Vavaka Antoandro

Alahady faha-1 amin'ny Fiaviana

Alahady 29 Novambra 2026 · Herinandro I · Volomparasy · Fankalazana

Hiverina

Fanaingana

A. Andininy · V. Valiny

A. Andriamanitra ô, avia ampio aho.
V. Tompo ô, faingàna hamonjy ahy.

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. *
Ho tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen. Aleloia.

Hira Fanombohana

Misandratra andro (Tierce - 9h) - Izao mba tongava, ry Fanahy Masina (tak. 153)

Izao mba tongava, ry Fanahy Masina,
Homban’ny Ray sy ny Zanany tokana,
Avia ka faingàna hanenika anay
Hirotsaka anatin’ny fonay rehetra.

Ny vava, ny lela, ny saina, ny hery:
Dia samy manamasina Anao avokoa,
Hirehi-pitiavana anie izahay
Hirehi-pitiavana koa ny havanay.

Ataovy mahalala ny Ray izahay,
Ataovy mahalala ny Zanany koa;
Ianao Fanahiny Masina kosa
Ataovy inoanay mandrakizay.

Mitatao vovonana (Sexte - 12h) - Ry Tompo Tsitoha Andriamanitra marina (tak. 153)

Ry Tompo Tsitoha Andriamanitra marina,
Mpandrindra mitondra ny zava-drehetra,
Mpandefa hazavana amin’ny andro maraina,
Ary koa hafanàna mitatao vovonana.

Ny afom-pialonana re mba vonoy,
Izay filan-dratsy mandoro esory;
Omeo ny farofy ny fahasalamana,
Fenoy fiadanana ny fonay rehetra.

Henoy izahay, ô ry Ray be fitia,
Ry Zanaka tena mitovy amin’ny Ray,
Ianao, ry Fanahy Mpanala alahelo,
Manjaka mandritra ny taona rehetra.

Tolaka andro (None - 15h) - Ry Hery sy Andrin’ny zava-drehetra (tak. 154)

Ry Hery sy Andrin’ny zava-drehetra
Izay sady tsy miova no tsy manam-petra
Ianao Zanahary nanao ny fotoana,
Ifandimbiasan’ny andro sy ny alina.

Mba ataovy azonay ilay hariva mazava
Izay misy fiainana tsy mety ho rava
Sy ilay voninahitra mandrakizay
Anjaran’izay masim-pahafatesana.

Henoy izahay, ô ry Ray be fitia,
Ry Zanaka tena mitovy amin’ny Ray
Ianao, ry Fanahy Mpanala alahelo
Manjaka mandritra ny taona rehetra.

Salamo sy Tononkira

SALAMO 117 I (1-9)

Feo fifaliana sy famonjena

Izy vato narian'ny mpanao trano no tonga vato fehizoro (Asa 4, 11).

SasinyTao an-katerena aho no niantso ny Tompo, ka nihaino ahy Izy, aleloia.

Derao ny Tompo fa tsara: *
eny, mandrakizay ny fitiavany!
Valion'i Israely manontolo: *
eny, mandrakizay ny fitiavany!

Valion'ny fokon'i Aarôna: *
eny, mandrakizay ny fitiavany!
Valion'ny matahotra ny Tompo: *
eny, mandrakizay ny fitiavany!

Tao an-katerena aho no niantso: *
ny Tompo namaly, nampahalalaka.
Tsy matahotra aho ombàn'ny Tompo: *
tsy hahavita inona izay olombelona!

Ny Tompo Mpanampy mahefa, *
ka ny mpankahala nobandriniko.
Aleoko mialoka amin'ny Tompo *
toy izay amin'olombelona;
aleo matoky ny Tompo *
toy izay matoky ireo mpifehy.

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyTao an-katerena aho no niantso ny Tompo, ka nihaino ahy Izy, aleloia.

SALAMO 117 II (10-18)

Feo fifaliana sy famonjena

Izy vato narian'ny mpanao trano no tonga vato fehizoro (Asa 4, 11).

SasinyNanandratra ahy ny tanan'ny Tompo, aleloia.

Nanodidina ahy ireo firenena; *
fa nasiako tamin'ny Anaran'ny Tompo;
nitangorona izy rehetra, nanarona ahy: *
fa nasiako tamin'ny Anaran'ny Tompo;

mova tsy ny fanenitra sy ny afon-tsilo: *
fa nasiako tamin'ny Anaran'ny Tompo!
Naronjiny aho mba ho lavo; *
ny Tompo kosa namonjy ahy.

Ny Tompo no heriko sy tanjako; *
Izy no Mpamonjy ahy.
Injao misy hobin-kafaliana manakoako *
ao amin'ny fonenan'ny olo-marina;

hoy ny antsa fandresena: *
“Ny tanan'ny Tompo naneho hery;
nanandratra ahy ny tanan'ny Tompo; *
ny tanan'ny Tompo naneho hery!”.

T
sy maty aho fa velona *
hitanisa ny asan'ny Tompo.
Nokapohiny tokoa moa aho; *
nefa tsy foiny ho faty.

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyNanandratra ahy ny tanan'ny Tompo, aleloia.

SALAMO 117 III (19-29)

Feo fifaliana sy famonjena

Izy vato narian'ny mpanao trano no tonga vato fehizoro (Asa 4, 11).

SasinyNanazava antsika Andriamanitra Tompo, aleloia.

Vohay ny vavahadin'ny fahamarinana *
hidirako hisaotra ny Tompo!
Inty ny vavahadin'ny Tompo, *
fidiran'ny olo-marina!

Misaotra Anao namaly ahy: *
Tenanao no tonga namonjy!
Ny vato narian'ny mpanao trano *
no indro tonga fehizoro;

ny Tompo no nanao izany: *
zava-mahagaga eo imasonay!
Izao ilay andro nataon'ny Tompo *
ho andro fifaliana sy firavoana.

Vonjeo re, ry Tompo ô, *
Tahio re, ry Tompo ô!
Amin'ny Anaran'ny Tompo *
hotahîna anie Ilay avy!

Izahay eto an-tranon'ny Tompo *
no mitso-drano anareo.
Ny Tompo no Andriamanitra; Izy no mpanazava *
Ireo mitondra sampan-kazo, aoka hanodidina ny alitara!
Ianao no Andriamanitro ka isaorako, *
Ianao no Andriamanitro ka asandratro.
Derao ny Tompo, fa tsara: *
eny, mandrakizay ny fitiavany!

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyNanazava antsika Andriamanitra Tompo, aleloia.

Rainay any an-danitra

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanin-kohaninay isan'andro, mamelà ny helokay tahaka ny ametrahanay ireo izay nanao ratsy taminay, ary aza avelanao ho lavo amin'ny fakam-panahy izahay, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amen.

Vavaka Famaranana

Mihanta Aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: herezo ny fonay mino Anao, mba ho masim-piainana izahay, hitsena an 'i Kristy ilay ho avy, ary ho
mendrika ho tonga eo anilany, hahazo ny Fanjak an'ny
lanitra. Ami n'ny alalan 'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka
Aminao, ao amin'ny Fanahy Masina, mandrakizay mandrakizay. Amen.

Ho tahin'ny Tompo anie isika, sy harovany amin'ny ratsy rehetra, ary hotarihiny ho any amin'ny fiainana mandrakizay. Amen.