Vavaka (hasivianandro) ho an'ny fiantsoan'Andriamanitra

Ry Jesoa Mpiandry mandrakizay ny olombelona rehetra, mitsaoka Anao izahay.

Velona mandrakariva eto aminay amin'ny alalan'ny Eokaristia Ianao. Fahananao ny andian'ondrinao, arovanao ary tarihinao ho amin'ny vala masina izy. Tsy ny mofo ihany no ivelomanay fa ny tenin'ny fahamarinana sy ny fitiavana koa. Ny ondrinao mandre ny feonao ka manaraka anao ampitiavana. Tariho ho amin'ny fahamarinanao ny olona rehetra. Ataovy mandre ny antsonao ny tanora ka hahay hanavaka ny feonao ary hamaly tsy am-pisalasalana ka hanaraka Anao. Ampitomboy sy hamasino ireo voantso hanara-dia Anao. Aoka hihamaro ny mpitory teny, ny katesista, ny pretra, ny relijiozy. Omeo anay ny fahasoavana hahay mihaino sy mivelona ny Teninao mba hamokarany ao am-ponay. Ary ny angatahinay manokana amin'izao fotoana izao dia... (tononina eto ny fahasoavana angatahina)

Mitenena ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao.

Ry Jesoa Mpiandry ondry tsara, mamindrà fo aminay.

Rainay...

Arahaba, ry Maria...

Voninahitra anie...

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102