Lalan'ny Hazofijaliana (Litorjia)

Vavaka eo anoloan 'ny ôtely lehibe

Ry kristianina havana, manetre tena, mandiniha, fa i Jesoa ilay tsy manan-tsiny dia voaheloka ho faty, hamonjy antsika.

Amin'izao fanompoam-pivavahana izao no hahitantsika ny nataon'ilay Zanak'Andriamanitra hampisehoany ny fitiavany antsika.

Mpitarika:  Ry Jesoa Andriamanitra ô, tonga eto izahay mba handinika ny Lalan'ny      Hazofijalianao; hanara-dia Anao Mpiandry ondry tsara izahay, fa Ianao nahafoy ny ainao ho an'ny ondrinao, ho an'ny tenanay.

Vahoaka :  Ampio izahay amin'izao fandinihana masina izao.

Mpitarika:   Diovy ny fonay ary herezo mba hazava lalandava eo imasonay ny nataonao; ho henonay ny anatrao, ary mba hotanterahinay isanandro ny adidinay.

Vahoaka :    Mba ho mendrika ny fanjakanao izahay!

Mpitarika: Ry Masina Maria, Reny be alahelo ô, ianao no voalohan' ny voaavotra!

Vahoaka :   Mitalahoa amin'ny Zanakao mba hamindra fo Izy.

1. I JESOA HELOHINA HO FATY

Mpitarika:  Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.

Vahoaka :   Fa lanao nanavotra ny olombelona tamin'ny Hazofijalianao masina.

Teo anatrehan’ny pilaty ny vahoaka nosoavin’i Jesoa, dia nivadika taminy ka nangataka handefasana an’i Barabasy jiolahy.

Fa i Jesoa zokintsika, ilay Tompo zanahary dia nolazain’ny vahoaka sy ilay mpitsara fa mendrika ho faty.

Mpitarika:   Indro i Jesoa voakapoka, nosatrohina fehiloha tsilo, nijoro teo anatrehan'i Pilaty sy ny vahoaka Jody ny Tenany no nisolo heloka antsika rehetra. Fa hoy ny vahoaka Jody: Fantsiho amin'ny Hazofijaliana Izy.

Vahoaka :    Ny tenanay koa mamerina izany teny izany; ny tenanay no manameloka Anao isaky ny mandika ny didinao.

Mpitarika:   Ry Jesoa Andriamanitra ô, herezo ny fonay mba hanekenay ny sitraponao masina na amin'inona na amin'inona.

Vahoaka :   Ampio izahay, ry Jesoa!

Mpitarika:   Mamindrà fo aminay, ry Tompo.

Vahoaka :   Mamindrà fo aminay

Mpitarika:  Aoka anie mba handry amin'ny fiadanana noho ny famindrampon' Andriamanitra ny fanahin'ny kristianina efa maty.

Vahoaka :   Amen.

2. I JESOA AMPITONDRAINA NY HAZOFIJALIANA

I Jesoa mandray ny hazo hamonoana Azy tahaka ireo jiolahy, fa very ra be loatra izy ka mivembena dia lavo.

Mba fantaro, ry kristianina fa ny ratsy nataontsika no nentin’i Jesoa Zokintsika ka mandreraka Azy toy izao.

Mpitarika:   Voaheloka i Jesoa. Amin'ny fo feno fandeferana tokoa no andraisany ny Hazofijaliana ampitondrain'ny miaramila Azy. Koa mba hanekeny ny sitrapon'ny Rainy dia nentiny ny hazo hamonoana Azy, nolanjainy hatrany an-tendrombohitra hanaovany sorona ny Tenany tahaka ny nataon'i Isaaka fahiny.

Vahoaka :   Ny haratsianay ry Jesoa, no nandrafitra ny Hazofijalianao.

Mpitarika:  Hoy i Jesoa: « Izay te-ho mpianatro aoka handray ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy ». Eny, hanaradia Anao isan'andro izahay.

Vahoaka :   Be fahoriana eto an-tany. Ianao nijaly, ka izahay koa vonona handefitra izay hihatra aminay isan' andro.

3. I JESOA LAVO NOHO NY HAVESARAN’NY HAZOFIJALIANA

Indro ny zanak’Andriamanitra lavo mihohoka amin’ny tany, fa mafy loatra ny manjo Azy hatramin’ny nisamborana Azy.

Miarina haingana anefa Izy mba ho fianarantsika sy hanome hery antsika mba hialantsika amin’ny ota.

  

Tsy mahagaga raha lavo noho ny havesaran'ny Hazofijaliana Ianao, ry Jesoa, fa efa reraka loatra tamin'ny nikapohana Anao; sady ny làlana miakatra amin'ny tendrombohitra, ratsy. Fa mbola nanampy trotraka nanavesatra Anao indray ny fahotanay!

4. I JESOA MIFANENA AMIN’NY RENINY

Adrey ! zany fahorian’i Jesoa sy ny reniny, torotoro ny fon’i Maria, Jesoa efa reraka tokoa.

Mifona izahay, ry Reny Malala, fa ny toetranay ratsy no nahatonga an’i Jesoa sy ianao Reniny hijaly toy izao.

