Lalan'ny HAZOFIJALIANA

Ny lalan'ny Hazofijaliana

(Fandinihana ity fa tsy vavaka hatao am-piangonana tsy akory)

Via crucis! Chemin de croix! Way of the cross (or of sorrows). Izay ilazana azy fa ilay antsoin'ny Kristianina Katolika hoe : Lalan'ny Hazofijaliana. Vavaka fandinihana ny fijalian'i Jesoa atao indrindra mandritra ny karemy izy io, handinihana indrindra ny fijaliany hatreo amin'ny nanamelohana Azy ho faty ka hatramin'ny nandevenana azy. Misy fijanonana 14 izy io.[1]

Tsy ny isan'ny Fijanonana na ny Vavaka izay hajain'izay mino an'i Kristy rehetra no nahalasa ny saiko fa ny fandikana ny crucis ho hazofijaliana!

Ny Lakroà dia famantarana milaza ny fihaonan'ny tsipika roa mifanipaka, saro-bidy izay fihaonana izay indrindra rehefa fifandiparan'ny zavatra roa tsy mitovy.

Ampianarina antsika (Kristiana) mazàna ny hoe : "Manambara ny fitiavana an'Andriamanitra (mitsangana) sy ny fitiava-namana (mitsivalana) ny Lakroà". Marina izany ary izay rahateo no famintinana ny Didy nolazain'i Jesoa : Mitia an'Andriamanitra sy mitia ny namana".

Raha izany ary, lalana manambara fihaonana ny Via crucis ary izay fihaonana izay no mila dinihina mba hahatsapana ny halehiben'ny fitiavan'ilay nahafoy ny ainy hanavotra ny mpanota.

Raha isak'ireo fijanonana ireo no hoentina mijery ireo didy roan'ny Fitiavana ireo dia ho hafa tanteraka ny hevitra hiompanan'ny saina eo am-pandinihana ny lalana miakatra ny Kalvery. Hikarohana ireo fihaonana sy fifanoherana ambaran'ny lakroà! Izay sampanan-dalana hisafidianana hitia an'Andriamanitra ao amin'ny olombelona.

 Fijanonana 1 : Ny olombelona manameloka an'Andriamanitra :

Izany no Fihaonan'ny mpanota amin'ny tsy manantsiny!

Impiry moa no helohin'ny maty eritreritra ny tsy manantsiny?

Fijanonana II : Andriamanitra mandray an-tsoroka ny sazim-pahotan'ny olombelona noho ny fitiavana (satria araka ny fikarohana sasany dia ny hazo mitsivalana ihany no nentin'i Jesoa).

Izany no fihaonan'ny Hasambarana sy ny fijaliana! Manambara ny porofom-pitiavana entin'i Kristy hamonjena antsika.

 Fijanonana III : i Jesoa ilay tompon'ny Fanjakana sy ny hery mitrosona amin'ny tany.

Izany no Fihaonan'ny hery sy ny fahosana Mampianatra antsika ny fanetren-tena.

Fijanonana IV : Maria miombona alahelo ami'i Jesoa.

Izany no Fihaonan'ny Reny sy ny Zanaka.

Tsy mahafoana ny rohy ihavanana ny fijaliana sy ny fahoriana. Firifiry anefa ny mpianaka tsy mifampiteny intsony noho ny zava-mitranga izay heverina ho fatiantoka na henatra amin'ny fiaraha-monina!

 

 Fijanonana V : ny olombelona mitondra tsy fidiny ny fijaliana

Izany no Fihaonan'ny Avotana (i Simona) sy ny Mpanavotra (Jesoa).

Efa mandray anjara amin'ny asam-panavotan'i Kristy ireo nahazo ny famonjeny. Voaantso handray anjara amin'ny fijaliany isika mba hahatsapantsika ny fitiavany! Ny hamafin'izay niaretany ho antsika.

Fijanonana VI : Veronika mamafa ny tavan'i Jesoa

Io no Fihaonan'ny Voaary endrik'Andriamanitra (Veronika = sary tsy misy osoka) sy ny Teny nahariana ny Tontolo (Jesoa).

