Vavaka Hariva

Zoma faha-34 mandavan-taona

Zoma 27 Novambra 2026 · Herinandro II · Maitso · Andro tsotra

Hiverina

Fanaingana

A. Andininy · V. Valiny

A. Andriamanitra ô, avia ampio aho.
V. Tompo ô, faingàna hamonjy ahy.

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. *
Ho tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen. Aleloia.

Hira Fanombohana

Ry Andriamanitra nahary tongotra aman-tanana anay (Plasmator hominis Deus)

Ry Andriamanitra nahary tongotra aman-tanana anay
Ianao no nadahatra ny zavatra rehetra;
Niteny Ianao dia hary avokoa,
Ny biby mandady sy ny bibia isan-karazany.

Niteny indray Ianao, dia indro fa ny zavozavo,
No zary nitsirian’aina;
Ny biby nihamalemy paika,
Mba hanjaka ny olombelona aminy.

Mba lefaho toy izany koa re,
Ny fahotana mihaodihaody manodidina anay:
Mba tsy hanova ny fombanay,
Sy tsy handoto ny asanay.

Ny fiaina-tsambatra no atolory ho tamby,
Ny fahasoavanao no ataovy fanomezana,
Toneo ny fialonana tsy handoro anay,
Ampio izahay hampihatra ny fiadanana nianiananay.

Henoy izahay, ry Ray Tsara fo,
Sy Ianao Zanaka mitovy amin’ny Ray,
Ary koa Ianao, Fanahy Mpanala alahelo,
Izay miara-manjaka amin’ny taona rehetra. Amen.

Salamo sy Tononkira

SALAMO 114

Fisaorana sy fankasitrahana

Amim-piaretana fahoriana betsaka no tsy maintsy hidirantsika any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra (Asa 14,21).

SasinyTompo ô, afaho amin'ny fahafatesana ny aiko, afaho amin'izay mamingana ny tongotro.

zaho tia ny Tompo,*

fa mandre ny feoko Izy:
ny sofiny atongilany *
rehefa miantso aho.

Efa voarohin'ny fahafatesana aho, *
efa tao anaty haratony:
feno fahoriana sy alahelo *
no niantso ny Anaran'ny Tompo.

“O ry Tompo ô, hoy aho, *
mba vonjeo re ny aiko!”.
Ny Tompo antra sy marina, *
ny Andriamanitray mahay mangoraka:

Ny Tompo mpiaro ny olon-tsotra *
osa aho ka novonjeny!
Milamîna indray, ry aiko, *
fa ny Tompo no mpitahy anao.

Fa nanafaka ny aiko tamin'ny fahafatesana Izy,*
ny masoko tsy hitomany, ny tongotro tsy ho solafaka.
Izaho handeha eo anatrehan'ny Tompo,*
ho any amin'ny tanin'ny velona.

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyTompo ô, afaho amin'ny fahafatesana ny aiko, afaho amin'izay mamingana ny tongotro.

SALAMO 120

Ilay mpiambina ny vahoaka

Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo, ary tsy hampaninona azy na hainandro na zava-mandoro hafa (Apôkalipsa 7, 16).

SasinyNy fitahiana ahy dia avy amin'ny Tompo, Ilay nanao ny lanitra sy ny tany

Miandra any an-tendrombohitra aho *
mijery izay hiavian'ny fitahiana ahy.
Ny fitahiana ahy dia avy amin'ny Tompo, *
Ilay nanao ny lanitra sy ny tany!

Tsy havelany ho solafaka ny tongotrao; *
Ilay Mpiambina anao tsy hosokoin-tory.
Tsy mba matory na mba rendremana *
Ilay Mpiambina an 'i Israely.

Ny Tompo miambina anao lalandava: *
ianao alokalofan'ny tanany;
Tsy ho voan'ny masoandro raha antoandro, *
na ny volana amin'ny alina.
Ambenany amin'ny ratsy rehetra ianao: *
ny Tompo miambina ny ainao,
miambina anao mivoaka sy miditra *
hatrizao ka ho mandrakizay!

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyNy fitahiana ahy dia avy amin'ny Tompo, Ilay nanao ny lanitra sy ny tany

TONONKIRA APÔKALIPSA 15,3-4

Antsa fitsaohana

Marina Ianao, ry Tompo, izay ankehitriny sy taloha (Apôkalipsa 16,5).

