miravoravoa, ry zanakavavi n'i Jerosalema, aleloia.

Tenin'ny Tompo amin'ny Tompoko: *
“Mipetraha eo an-kavanako;
Izaho hanao ny fahavalonao *
ho fitoeran-tongotrao.

Ny tehinao ahinjitry ny Tompo: *
“Avy eto Siôna, anjakao ny rafinao:
fa anao ny fiandrianana *
raha vao teraka ianao!

Izaho no niteraka anao teto ambohitra masina”. *
toy ny maraina miteraka ny ando!”.
Ny Tompo nanao fianianana izay tsy hanenenany: *
“Ianao mpisorona mandrakizay toa an'i Melkisedeka!”.

Ny Tompo eo an-kavananao *
mandripaka mpanjaka an-kavinirana.
Ilay Mpanjaka eo an-driaka eny an-dalana, *
mitraka fa avy nisotro.

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyMifalia ianao, ry zanaka- vavin'i Siôna; miravoravoa, ry zanakavavi n'i Jerosalema, aleloia.

SALAMO 113 A

Afaka tany Ejipta i Israely

Fantar o fa ianareo koa miala avy any Ejipta, rehefa mandà an'izao tontolo izao (Masindahy Augustin).

SasinyHo avy i Kristy Mpanjakantsika, ilay nolazain 'i Joany mialoha hoe Zanak 'ondry ho avy.

Fony i Israely niala an'i Ejipta, *
ka ny terak'i Jakôba nandao ny vahiny,
dia i Joda tonga toerany masina, *
i Israely zary fanjakàny.
Ny ranomasina nahita ka nandositra; *
i Jordany nanao dia mianòtra;
ny havoana nitroatra toa osilahy, *
ny vohitra koa toa zanak'ondry.

Ahoana no mandositra, ry ranomasina? *
no manao dia mianòtra ity Jordany?
no toa osilahy mitroatra itony havoana? *
no lasa zanak'ondry itony vohitra?

Ry tany, mangovita eo anoloan'ny Tompo, *
ilay Andriamanitr'i Jakôba,
Ilay manova ny vatolampy ho farihy, *
manova ny karao-bato ho loharano!

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyHo avy i Kristy Mpanjakantsika, ilay nolazain 'i Joany mialoha hoe Zanak 'ondry ho avy.

TONONKIRA APÔKALIPSA 19,1-7

Fampakaram-badin'ny Zanak'ondry

Aleloia!

SasinyIndro avy faingana Aho, hoy ny Tompo: efa eo am-pelatanako ny valy hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy.

An'ny Andriamanitray ny famonjena, †
Azy ny voninahitra sy ny hery: *
fa marina sy mahitsy ireo didim-pitsaràny.
Aleloia!

Aleloia!
Derao ny Andriamanitsika, ry mpanompony rehetra, *
ianareo matahotra Azy na ny lehibe na ny kely.
Aleloia!
Aleloia!
Efa manjaka ny Tompo, Ilay Andriamanitra mahefa: *
aoka isika hifaly sy hiravo, hanome voninahitra Azy!
Aleloia!

Aleloia!
Indro tonga ny Mpampakatra, avy ilay Zanak'ondry; *
ary ny Ampakarina dia indro efa vonona.
Aleloia!

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyIndro avy faingana Aho, hoy ny Tompo: efa eo am-pelatanako ny valy hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy.

Vakiteny Fohy

2 TESALÔNISIANINA 1, 6.7.10a

Rariny ao amin'Andriamanitra: ny hamaly fahoriana
an'izay mampahory anareo sy ny hanome fialan-tsasatra
anareo nampahorîna miaraka aminay kosa, rahatrizay
hiseho avy any an-danitra i Jesoa Tompo mbamin'ny
Anjelin' ny heriny, amin'ny andro hahatongavany, mba
hanomezam-boninahitra Azy eo amin'ny Olomasiny.

Valy fohy
V. Asehoy anay, ry Tompo, * ny famindram-ponao.
A. Ary omeo anay ny famonjena avy aminao.
*Ny famindram-ponao.
A. Voninahitra anie ho a n'ny Ray sy ny Zanaka sy ny
Fanahy Masina.
A. Asehoy anay, ry Tompo, * ny famindràm-ponao.

Tononkira araka ny Evanjely

SasinyAza matahotra, ry Maria, fa nahita sitraka tamin'ny Tompo ianao: indro hitoe-jaza ianao ka hiteraka Zazalahy, aleloia.

Tononkiran'i Maria (Lioka 1, 46-55)

Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, * mifaly amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko ;

fa nojerseny ny hamaendrehan'ny ankizivaviny : * ka hataon'ny taranaka rehetra hoe sambatra aho...

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina...

SasinyAza matahotra, ry Maria, fa nahita sitraka tamin'ny Tompo ianao: indro hitoe-jaza ianao ka hiteraka Zazalahy, aleloia.

Ranom-bavaka

I Jesoa Kristy Mpanavotra antsika no lalana sy fahamarinana ary fiainana; koa mitalahoa an-tanan-droa
aminy manao hoe: Avia, ry Tompo, mitoera eto aminay.

– Ry Jesoa Zanaky ny Avo Indrindra, nolazaina tamin'i
Maria tamin'ny alalan 'i Gabriely fa haka nofo Ianao:
*koa avia manjaka mandrakizay aminay vahoakanao.
– Ianao Masin 'A ndriamanitra, nampientan-kafaliana an '
ilay mpialoha lalana Anao tao an-kibon'i Elizabeta:
*koa avia hanome ny famonjena, hafaliana ho an 'izao
tontolo izao.
– Ny Anaranao, ry Jesoa Mpamonjy, efa nambaran ' ny
Anjely tamin'i Jôsefa lehilahy marina;
*koa avia, vonjeo ny vahoakanao ho afaka amin'ny
fahotana.
– Ianao fahazavan'izao tontolo izao, nandras an'i Simeô-
na sy ny olo-marina rehetra:
*koa avia hankahery anay sy hanafaka alahelo anay.
– Ianao Masoandro avy any Atsinanana tsy manam-pilentehana, nambaran'i Zakaria mialoha fa hamangy anay
avy any ambony:
*koa avia manazava ireo mitankizina ao amin'ny aloky
ny fahafatesana.

Rainay any an-danitra

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanin-kohaninay isan'andro, mamelà ny helokay tahaka ny ametrahanay ireo izay nanao ratsy taminay, ary aza avelanao ho lavo amin'ny fakam-panahy izahay, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amen.

Vavaka Famaranana

Vavaka any amin'ny Vaninandro manokana avy.

Ho tahin'ny Tompo anie isika, sy harovany amin'ny ratsy rehetra, ary hotarihiny ho any amin'ny fiainana mandrakizay. Amen.