Vavaka fangatahana fandriampahalemana

Ry Andriamanitra Rain’ny Famindrampo oh,

Noharianao ho iray fianakaviana aminao izahay

Ary tsimbininao hatrany hiadana sy ho finaritra.

Tsy nahay namaly fitia anefa izahay indrisy,

Fa nanalavitra Anao ka latsaka an-katerena.

Very fanahy mbola velona ka zoim-pahoriana

Rotidrotiky ny fialonana sy ny fitiavan-tena ny fiaraha-monina, mijaly sy misara-bazana ny fianakaviana, revo ao anatin’ny herisetra sy ny zava-mahadomelina ny tanora maro, ny mpanararaotra izao andro sarotra iainanay izao mamitaka sy mandainga ary mahavatra mandatsa-dra aza.

Mitodika aminao anefa zahay Ray o, ka mifona ary avelao heloka.

Hahirato ny sainay hahalala ny rariny sy ny hitsiny, antokin’ny fahandriampahalemana.

Amparo ny tananay hifandray amin’ny hafa hampanjaka ny fihavanana

Sokafy ny fonay hahay hitia na dia ny fahavalonay aza,

Hazavao ny fiaraha-monina misy anay hahay handray Anao, fihavanana.

Rotsahy ny tso-dranonao ny fiainanay, omeo ny Fanahinao hiady amin’ny ratsy.

Miaraka amin’I Masina Maria, Renin’I Jesoa sady Reninay, Mpanjakavavin’ny fiadanana izahay no mitalaho izany Aminao.

Amen

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204