Litanian'i Md. Josefa

Tompo ô, mamindrà fo aminay,

Kristy ô, mamindrà fo aminay, 

Tompo ô, mamindrà fo aminay, 

Kristy ô, henoy izahay,

Kristy ô, ekeo ny fangatahanay,

Andriamanitra Ray any an-danitra, mamindrà fo aminay, 

Andriamanitra Zanaka Mpanavotra ny olona, mamindrà fo aminay,

Andriamanitra Fanahy Masina, mamindrà fo aminay, 

Andriamanitra tokana Olona telo, mamindrà fo aminay, 

Masina Maria ô, mivavaha ho anay,

Masindahy Josefa ô,

Vadin'ny Renin'Andriamanitra,

Mpitandrina madion'i Maria Virjiny, 

Ray mpitaiza ny Zanak'Andriamanitra, 

Mpiaro mazoto an'i Jesoa Kristy 

Lohan'ny Fianakaviana masina,

Josefa marina indrindra, 

Josefa madio indrindra, 

Josefa malina indrindra, 

Josefa mahery fo indrindra,

Josefa nanaiky indrindra,

Josefa nahatoky indrindra, 

Fitaratry ny fandeferana, 

Be fitiavana ny fahantrana, 

Fakàn'ny mpiasa tahaka, 

Oha-pitondran-tenan' ny fianakaviana, 

Mpiambina ny Virjiny,

Kiadin'ny fianakaviana,

Fanalana alahelo ny ory, 

Fanantenan'ny marary, 

Mpiaro ny miala aina, 

Mpampitahotra ny demony, 

Mpiaro ny Eglizy masina,

Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra, izay manala ny fahotan' izao tontolo izao, 

hadinoy ny fahotanay, ry Tompo. 

Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra, izay manata ny fahotan' izao tontolo izao, 

ekeo ny fangatahanay, ry Tompo. 

Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra, izay manala ny fahotan' izao tontolo izao, 

mamindrà fo aminay, ry Tompo.

Natsangany ho tompon'ny tranony izy.

Sy ho mpanapaka amin'ny fananany rehetra. 

Aoka isika hivavaka

Andriamanitra ô, mahagaga tokoa ny fitondranao ny zavatra rehetra, ka nifidy an'i Md Josefa Ianao ho Vadin'ny Reninao masina. Koa mihanta aminao izahay: aoka ny fanananay azy ho mpiaro eto an-tany mba hahamendrika anay hanana azy ho mpivavaka ho anay any an-danitra, Fa ianao velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.

Hevitra mandeha

Zoangela ( 10 andro lasa)
AMEN

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0645