Fanaingana
A. Andininy · V. Valiny
A. Andriamanitra ô, avia ampio aho.
V. Tompo ô, faingàna hamonjy ahy.
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. *
Ho tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen. Aleloia.
Hira Fanombohana
Misandratra andro (Tierce - 9h) - Izao mba tongava, ry Fanahy Masina (Nunc Sancte nobis Spiritus)
homban’ny Ray sy ny Zanany tokana;
avia, ka faingàna hanenika anay,
hirotsaka anatin’ny fonay rehetra.
Ny vava, ny lela, ny saina, ny hery,
dia samy manasina Anao avokoa;
hirehi-pitiavana anie izahay,
hirehi-pitiavana koa ny havanay.
Ataovy mahalala ny Ray izahay,
ataovy mahalala ny Zanany koa;
Ianao Fanahiny Masina kosa,
ataovy inoanay mandrakizay.
Mitatao vovonana (Sexte - 12h) - Ry Tompo Tsitoha, Andriamanitra marina (Rector potens, verax Deus)
Mpandrindra mitondra ny zava-drehetra,
Mpandefa hazavana amin’ny andro maraina
Ary koa hafanàna mitatao vovonana.
Ny afom-pialonana re mba vonoy,
Izay filàn-dratsy mandoro esory,
Omeo ny farofy ny fahsalamana,
Fenoy fiadanana ny fonay rehetra.
Mba henoy izahay, ô ry Ray be fitia,
Ry Zanaka tena mitovy amin’ny Ray,
Ianao, ry Fanahy Mpanala alahelo,
Manjaka mandritra ny taona rehetra. Amen.
Tolaka andro (None - 15h) - Ry hery sy andrin’ny zava-drehetra (Rerum Deus tenax vigor)
Izay sady tsy miova no tsy manam-petra,
Ianao Zanahary nanao ny fotoana,
Fifandimbiasan’ny andro sy ny alina
Mba ataovy azonay ilay hariva mazava,
Izay misy fiainana tsy mety rava
Sy ilay voninahitra mandrakizay
Anjaran’izay masim-pahafatesana.
Mba henoy izahay, ô ry Ray be fitia,
Ry Zanaka tena mitovy amin’ny Ray,
Ianao, ry Fanahy Mpanala alahelo,
Manjaka mandritra ny taona rehetra. Amen.
Salamo sy Tononkira
SALAMO 118 XI (81-88) (KAF)
Fandinihana ny Tenin'ny Tompo ao amin'ny lalàny
Reraka aho maniry ny famonjenao:*
ny Teninao no antenaiko;
valalanina ny masoko miandry ny Teninao:*
rahoviana Ianao no hampionona ahy?
Zary siny hoditra mainan'ny setroka aho,*
nefa tsy hadinoko ny didinao.
Mbola ho ela ho toy izao va ity mpanomponao?*
rahoviana ny mpanenjika ahy no hotsarainao?
Mihady longoa hianjeràko ny mpiavona,*
tsy miraharaha izay lalànao izy.
Fahamarinana avokoa ny baikonao;*
vonjeo aho fa enjehina ambony ihany.
Kely foana dia levony eto an-tany aho,*
fa izaho tsy mandao ny lahatrao.
Noho ny fitiavanao, velomy aho *
hitandremako ny fanambaràn'ny vavanao.
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.
SALAMO 60
Vavaky ny voasesi-tany
Vavaky ny olo-marina manantena ny mandrakizay (Masindahy Hilaire).
Henoy ny antsoko, ry Andriamanitra; *
aoka ho tandrinao ny fivàvako.
Aty an-tSeoly aho no miantso: *
reraka loatra ny foko!
Akaro avy aty aho, *
apetraho ambony vatolampy:
fa Ianao no ifefeko, *
trano fialofako amin'ny fahavalo.
Hitoetra ao an-dainao mandrakizay aho, *
hifefy sy hiery ao ambany elatrao:
fa Ianao, ry Andriamanitra ô, *
mihaino ny voadiko hatrany;
ny matahotra ny Anaranao *
dia omenao izay irîny.
Ampio andro ny andron'ny mpanjaka, *
ho arivo tratry ny taona izy,
hifehy mandrakizay eo anoloanao, *
harovan'ny fitiavanao sy ny fahamarinanao!
Ary izaho hiantsa ny Anaranao mandrakizay, *
hanefa ny voadiko isan 'andro mihiratra.
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.
SALAMO 63
Vavaka hanoherana ny fahavalo
Ny fijalian'ny Tompo no ambara indrindra amin'ity Salamo ity (Masindahy Augustin).
Henoy, ry Andriamanitra, ny feoko mitaraina;*
ny aiko arovy amin'ny fahavalo mahatahotra;
izaho afeno amin'ny mpisompatra mioko *
Ranitiny ho toy ny sabatra ny lelany, *
teny mangidy no zana-tsipîka alefany:
miafina izy mikendry ny olo-mahitsy, *
dia mitifitra tampoka, tsy miahotrahotra.
Mifanome fo izy hanao ratsy, *
mifampidinika hamela-pandrika:
“Zovy, hoy izy, no hahita antsika? *
iza no hahalala ny an-karo-miafina?”.
Ny Tompo mahita sy mahalala *
hatramin'ny ao am-po lalina indrindra!
Koa indreo izy voatifotr'Andriamanitra, *
voan'ny zana-tsipîka tsy ampoizina;
ny natao ihany no manody, *
ny lela ihany no maningotra ny tena.
Izay rehetra mahita, mihifi-doha;*
ny olona rehetra dia raiki-tahotra,
ka manao antso avo ny asan'Andriamanitra *
sy mankalaza ny zava-bitany.
Mifaly ao amin'ny Tompo ny olo-marina; *
mifampiarahaba ny olo-mahitsy.
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.
Rainay any an-danitra
Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanin-kohaninay isan'andro, mamelà ny helokay tahaka ny ametrahanay ireo izay nanao ratsy taminay, ary aza avelanao ho lavo amin'ny fakam-panahy izahay, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amen.
Vavaka Famaranana
Mihanta Aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavana, ka hahitanay fitahiana bebe kokoa, avy amin'ny hatsaram-ponao. Amin'ny alalan'i J.K.Z.T.
Ho tahin'ny Tompo anie isika, sy harovany amin'ny ratsy rehetra, ary hotarihiny ho any amin'ny fiainana mandrakizay. Amen.