VAVAKA MBA HANANANA FAHASALAMANA

MBA HANANANA FAHASALAMANA

 

Ry Fanahy Masina, Mpahary sy Mpanavao ny zava-drehetra, ain’ny fiainako, mitsaoka Anao sy misaotra anao miaraka amin’i Masina Maria aho, ary tia Anao ! Ianao no ilay manome aina sy mamelona ny zavaboary manontolo, mba omeo ahy  mandrakariva ny fahasalamana ary mba afaho aho amin’ny aretina rehetra mananontanona sy amin’ny ratsy rehetra manimba ny fahasalamako.

Miaraka amin’ny fahasoavanao, manome toky aho fa hampiasa mandrakariva ny heriko mba ho an’ny voninahitr’Andriamanitra, sy ho famonjena ny fanahiko ary hanompoana ny hafa.

 Mivavaka Aminao koa aho, hazavao amin’ny fanomezanao ny fahazavan-tsaina ireo mpitsabo sy izay rehetra mikarakara marary, mba hahalalany ny tena fototry ny aretina izay mamela-pandrika sy manambana ny fahavelomana. Enga anie mba hazava amin’izy ireo ny fanafody mahomby ka ampiasainy mba hiarovana sy hitsaboana ny aretina.

Ry Virjiny Masina renin’ny fiainana sy fahasalaman’ireo marary : ankiniko Aminao ity vavaka ataoko amim-panetrentena ity. Ianao ry Renin’Andriamanitra sady Reninay, mba tohano amin’ny fanelanelananao be fahefana ny fivavahako. Amen.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098