  I Masina Maria nifanena tamin'ny Zanany milanja ny Hazofijaliana mavesatra teny amin'ny lalana taritaritin'ny olo-masiaka maro sy hodidinina vahoaka ratsy mpivadika manevateva Azy. Tanteraka ilay tenin'i Simeôna, tamin'ny nanoloran'I Masina Maria ny Zanany tao amin' ny tempo1y hoe: « Hotanterahin-tsabatra alahelo ny fanahinao ».

5. I SIMONA LEHILAHY SIRENEANINA MANAMPY AN’I JESOA MITONDRA NY HAZOFIJALIANA

Nampitombo ny faharerahan’i Jesoa ny nahitany an-dReniny, ka noteren’ny mpamono Azy hanampy Azy i Simôna sendra nandalo.

Ry Jesoa Tompo malala, akambanay amin’ny Anao ny asanay sy ny fijalianay ho onotry ny ratsy nataonay.

*   Taitra loatra i Jesoa tamin'Izy nifanena tamin'ny Reniny malalany, nitombo ny faharerahany, mivembena Izy ka atahoran'ny mpamono Azy sao tsy tonga any amin' ny tany hamonoana Azy, ka i Simôna, olona nandalo, no noteren'ny miaramila hanampy an'i Jesoa hilanja ny Hazofijaliana. I Simôna tandindon'ireo mpianatr'i Jesoa hanaiky ny teniny hoe: Raiso ny jiogako, satria mora entina ary maivana.

6. VEHIVAVY TIA VAVAKA MAMAOKA NY TAVAN’I JESOA

Be herim-po tokoa io vehivavy tsara fo io, fa nanavasava ny miaramila ka namaoka ny tavan’i Jesoa.

Soraty ho raikitra ato amponay ny endrikao, ry Tompo tsy foy, mba tsy hahamenatra anay ny maha-kristianina anay.

*   Tazan'ity vehivavy ity ny tarehin'i Jesoa feno rehoka sy vovoka: amin-kerim-po izy no nanavasava ny miaramila hamaoka izany tava efa niova izaitsizy izany. Ho valin' ny herim-pony sy ny fitiavany dia nipetaka tamin'ilay lamba fotsy namaohany azy ny sarin'ny Tompony malalany.

7. I JESOA LAVO FANINDROANY

Ry Jesoa be fitiavana ô; indro Ianao lavo indray, koa ny haratsianay maro loatra mba asaovy iarenanay.

Omeo anay ny herinao mba tsy hamoy fo izahay fa hiarina tokoa amin’ny haratsianay.

*   Mihareraka ny Tompo mila tsy ho zakany ny fahoriana, ka lavo indray Izy. Nefa miarina hatrany Izy mba hanatanteraka ny soron'ny Tenany. Indro Ianao, ry Jesoa, fa mitovy aminay ka miseho ho malemy, fa ny fahalemenay kosa dia ny fahotana; tsy mba indroa izahay no lavo fa imbetsaka.

8. I JESOA MANAFAKA ALAHELO IREO VEHIVAVY MASINA NANARAKA AZY

Hoy Jesoa tamin’ireo nitsetra Azy : « Ny tenanareo itomaniana, mba ho afa-tsiny ianareo eo anatrehako »

Fa efa akaiky ny fitsarako ny tanànanareo sy ny mpamadika rehetra izay tsy mibebaka amin’izao.

*    Maro ny vahoaka nanaraka an'i Jesoa. Nisy vehivavy masina nangoraka sy nitomany Azy. Fa hoy Izy: « Aza mitomany Ahy foana ianareo fa ny tenanareo sy ny firenenareo itomaniana, fa raha izao no atao amin'ny hazo lena, inona kosa no hatao amin'ny hazo maina ? »

9. I JESOA LAVO FANINTELONY

Jesoa lavo fanintelony dia efa reraka tokoa, nefa miarina haingana mba ho ohatra ho antsika.

Mba hatolory ny tananao hanampy anay ry Jesoa, fa maro ny fakampanahy ka sao dia resy izahay.

*    Tapitra ny dianao, ry Tompo. Efa nihakely ny ainao ka lavo indray Ianao voatsindrin'ny hazo mavesatra. Nisaintsaina ireo olona rehetra ho vonjena. Ho azy rehetra, ry Jesoa, ho anay rehetra, no anekenao handia ny lalan-tsarotra. Izahay rehetra no noheverinao tamin'ireny fisasaranao ireny. Tsinjonao ireo hanao tsinontsinona ny Ranao hatramin'ny taona mifandimby sy ireo hanalavitra Anao.

10. I JESOA ENDAHINA AKANJO

Tonga eo an-tampon’ny Kalvery: endahina ny akanjony, ny fery tamin’ny nikapohana Azy dia velona daholo indray.

Toa fery iray ihany ny Tenanao satria tianao honerana tsirairay ireo fahotana sy haratsiana ataonay amin’ny fandrenesanay rehetra.

