Vavaka (hasivianandro) miaraka @ i Masindahy Josefa

Ry Masindahy Josefa, avy manatona anao izahay amin'ny fahoriana manjo anay sy mangataka fiarovana aminao toy ny efa nataonao tamin'ny vadinao masina.

Mihanta aminao izahay, noho ny fitiavana lehibe nitiavanao an'i Masina Maria tsy azon-keloka, Renin'Andriamanitra, sy ny nitaizanao an'i Jesoa Zazakely. Tsinjovy amin'ny maso miantra ny lovan'i Jesoa Kristy izay azony tamin'ny rany masina, ka vonjeo sy ampio izahay amin'ny mahatery anay.

Ry Mpiambina hendry sy mahatoky ny Fianakaviana Masina, arovy ny vahoaka masina nofidin'i Jesoa Kristy; ambeno mba tsy ho voan'ny hevi-diso sy ny faharatsiana izahay, ry ray be fitiavana. Iantrao izahay, ry Mpiaro be fahefana, ka ampio amin'ny ady ataonay amin'ny herin'ny maizina.

Arovy amin'ny ady ataony amin'ny fahavalo sy amin'ny loza rehetra ny Fiangonana masin'Andriamanitra, toy ny nanafahanao an'i Jesoa Zazakely fahiny tamin'ny fahafatesana.

Tahio mandrakariva izahay mba ho masim-pitondrantena sy ho tsara fahafatesana hahazoanay ny hasambarana mandrakizay any an-danitra. Ary Mba hitalahoy amin'ANDRIAMANITRA ho anay izao fahasoavana manokana angatahinay izao: ..... (tononina ny fahasoavana angatahina)

Rainay...

Arahaba, ry Maria...

Voninahitra anie...

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207