Fiekem-pinoana

 

Izaho mino an'Andriamanitra tokana, Ray mahefa ny zavatra rehetra, nanao ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra na ny hita maso na ny tsy hita.

 

Izaho mino an'i Jesoa Kristy Tompo tokana, Zanaka lahi­tokan'Andriamanitra, teraky ny Ray talohan'ny taona rehetra :

 

Andriamanitra avy amin'Andriamanitra, Fahazavana avy amin'ny Fahazavana, Andriamanitra marina avy amin' Andriamanitra marina ;

 

nateraka Izy fa tsy natao, iray fomba amin'ny Ray, ary Izy no nahariana ny zavatra rehetra.

 

Isika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra.

 

Ary naka nofo tamin'i Maria Virjiny Izy, noho ny herin'ny Fanahy Masina, ka tonga olombelona ;

 

nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana ho antsika indray koa, tamin'ny andron'i Pôntsy Pilaty, nijaly ary nalevina ;

 

nitsangan-ko velona tamin'ny andro fahatelo, araka ny voalazan'ny Soratra Masina, niakatra any an-danitra dia mipetraka eo an-kavanan'ny Ray ;

 

mbola ho avy amim-boninahitra indray hitsara ny velona sy ny maty, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.

 

Izaho mino ny Fanahy Masina, Tompo Loharanon'aina, avy amin'ny Ray sy ny Zanaka ; tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin'ny Ray sy ny Zanaka, ary niteny tamin'ny vavan'ny mpaminany.

 

Izaho mino ny Eglizy, iray, masina, katôlika, apôstôlika.

 

Izaho mankatò ny batemy tokana ho fanalana ny fahotana.

 

Ary izaho miandry ny hitsanganan'ny maty sy ny fiainan-ko avy.

 

Amen

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.064