Vavaka Alohan'ny Fandraisana ny Komonio Masina

Nampiditra : Belle
Daty : 04/07/2007

FINOANA

Jesoa Mpamonjiko, mino mafy aho fa ny vatanao sy ny ranao sy ny fanahinao ary ny fomban’Andriamanitra ao Aminao no efa horaisiko amin’ny Komonio, Andriamanitra mino izany aho fa Ianao ihany no nilaza.

 

FANANTENANA

Jesoa Mpamonjiko, manantena aho fa rehefa mandray Anao ato am-poko amin’ny Komonio masina, dia omenao ahy ny fahasoavanao sy ho raisinao any an-danitra aho amin’ny andro ho avy.

 

FITIAVANA

Jesoa Mpamonjiko, be loatra ny fitiavanao ahy fa efa omenao ahy ny tenanao manontolo, koa tahio aho mba hanomezako Anao ny tenako manontolo ary mba itiavako Anao irery mandrakizay.

 

FANETRE-TENA

Jesoa Mpamonjiko, tsy mendrika ny hidiranao ato anatin’ny foko aho fa manonona teny iray ihany dia ho sitrana ny fanahiko.

 

FANENENANA

Andriamanitra Tompoko, malahelo mafy amin’ny ratsy nataoko Taminao aho satria Ianao tsara indrindra ka tokony ho tiana indrindra, ary Ianao tsy tia ny ratsy, manampo tsy hanao ratsy Aminao intsony aho sy hanao asa fivalozana ho fitahianao ahy.

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.1945 s.] - Hanohana anay