Ry Fanahin'i Jesoa

         Ry Fanahin'i Jesoa

Ry Fanahin'i Jesoa, hamasino aho.
Ry vatan'i Jesoa, vonjeo aho.
Ry ran'i Jesoa, etsaho aho.
Ry rano nivoaka ny lanivoan'i Jesoa, sasao aho.
Ry fijalian'i Jesoa, herezo aho.
Ry Jesoa tsara fo, henoy aho.
Afeno ao anatin'ny ferinao aho.
Aza avela hisaraka aminao aho.
Arovy amin'ny hasomparan'ny fahavalo aho.
Antsoy amin'ny andro hahafatesako aho.
Ary asaovy mankany aminao aho.
Mba hiara-mankalaza Anao amin'ny Olomasina.
Mandrakizay.Amen.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107