Vavaky ny JMJ Mada 8, Fianarantsoa 15-20 septambra 2015

Ry Andriamanitra Ray ô, misaotra anao izahay ;
Noho ny JMJ mampiombona anay
Mankasitraka anao indrindra koa ;
Nanome an’i Md Joany paoly II,
Izay angady nananana sy vy nahitana,
Ny “Andro maneran-tanin’ny tanora”,
Sy Masimbavy Terezin’i Jesoa Zazakely
Mpamangy anay, tsy manadino velively.

Natolotry ny Papa Fransoà,
Ray aman-dReninay, mpanomponao,
Hiainan’ny tanora manerana ny tany,
Amin’ity taona 2015 ity,
Ny tenin-janakao, fanilo ho anay hoe:
“Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra”.
Atolotray anao ny fonay, ka diovy.
Apetrakay eo am-pelatananao indray
Ity JMJ faha-8 eto aminay ity
Fa haren’ny Fiangonana sy ain’ny Firenena.

Rotsahy ny Fanahinao Masina ny isan-tanàna,
Afaho amin’ny fatorana ataon’i Satàna,
Herezo tsy ho lavon’ny fakam-panahy,
Handry fahalemana tsy hisy manahy.

Iraho izahay hiaina am-pinoana,
Sy Fanantenana, ary Fitiavana marina,
Ny hazofijaliana namonjenao anay,
Hampivoatra ny tontolom-piainanay,
Hijoro amin’ny marina hatraiza hatraiza,
Handàla fihavanana sy hifampitaiza,
Hanaja ny aina sy ny zo maha-olona,
Ary ny soa iombonana.

Miaraka amin’i Masina Maria Reninay, Kintan’ny Fanantenana,
Amin'ny alalan'ny Jesoa Tomponay no angatahanay izany.
AMEN.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0589