Vavaky ny mpianakavy isan'andro

Ry Jesoa be fitiavana indrindra,
izay nanamasina ny fianakaviana voafidinao tety an-tany,
tamin'ny hatsaram-panahinao tsy hay lazaina
sy ny oha-pitondrantena nomenao tao an-trano,
mba topazo fijery antra ity fianakaviana miankohoka eto an-tongotrao,
mihanta mba hosoavinao.
Ka tsarovy fa Anao ity fianakaviana ity,
noho izy namehy sy nahafoitena ho anao.
Koa aoka mba harovan'ny hatsaram-ponao izy,
hohafahanao amin'ny loza,
hovonjenao amin'ny mahory,
ary mba homenao ny herim-po ilainy haharetana hatramin'ny farany
amin'ny fanarahana ny fianakavianao masina;

ka rehefa nifikitra tamn'ny fanompoana sy ny fitiavana Anao izy
nandritra ny andro niainany,
dia hahazo hankalaza Anao mandrakizay any an-danitra.

Ry Maria Masina, Reny tsara fo indrindra,
mihanta ny fiarovanao izahay,
sady mahatoky fa tsy ho hain'ny Zanakao lavina ny fangatahanao.

Ary ianao koa, ry Jôsefa masina,
Patriarka be voninahitra,
mba tahio amin'ny fiarovanao mahery izahay,
ary mba hatero eo am-pelatanan'i Maria ny vavakay,
hatolony an'i Jesoa Kristy.

Amen

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094