Vavaka fangatahana fandriampahalemana

Nampiditra : Elisabeth
Daty : 10/06/2013

Ry Andriamanitra Rain'ny famindram-po ô

Noharianao ho iray fianakaviana aminao izahay

ary tsimbininao hatrany hiadana sy ho finaritra

Tsy nahay namaly fitia anefa izahay, indrisy,

fa nanalavitra Anao ka latsaka an-katerena

Very fanahy mbola velona ka zohim-pahoriana;

Rotidrotiky ny fialonana sy ny fitiavan-tena ny fiaraha-monina

Mijaly sy misara-bazana ny fianakaviana

Revo ao anatin'ny herisetra sy ny zava-mahadomelina ny tanora maro

Ny mpanararaotra izao andro sarotra iainanay izao

mamitaka sy mandainga, ary mahavatra mandatsa-drà aza.

Mitodika aminao anefa izahay ry Ray ô, ka mifona ary avelao ny helokay.

Ahirato ny sainay hahalala ny rariny sy ny hitsiny antoky ny fandriam-pahalemana

Amparo ny tànanay hifandray amin'ny hafa, hampanjaka ny fihavanana

Sokafy ny fonay hahay hitia na dia ny fahavalonay aza

Hazavao ny fiaraha-monina misy anay, hahay handray Anao ho fihavanana

Rotsahy ny tso-dranonao ny fiainanay; omeo ny fanahinao hiady amin'ny ratsy.

Miaraka amin'i Masina Maria Renin'i Jesoa sady Reninay, Mpanjakavavin'ny fiadanana izahay

no mitalaho izany aminao. Amen

 

 

 

 

 

 

 

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0248 s.] - Hanohana anay