Vavaka hariva

FIVAVAHANA HARIVA

Fanahy Masina, midina ao anatinay, tsilovy amin’ny fahazavanao izahay, ary ampireheto ao am-ponay ny fitiavana anao.

Andriamanitra, mino aho fa Ianao eto mahita ahy. Mitsaoka Anao aho sy misaotra Anao amin'ny zavatsoa nomenao ahy. Mifona Aminao, esory amin'ny fahotako rehetra aho, noho ny soa nataon'i Jesoa Kristy  Mpanavotra ahy, ka tahio aho tsy hanao ratsy amin'ity alina ity.

Finoana

Andriamanitra, izaho mino mafy ny teny rehetra inoan’ny Eglizy masina Katôlika rômanina sy ampianariny anay, fa Ianao no nanambara izany taminy.

Fanantenana

Andriamanitra, izao miankina amin’ny teninao sy amin’ny soa nataon’i Jesoa Kristy, ka manantena ny fitahianao ety an-tany sy ny fahafinaretana any an-danitra aho, raha manaraka ny didinao.

Fitiavana

Andriamanitra, izaho tia Anao amin’ny foko manontolo, ambonin’ny zavatra rehetra, satria tsara indrindra Ianao ka tokony ho tiana indrindra, izaho tia ny namako tahaka ny tenako noho ny fitiavako Anao.

 

Andriamanitra, mpitsara lehibe ny olona, be ny indrafonao, ka tsy tia ny hahaverezan’ny mpanota ianao, fa maniry azy hanao asa fivalozana hanafaka azy amin’ny fitsaranao ; koa inty aho manetry tena manantona Anao, mba hifona aminao amin’ny ratsy nataoko androany. Andriamanitra, hazavao ny saiko hahafantarako ny fahotana rehetra nataoko, ary ampalahelovy amin’izany ny foko hankahalako azy mafy.

FANENENANA   -    FIAMPANGAN-TENA

Andriamanitra, omeo ny fahasoavanao ny havako, ny mpanao soa ahy, ny sakaizako sy ny fahavaloko. Vonjeo ny mahantra, ny marary sy ny miala aina ; tariho ho ao amin’ny Eglizinao ny olona mivavaka aminao amin’ny fo mahitsy ; ampivalozy ny mpanota ary tsilovy ny tsy mino. Andriamanitra, afaho ny fanahin’ny olo-marina mbola ao amin’ny afo fandiovana, ka omeo fiadanana mandrakizay izy.

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, mba topazo maso antra izahay fa mijaly, ka hamaivano ny fahoriana mitambesatra aminay, ary hamafiso ny finoanay zanakao, mba hatoky marina izahay fa Rainay Ianao miaro anay mandrakariva. Amin’ny alalan’I Kristy Tomponay. Amen.

Andriamanitra ô, Ianao no Ray aman-dreny mpanome ny soa rehetra, nahazoanay izay anananay sy izay toetra tsara ao aminay ; koa ampianaro izahay hankasitraka ny soa nomenao be fitia, ary hisaotra Anao amin’ny fonay tokoa sy amin’ny herinay rehetra.Amin’ny alalan’I Kristy Tomponay.

Ry Jesoa Tompo Zanak’Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko fa mpanota aho !

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0594