Impiry no omen'i Jesoa "occasion" isika hizaha ny endriny ao amin'ny madinika sy ny mahantra! Kanefa na ilay endrik'Andriamanitra nahariana antsika aza tsy tandrovintsika akory!

 Fijanonana VII : Ny halemena mianjady amin'ny Mpanavotra.

Nahoana no averina indray ity fijanonana ity? Satria mihaona ao amintsika matetika ny avonavona sy ny tsy fahombiazana, izay mazàna mahatonga antsika tsy hitondra tena intsony araka ny hitsi-po fa ny hitsi-piainana, tsy araka ny evanjely fa araka ny masom-bahoaka!

Fijanonana VIII : Ny sentosenton-behivavy tia vavaka mitsetra sy mangoraka an'i Jesoa!

Izany no Fihaonan'ny sento sy ny tolona, ny zo sy ny andraikitra

Impiry isika no mitsetra olona mijaly saingy mafy fo velona hanampy azy hiala amin'ny fijaliany! Matetika dia isika ihany no fitaovana hanatanterahan'Andriamanitra ny vavaka ataontsika!

 Fijanonana IX : Ny harerahana mianjady amin'ny Zanak'Andriamanitra.

Mbola miverina fanintelony ny fijalian'i Jesoa. Telo manambara ny zavatry ny lanitra! Fa manambara ihany koa ny hafenoana. Nahoana no averimberina tahaka izany ity fihaonan'ny hery sy ny fahosana ity?

Satria tsy afaka ny hiambo hahavita na hanavo-tena isika. Raha tsy Izy tsy mahefa na inona na inona isika.

Fijanonana X : Jesoa aboridana

Io no Fihaonan'i Adama sy ilay Adama vaovao = Ilay henatra nandroahana an'i Adama sy Eva tao am-paradisa honeran'i Jesoa.

"Nahoana no miafina ianao? Satria mitanjaka aho." I Kristy anefa dia nanaiky hianjahanja eo imason'ny tontolo, eo imason'olom-pady, mba hanokatra indray ny varavaran'ny Paradisa ho antsika.

 Fijanonana XI : Jesoa asandratra eo ambony hazofijaliana

Izany no Fihaonan'ny Tany sy ny lanitra = Fihaonan'ny Tantanana sy ny fantsika hampikambana an'i Jesoa sy ny Hazo ary Jesoa asandratra eo ambony hazofijaliana.

Rehefa tafasandratra hiala amin'ny tany aho, dia hitarika ny olon-drehetra hanatòna ahy! Indrisy anefa, mazàna tsy manatona (s'approcher) an'i Jesoa no ataontsika fa ny manantona (pendre) ny hazofijaliany ihany na eny an-tratra na eny amin'ny sofina na ao an-trano! Misy heviny ho antsika ve ny lakroà!!!

Fijanonana XII : I Jesoa mametraka ny ainy eo am-pelatanan’ny Ray :

Izany no FIHAONAN'ny Fiainana sy ny Fahafatesana!

Firifiry olona mihevitra fa ny fahafatesana no faran’ny fiainana ary manao izay tratry ny saina hitadiavana ny odifaty

I Jesoa ilay Tompon'ny aina, mametraka ny fanahiny eo am-pelatanan'ny Ray

 Fijanonana XIII : Ny fatin’i Jesoa eo ampofoan’ny reniny :

izany no FIHAONAN'ny Famoizam-po sy ny fanantenana!

Tsy i Kristy irery no nijaly fa ireo rehetra an’i Kristy. Tsy manafoana ny fijaliana ny fanaraha-dia Azy fa fiaraha-mitondra ny Jioga isan’andro isan’andro miaraka aminy!

Fijanonana XIV : Fihaonan'ny Hazavana amin'ny haizina.

Ny fasam-bao mandray ilay Tompon’ny aina :

izany no FIHAONAN'ny haizina sy ny Hazavana!

Efa nosantarin’i Jesoa ny farahidin’ny fijaliana! “raha tsy maty ny voa afafy…”

Ireo fihaonana ireo dia sedraintsika eo amin'ny andavanandrom-piainana avokoa! Izany no maha-Kristiana




[1] Jereo eto ny fijanonana araka ny mahazatra sy ny fijanonana araka ny soratra masina


Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.083