Simbolin'ny Apostoly

 

 

Izaho mino an'Andriamanitra, Ray mahefa ny zavatra rehetra, nahary ny lanitra sy ny tany.

 

Izaho mino an'i Jesoa Kristy, Zanany tokana Tompontsika ; noforonin'ny Fanahy Masina, naterak'i Maria Virjiny ; nijaly faha-Pontsy Pilaty, nofantsihana tamin'ny hazofijaliana, maty dia nalevina ; nidina tany ambanin'ny tany ; nitsangan-ko velona tamin'yn andro fahatelo ; niakatra any an-danitra, mipetraka eo ankavan'Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra, avy any Izy mbola ho avy hitsara ny velona sy ny maty.

 

Izaho mino ny Fanahy Masina, ny Eglizy masina Katolika, ny fiombonan'ny Olomasina, ny fanalana ny ota, ny hitsanganan'ny vatantsika ho velona, ary ny fiainana mandrakizay.

 

Amen.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0882