Fiekem-pinoana

Nampiditra : admin
Daty : 11/06/2019

Fanao amin'ny vavaka iraisam-pinoana

 

Izaho mino an'Andriamanitra, Ray mahefa ny zavatra rehetra,
nahary ny lanitra sy ny tany.

Izaho mino an'i Jesoa Kristy, Zanany tokana Tompontsika ; 
noforonin'ny Fanahy Masina,
naterak'i Maria Virjiny ;
nijaly faha-Pontsy Pilaty,
nofantsihana tamin'ny hazofijaliana,
maty dia nalevina ;
nidina tany ambanin'ny tany ;
nitsangan-ko velona tamin'ny andro fahatelo ;
niakatra any an-danitra,
mipetraka eo ankavan'Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra,
avy any Izy mbola ho avy hitsara ny velona sy ny maty.

Izaho mino ny Fanahy Masina,
ny Eglizy masina maneran-tany,
ny fiombonan'ny Olomasina,
ny fanalana ny ota,
ny hitsanganan'ny vatantsika ho velona,
ary ny fiainana mandrakizay.

Amen.

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0202 s.] - Hanohana anay