SasinyMarina sy mahitsy ny lalanao, ry Mpanjakan'ny taona mandrakizay.

Lehibe sy mahagaga ny asanao, *
ry Tompo Andriamanitra mahefa;
marina sy mahitsy ny lalanao, *
ry ilay Mpanjakan'ny firenena!

Iza no tsy hatahotra Anao, ry Tompo, *
zovy no tsy hanome voninahitra ny Anaranao:
fa Ianao irery no ilay Masina, *
ka ny firenena rehetra dia ho avy

ary hiankohoka eo anoloanao, *

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyMarina sy mahitsy ny lalanao, ry Mpanjakan'ny taona mandrakizay.

Vakiteny Fohy

1 KÔRINTIANINA 2, 7-10a

Fahendren'Andriamanitra no torînay, dia fahendrena lalina tsy hita polopolorina, izay voatendrin'Andriamanitra
talohan'izao tontolo izao hampahazo voninahitra antsika;
ary tsy nisy nahatakatra izany ny mpanapak'izao tontolo
izao; satria raha mahalala izy, dia tsy ho namàntsika ny
Tompon'ny voninahitra tamin'ny Hazofijaliana. Fa izany
dia anisan'ireo zavatra voasoratra hoe: Zavatra mbola tsy
hitan'ny maso, na mbola ren'ny sofina, na mbola tafiditra
tao am-pon'ny olona velively no namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy; tamintsika no nanambaràn' Andriamanitra izany tamin'ny Fanahiny.

Valy fohy
V. Maty noho ny fahotantsika i Kristy, *Mba hanolorany
antsika amin'Andriamanitra. Maty...
A. Novonoina tamin'ny nofo Izy, fa novelomina tamin'
ny fanahy. *Mba hanolorany antsika amin'Andria -
manitra. Voninahitra... Maty...

Tononkira araka ny Evanjely

SasinyTsarovy, ry Tompo, ny famindram-ponao, araka

Tononkiran'i Maria (Lioka 1, 46-55)

Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, * mifaly amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko ;

fa nojerseny ny hamaendrehan'ny ankizivaviny : * ka hataon'ny taranaka rehetra hoe sambatra aho...

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina...

SasinyTsarovy, ry Tompo, ny famindram-ponao, araka

Ranom-bavaka

Ankalazao i Kristy Tompo, Izay mamaoka ny ranomason'ireo mitomany, fa be fitiavana sy be indrafo Izy, ka
italahoy amim-pitiavana manao hoe:
Amindrao fo izahay vahoakanao, ry Tompo.

– Ianao, ry Kristy Tompo, manafaka alahelo ny manetry tena;
*koa ataovy eo anatrehanao ny ranomason'ireo mahantra.
– Mba henoy ny tolokon'ireo miala aina, ry Andriamanitra mpamindra fo,
*ka hamangy azy sy hankahery azy anie ny Anjelinao.
– Enga anie ny voasesi-tany rehetra hahafantatra Anao Mpitsimbina, ho tafaverina an-tanindrazana ety an-tany,
*ary hiditra any an-tanindrazana any an-danitra amin'ny andro farany.
– Aoka ireo fadiranovana latsaka ao amin'ny fahotana,
*mba hilefitra amin'ny fitiavanao, ka hihavana Aminao sy amin'ny Fiangonanao.
– Mba vonjeo ireo havanay nodimandry, fa mora fo Ianao,
*mba hahazo ny fanavotana feno avy Aminao.

Rainay any an-danitra

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanin-kohaninay isan'andro, mamelà ny helokay tahaka ny ametrahanay ireo izay nanao ratsy taminay, ary aza avelanao ho lavo amin'ny fakam-panahy izahay, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amen.

Vavaka Famaranana

Andriamanitra ô, voaambara amin'ny fomba mahagaga eo amin'ny fanafintohinana avy amin'ny Hazofijaliana, ny fahendrenao tsy hay lazaina; koa enga anie izahay hahita ny voninahitra vokatry ny fijalian'ny Zanakao, ka tsy hitsahatra ny hahazo ny voninahitra ao amin'ny Hazofijaliany. Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka Aminao, ao amin'ny Fanahy Masina mandrakizay mandrakizay. Amen.

Ho tahin'ny Tompo anie isika, sy harovany amin'ny ratsy rehetra, ary hotarihiny ho any amin'ny fiainana mandrakizay. Amen.