VAVAKA HO AN'NY TAON-JOBILIN'NY FAMINDRAMPON'ANDRIAMANITRA

Ry Jesoa Kristy Tompo o,
Ianao no nampianatra anay hahay mamindra fo tahaka ny Ray any an-danitra,
Ary nilaza taminay fa izay mahita Anao dia mahita ny Ray,
Asehoy anay ny endrikao dia ho voavonjy izahay.
Ny topimasonao feno fitiavana no nanafaka an'i Zakeo sy i Matio tamin'ny fanandevozan'ny vola, nanafaka an'ilay vehivavy ratsy fitondran-tena sy i Madalenina tamin'ny fikatsaham-pahasambarana amin'ny zavaboahary fotsiny, nataonao nitomany i Piera, taorian'ny nandavany Anao, ary nampanantenainao an'ilay jiolahy nivalo ny paradisa.
Mba ataovy renay tsirairay avy toy ny miantefa aminay ny teny nolazainao an'ilay vehivavy Samaritanina manao hoe "Raha mba fantatrao manko ny fanomezan'Andriamanitra!"


Fa Ianao no endrika hita maso maneho ny Ray tsy hita maso, Ianao no endrik'ilay Andriamanitra maneho ny fahefany tsitoha amin'ny alalan'ny famelan-keloka sy ny famindrampo, koa enga anie ny Fiangonana mba ho endrika hita maso eo anivon'izao tontolo izao dia Ianao ilay Tompony tafatsangan-ko velona amim-boninahitra.
Fa sitrakao hisalotra fahalemena ihany koa ireo mpanomponao mba hahaizany mangoraka marina an'reo izay ao anatin'ny tsy fahalalana sy ny hevi-diso koa na iza na iza manatona ny iray amin'izy reo dia mba ataovy mahatsapa fa efa nandrasan'Andriamanitra izy ary tiany sy navelany heloka.


Iraho ny Fanahinao ary hamasino amin'ny fanosorana avy aminy izahay rehetra mba ho taom-pahasoavana avy amin'ny Tompo anie izao Taon-Jaobilin'ny Famindrampon'Andriamanitra izao ary mba ho hafanam-po vaovao anie no ho entin'ny Fiangonana mitory ny Vaovao Mahafaly amin'ny mahantra, mitory ny fahafahana amin'ny voafonja sy amin'ny ireo iharan'ny tsindry hazolena ary manambara amin'ny jamba fa hahiratra indray izy ireo. 
Amin'ny alalan'i Maria, Renin'ny Famindrampo no angatahanay izany aminao fa Ianao velona sy manjaka miaraka amin'ny Ray sy ny Fanahy Masina, amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen

Hevitra mandeha

tojosoft1 ( 22/02/2016 09:19)
Miarahaba,
Nanao io vavaka io tao am-piangonana izahay dia notebahin'ny Pr Cure fa hoe tsy izy hono io fa le ray tsotsotra no nifanarahana eto @ diosezy. Inona no tena izy?
tatiezzah ( 25/07/2016 13:44)

Vavaka mitovy foto-kevitra ilay izy fa tsy tokony asiana olana. Ka rehefa mivory ny filan-kevitra Pastoraly dia tokony midinika izay tiana hiombonana. Ny anay manokana aloha dia io e!

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112