Fanaingana
A. Andininy · V. Valiny
A. Andriamanitra ô, avia ampio aho.
V. Tompo ô, faingàna hamonjy ahy.
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. *
Ho tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen. Aleloia.
Hira Fanombohana
Misandratra andro (Tierce - 9h) - Izao mba tongava, ry Fanahy Masina (Nunc Sancte nobis Spiritus)
homban’ny Ray sy ny Zanany tokana;
avia, ka faingàna hanenika anay,
hirotsaka anatin’ny fonay rehetra.
Ny vava, ny lela, ny saina, ny hery,
dia samy manasina Anao avokoa;
hirehi-pitiavana anie izahay,
hirehi-pitiavana koa ny havanay.
Ataovy mahalala ny Ray izahay,
ataovy mahalala ny Zanany koa;
Ianao Fanahiny Masina kosa,
ataovy inoanay mandrakizay.
Mitatao vovonana (Sexte - 12h) - Ry Tompo Tsitoha, Andriamanitra marina (Rector potens, verax Deus)
Mpandrindra mitondra ny zava-drehetra,
Mpandefa hazavana amin’ny andro maraina
Ary koa hafanàna mitatao vovonana.
Ny afom-pialonana re mba vonoy,
Izay filàn-dratsy mandoro esory,
Omeo ny farofy ny fahsalamana,
Fenoy fiadanana ny fonay rehetra.
Mba henoy izahay, ô ry Ray be fitia,
Ry Zanaka tena mitovy amin’ny Ray,
Ianao, ry Fanahy Mpanala alahelo,
Manjaka mandritra ny taona rehetra. Amen.
Tolaka andro (None - 15h) - Ry hery sy andrin’ny zava-drehetra (Rerum Deus tenax vigor)
Izay sady tsy miova no tsy manam-petra,
Ianao Zanahary nanao ny fotoana,
Fifandimbiasan’ny andro sy ny alina
Mba ataovy azonay ilay hariva mazava,
Izay misy fiainana tsy mety rava
Sy ilay voninahitra mandrakizay
Anjaran’izay masim-pahafatesana.
Mba henoy izahay, ô ry Ray be fitia,
Ry Zanaka tena mitovy amin’ny Ray,
Ianao, ry Fanahy Mpanala alahelo,
Manjaka mandritra ny taona rehetra. Amen.
Salamo sy Tononkira
SALAMO 118 X (73-80) (IÔD)
Fandinihana ny Tenin'ny Tompo ao amin'ny lalàny
Nanao ahy sy namboatra ahy ny tananao:*
omeo saina aho hianarako ny baikonao.
Hifaly izay matahotra Anao mahita ahy,*
satria izaho manantena ny Teninao.
Ny fitsarànao, ry Tompo, fantatro fa rariny;*
marina ny Anao mampahory ahy.
Hampionona ahy anie ny fitiavanao,*
araka ny Teninao tamin'ny mpanomponao.
Ny indrafonao haninteraka ahy sy hamelona,*
satria ny lalànao no firavoako.
Ho menatra ny mpiavona mampahory,*
fa izaho mibitsika ny lahatrao.
Aoka hitodika ahy izay matahotra Anao,*
dia ho fantany ireo fanambarànao.
Ny foko manontolo anie ho amin'ny didinao,*
dia tsy ho menatra intsony aho.
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.
SALAMO 58, 2-5. 10-11. 17 -18
Vavaka hanoherana an'ireo mpanohitra
Ireto tenin'ny Mpamonjy ireto dia mampianatra ny olona rehetra ny fitiavana ny Rainy (Eusèbe Evekan'i Sezarea).
Afaho amin'ny rafiko aho, Andriamanitro ô,*
arovy amin'ireo mpamely ahy,
vonjeo amin'ny mpanao ratsy *
sy amin'izay mikasa hamono.
Indreo izy mamela-pandrika; *
olo-mahery no mijoko ahy.
Tsy heloko, tsy otako, ry Tompo ô, *
nefa izy vonona hanàmpoka!
Ianao heriko no andrandraiko, *
Andriamanitra Fiarovana-Avo ho ahy.
Andriamanitra tia ka mitsena ahy: *
hahafahako misetra ny rafiko.
Izaho hihira ny herinao, ry Tompo, *
hihoby vao maraina ny fitiavanao,
Ianao ilay Fiarovana-Avo ho ahy, *
fialofana amin'ny andro fahoriana.
Ry heriko ô, Ianao no antsaiko, *
Andriamanitra Fiarovana-Avo ho ahy,
Andriamanitra tia ka mitsena ahy:*
hahafahako misetra ny rafiko.
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.
SALAMO 59
Vavaka rehefa avy nolalovan'ny manjo
Ho zoim-pahoriana ianareo eto amin'izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an'izao tontolo izao Aho (Joany 16, 33).
arianao izahay, nahahakao, Andriamanitra ô!*
Tezitra Ianao ka nihataka lavitra.
Nohetsehinao ny tany ka mitresaka:*
koa amboary re fa mihotsaka!
Nataonao nahita ny mafy ny olonao,*
izahay nomenao fisotro mahafanina;
ny matahotra Anao notoloranao faneva:*
hay hiambohóany arahin-tsipîka!
Mba hahàfaka ny malalanao,*
ny tanana ahinjiro, henoy izahay!
Ao an-toerana masina, miteny Andriamanitra:*
“Endrey ny hafaliako, hoy Izy,
fa i Sikema baboiko,*
ny lohasahan'i Sokôta ahóroko.
Ahy i Galaada, i Manase ahy koa;*
i Efraima fiaro lohako,
i Joda tehim-piandrianako,*
i Môaba tavy fisasàko;
i Edôma anipazako kapa,*
i Filistia mandre ny akoran'adiko!”.
Iza no hitondra ahy an-tanàna mafy?*
zovy no hampiditra ahy anivon'i Edôma?
Moa tsy ilay Andriamanitra nanary anay,*
Ianao tsy mitarika ny tafikay intsony?
Vonjeo amin'ilay rafy izahay,*
fa ny olombelona tsy afa-mamonjy.
Andriamanitra no hahefanay zava-baventy:*
Izy no hanitsaka ny rafinay.
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.
Rainay any an-danitra
Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanin-kohaninay isan'andro, mamelà ny helokay tahaka ny ametrahanay ireo izay nanao ratsy taminay, ary aza avelanao ho lavo amin'ny fakam-panahy izahay, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amen.
Vavaka Famaranana
Mihanta Aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavana, ka hahitanay fitahiana bebe kokoa, avy amin'ny hatsaram-ponao. Amin'ny alalan'i J.K.Z.T.
Ho tahin'ny Tompo anie isika, sy harovany amin'ny ratsy rehetra, ary hotarihiny ho any amin'ny fiainana mandrakizay. Amen.