Fangatahana fiarovana amin'i Masina Maria

RY MASINA MARIA MPANJAKAVAVY NY LANITRA SY NY TANY
BE FIANDRIANANA INDRINDRA SY TOMPO VAVIN’I ANJELY
IANAO NO NOMENAN’ANDRIAMANITRA NY FAHEFHANA HATRIZAY ELA IZAY
HANOROTORO NY LOHAN’I SATANA
KOA MANGATAKA SY MIFONA AMINAO IZAHAY
MBA IRAHO NY TAFIKAO MASINA
HISAKANA NY DEMONY - HIADY AMINY – HANDRESY AZY
ARY HAMARINA AZY ANY AMIN’NY AFOBE.
AMEN

Masina Maria Mpanjakavavin’I Madagascar : mivavaha ho anay sy ho an’izao tontolo izao mba ho afaka amin’ny fitiavan-tena, fitiavam-bola sy fitiavam-boninahitra ary ny filandratsin' ny nofo izahay. (Averina in-3)

Masina Maria fanasitranan’I marary : sitrano ny marary rehetra na ara-batana, na ara-tsaina na ara-panahy (Averina in-3)

Masina Maria Mpanjakavavy ny Rosery : mivavaha ho anay (in-3)

Masina Maria Mpanjakavavy ny fiadanana : mivavaha ho anay (in-3)

Anjelin’Andriamanitra, mpiambina ahy sy nanakinan’Andriamanitra mpamindrafo ny aiko : hazavao aho anio, ambeno, tahio ary zakao . Amen

Fo Masin’I Jesoa : mamindra fo aminay
Fo Madion’i Maria: mivavaha ho anay
Md Joseph : mivavaha ho anay
Md Roch : arovy amin’ny aretina mifindra izahay
Md Bénoît : arovy izahay amin’ny demony manodidina any 
Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra : Mivavaha ho anay
Md Jacques Berthieu : Mivavhaa ho anay
Cher Frère Louis Rafiringa olontsambatra : Mivavaha ho anay
Md Don Bosco : Mivavaha ho anay
Mb Thérèse n’I Jesoa zazakely : Mivavaha ho anay

- Anjely mpiambina anay : ambeno sy arovy ny tenanay,
- Anjely mpiambina ny fianakavianay : ambeno sy arovy ny fianakavianay,
- Anjely mpiambina ny fanananay : ambeno sy arovy ny fanananay
- Anjely mpiambina ny tanindrazanay : ambeno sy arovy ny tanindrazanay
- Anjely mpiambina ny namanay : ambeno sy arovy ny namanay
- Anjely mpiambina ny asanay : ambeno sy arovy ary ampio izahay @ asa izay rehetra ataonay mba hisy vokany tsara afahanay miahy ny fiainanay sy ny ankohonanay ary ny mpiarambelona aminay.
Fanahy Masina : Azavao ny sainay
Fanahy Masina : Amasino izahay
Fanahy Masina : Erezo izahay

Ianareo Fanahy rehetra ao amin’ny afo fandiovana atolory an’I Jesoa Kristy Tompontsika anie ny fijalianareo, ny fangirifirinareo ho honitry ny fahotanay ka ahazoanay izao fahasoavana angatahinay aminy izao ……….

Ianareo Olomasina sy Olontsambatra rehetra any andanitra : mivavaha sy mangataha fahasoavana ho anay

RY FO MASIN’I JESOA : MATOKY ANAO TANTERAKA IZAHAY




 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0181