Vavaka Aorian'ny Fandraisana ny Komonio Masina


FITSAHONA

Jesoa Mpamonjiko, mitsaoka Anao izay efa tonga ato anatin'ny foko Aho ary manaiky Anao ho tompoko sy mpanjakako sy manome Anao ny tenako manontolo.

 

FISAORANA

Jesoa Mpamonjiko, misaotra Anao inarivo inarivo aho noho ny fahasoavana mahagaga nomenao ahy noho ny nidiranao ato anatin'ny foko aminy Komonio masina.

 

FANOLORANA

Jesoa Mpamonjiko, sambatra loatra aho ankehitriny fa manan’Anao ato am-poko, koa atolotro Anao ny foko sy ny vatako ary ny fanahiko mbamin'ny tenako manontolo.

 

FANGATAHANA

Jesoa Mpamonjiko, mba omeo ahy ny zavatra rehetra ilain'ny fanahiko sy ny vatako amin'ny fiainana ankehitriny sy amin'ny fiainana mandrakizay.

 

FIKASANA TSARA

Jesoa Mpamonjiko, aleoko maty toy izay mandroaka Anao hiala amin'ny foko indray, fa efa sambatra loatra aho mandray Anao ato anatin'ny foko amin'ny Komonio masina.





Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1517