Ity vavaka ity dia azo lazaina ho famintinana ny toe-panahin'ny olona iray votom-pinoana ka afaka mivavaka marina tokoa amin'ny Fanahy sy Fahamarinana :
Vavaka famaranana ny andro izy ity
(Azo jerena ao amin'ny tohiny ny dikan-teny niaviany; ny sora-mandry dia fanazavana hanampy hampahazo ny hevitry ny antsa):
Ry Tompo o! Akimpio ny masoko
Mba hahita indray ireo zava-mahagaga vitanao
Ka amin'izao andro efa mandrorona izao,
Meteza ianao hampiposaka hazavana vao indray
Hamirapiratra ao anatin'ny alina.
Tsy mety hahita ny fahasoavana azontsika avy amin'Andriamanitra isika raha toa ka mbola variana amin'ny zavatra ivelany ny masontsika. Mila mikimpy ny maso mba hahatsapa fa tsy ny hitany na izay ezaka nataontsika no nampamokatra ny zavatra nisasarana fa ny fahasoavany irery ihany.
Izay no mahatonga ny mpino hahatoky mandrakariva na dia tonga haizina sy tsy misy fanantenana aza ny fiainana : Izy ilay mampitsimoka ny voa rehefa matory ny mpamafy...
Enga anie ny fahanginana manodidina ahy
Hankahery ahy amin'ny halemen'ny finoako
Reko manakoako ao anatiko ao manko
Ireo Teny izay naloaky ny vavanao.
Raha mbola maheno ny tabataban'ny tontolo manodidina isika tsy afaka ny haheno ny tenin'Andriamanitra izay mibitsika ao anatin'ny mangina. Ny fahanginana no manampy antsika haheno sy hampiditra ao anaty ny tenin'Andriamanitra.
Ry Tompo o! Raha mbola miposaka ny andro
Dia hatolotro anao ny fanahiko
Ampy ho ahy ny fahasoavanao
Ka izy ihany no italahoako aminao.
Ny fanantenana ny ampitso vaovao dia apetraka mandrakariva eo ampelatanan'Andriamanitra. manampy antsika be dia be kosa tsy hioha-pefy ny hafatr'i Ignace tany Loyola hoe : "rehefa miasa ianao dia hevero ho miankina aminao ny zava-drehetra... rehefa mivavaka hevero ho miankina main'Andriamanitra avokoa..."
Ferme mes yeux pour revoir tes merveilles
En ce moment que le jour fuit!
Allume dans la nuit
Une clarté nouvelle!
Que le silence alentour me console
De la faiblesse de ma foi,
Puisque j'écoute en moi
Rèsonner ta parole!
Jusqu'à demain si se lève l'aurore,
Je t'abandonne mon esprit !
Ta grace me suffit,
C'est elle que j'implore. P 127
(Antsa amin'ny vavaka famaranana ny andro PTP frantsay)