Vavak'i Md. François d'Assise

Tompo ô, raiso aho hampanjaka ny fiadanana avy aminao ;
ny mankahala anie homeko fitiavana,
ny nanaovan-dratsy homeko fahaiza-mamela,
ny miadiady homeko fihavanana,
ny diso hevitra, homeko ny marina,
ny misalasala homeko finoana,
ny mamoy fo homeko fanantenana,
ny anaty haizina homeko hazavana,
ny malahelo homeko hafaliana.

Tompo ô, tsy ny halana alahelo loatra anie no hotadiaviko
fa ny hanala alahelo,
tsy ny hohenoina fa ny hihaino olona,
tsy ny hotiavina fa ny ho tia ;
satria izay manome no mandray,
izay mahafoy tena no mamonjy ny tenany,
izay mamela heloka no havela heloka,
izay manao aina tsy ho zavatra
no hitsangana ho velona mandrakizay.

Hevitra mandeha

zandrikely ( 26/03/2015 09:32)
miarahaba antsika mianakavy , hono hoa anisany tena vavaka ankavifiziko ty vavaka ty , ny tsikaritro de zao , maninona kay ny mompera refa mande any ambanivohitra any de ny RESABOLA FONA NO BE , fangaha mo tsy hitory vavao mahafaly ve ny anirahana azy any, marina fa ilaina ny VOLA , ary amin zao fotona zao hiaramahalala ny zavamisy DE RARINY VE RA TSY MANAMBOLA OMENA NY MOMPERA NY KRISTIANINA DE TSY TONGA MANAO LAMESA IZY , zaraina amintsika eto izy ty fa feno ny rano

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0809