Ireo vavaka miaraka amin'i Masina Maria

Arahaba, ry Mpanjakavavy

Arahaba ry Mpanjakavavy, ry Reny be indra fo ! fiainanay ianao sy haminay ary fanantenanay, arahaba ! Ianao no antsoinay zanak’I Eva voasesin-tany. Ianao no isentosentoanay mitaraina sy mitomany amin’ity lohasan-dranomaso ity. Eny, ry mpisolovavanay, ireny masonao feno indrafo ireny mba atodiho aminay. Ary raha afaka amin’ity sesitany ity, ataovy mahita an’I Jesoa naloaky ny kibonao izahay. Izany, ry be indrafo ! Izany,ry be fitiavana ! Izany e, ry Maria Virjiny maminay !

Tsarovinao

Tsarovinao ry Maria Virjiny be famindram-po, fa tsy mbola ren’olona fa nafoinao izay nanantona ny fiarovanao sy nihanta ny fanampianao ary nangataka ny fifonanao. Matoky amin’izany aho, dia midodododo manketo aminao, Reny Virjiny lohan’ny virjiny rehetra, manantona anao aho mpanota, aza malain-kihaino ny teniko, ry Renin’ny Teny, fa raiso tsara izy ary ekeo. Amen

Tompoko sy Reniko

Tompoko sy Reniko, izaho manome anao ny tenako manontolo ; ary ho famantarana ny fanomezako tena aminao, dia atokako ho anao anio ny masoko, ny sofiko, ny vavako, ny foko sy ny aiko manontolo. Efa anao avokoa aho, Reny mamiko, koa ambeno aho ary arovy aho tahaka ny zavatrao sy ny fanananao.

Izahay  mifefy aminao

Izahay mifefy aminao, ry Reny masin’Andriamanitra ; aza manary ny fangatahanay amin’ny manjo anay, fa afaho amin’ny rofy rehetra mandrakizay izahay, ry Virjiny be voninahitra sy be hasoavana.

Ry Masina Maria Reniko, arovy aho. Arovy ny saiko, ny foko ary ny fandrenesako rehetra mba tsy hanotako. Hamasino ny hevitro, ny foko, ny teniko sy ny asako mba hahafaly anao sy I Jesoa, ary mba ho tonga any an-danitra miaraka aminao aho. Jesoa sy Maria ô, omeo ahy ny tso-dranonareo masina. Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen

Ho soavina mandrakizay anie i Masina Maria Virjiny tsy voakasiky ny fahotana tamin’ny fototra, Renin’Andriamanitra sy Renintsika.

FO MADION' I MARIA - MIVAVAHA HO ANAY
 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102