*    Miraikitra amin'ny sorony mandeha ra ny akanjony, misokatra indray ny feriny ka mivoaka ra, mampanaintaina ny Tenany manontolo ny fangirifiriana.

11. I JESOA FANTSIHINA AMIN’NY HAZO FIJALINA

Jereo ny mpamono masiaka mamantsika an’i Jesoa Tompo, manaintaina ny tongotra aman-tanany, ny Rany mandriaka avy amin’ny hozany.

Ny fitiavanao anay, ry Jesoa, no nanoloranao ny Tenanao maratra amin’ny Rainao.

*   I Jesoa manolo-tena amin'ny mpamono mba hofantsihana ka miampatra ho azy eo ambonin'ny Hazofijaliana. Tsy nahalala Ilay fantsihany izy ireo fa adidy moa ny azy ka dia ataony. Izany hamafin'ny fangotsongotsohana niaretanao, ry Jesoa mpamonjy! ho anay no nandeferanao izany.

12. I JESOA MIALA AINA EO AMBONIN’NY HAZOFIJALIANA

Averinay aminao ry Jesoa ny fangatahan’ilay jiolahy : « Mba tsarovy koa izahay rehefa tonga any amin’ny fanjakanao Ianao ».

Omeo anay ny fahasoavanao mba tsy hamoy fo izahay fa ny famelanao ihany no  maha-zanakao indray.

*   Io i Jesoa mihantona amin'ny Hazofijaliana ka miala aina eo anelanelana jiolahy roa. Tena mahagaga tokoa ny hatsarana sy ny herin'ny fitiavany: Ifonany amin'ny Rainy ireo mamono Azy. « Avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony ». Ankininy amin’ilay mpianany Reniny: « Joany, io ny Reninao! » « Tontosa ny zava-drehetra », hoy Izy, dia niala aina ho antsika Izy.

13. I JESOA MATY KA ESORINA EO AMIN’NY HAZOFIJALIANA DIA APETRAKA EO AN-TANAN-DRENINY

Ry Maria reny malala, tsy iza fa izahay ihany no namono ny zanakao noho ny ratsy nataonay. Koa herezo mafy izahay hiala tokoa amin’ny ota rehetra mba hahafaly anao.

*   Avy notrebonin'ny miaramila ny lefona ny tratran'i Jesoa, dia nomena an-dReniny ny fatiny. Tena Reny be alahelo sy mpanjakan’ny Martiry tokoa i Maria. « Ianareo rehetra mandalo, jereo ary diniho raha misy fahoriana mitovy amin'ny ahy? » Fa i Masina Maria tsy malahelo tahaka an'ireo tsy manan-kantenaina. Fantany fa i Jesoa Zanany, dia Zanak' Andriamanitra. Izy no fitsanganana sy fiainana ho antsika.

14. I JESOA ALEVINA

Tanteraka tokoa ny soron’ny tenanao nahafapo ny Rainao, ka voasasa ny otanay.

Koa velom-panantenana izahay noho ny Teninao fa hitsangana tokoa raha manara-dia Anao.

*   Mpianatra vitsivitsy no nandevina ny fatin'i Jesoa. Maro no iray hevitra tamin'ny Jody hoe: maty miaraka amin'i Jesoa ny fanantenana famonjena. I Maria kosa mahatadidy tsara ny tenin'ny Zanany hoe: « Amin'ny andro fahatelo Aho hitsangan-ko velona ».

Fivavahana farany

Ry Kristianina havana, hitanao amin' izao ny nataon'ny Tomponao ho an'ny tenanao!

Vonona tokoa aho, ry Tornpo, ny hamaly ny fitiavanao: ialako tokoa ny ratsy fa matoky Anao aho.

Mpitarika:  Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba, tsinjovy ity fianakavianao etoana izay nahafoizanao tena hijaly sy ho faty. Noho ny fitalahoan'i Maria Reninay sy Reninao koa, dia ekeo ny fivavahanay na dia tsy mendrika aza, ka mba raiso any amin'ny fanjakanao izahay rahefa maty, ary mba raiso any an-danitra ny havanay sy ny sakaizanay ary ny mpanao soa anay efa nody mandry fa hamonjy anay no nahafatesanao, ry Jesoa.

Vahoaka :   Tompo ô, mamindrà fo aminay, mamindrà fo amin'ny vahoakanao !

Fivavahana eo anatrehan’ny sarin’i Jesoa Kristy mifantsika

Ry Jesoa tsara fo sy mamiko indrindra, inty aho mandohalika sy miankohoka eto anatrehanao ary milelaka ny faladianao sy mitalaho mafy aminao: mba velomy sy ahomboy mafy ao am-poko ny finoana sy ny fanantenana sy ny fitiavana, ary ny fanenenana marina amin'ny ratsy rehetra nataoko sy ny fikasana mafy tsy hanao azy intsony, fa mitsetra sy malahelo tokoa aho izao mieritreritra sy mibanjina ny fery diminao sady mahatsiaro ireto teninao naloakan'ny vavan'i Davida mpaminany ireto heo : « Voaloakan’izy ireo ny tanako sy ny tongotro ary voaisany ny taolako rehetra ».

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1364