Fiekem-pinoana Ekiomenika

(Fampiasa rehefa misy ny fivavahana iraisam-pinoana)

Izaho mino an’Andriamanitra tokana / Ray mahefa ny zavatra rehetra / nanao ny lanitra sy ny tany / sy ny zavatra rehetra / na ny hita maso na ny tsy hita /

Izaho mino an’i Jesoa Kristy Tompo tokana / Zanaka lahitokan’Andriamanitra /  nateraky ny Ray talohan’ny taona rehetra / Andriamanitra avy amin’Andriamanitra / Fahazavana avy amin’ny fahazavana / Andriamanitra marina avy amin’Andriamanitra marina / nateraka Izy fa tsy natao / Iray fomba amin’ny Ray / ary Izy no nahariana ny zavatra rehetra /

Isika olombelona sy ny famonjena antsika / no nidinany avy any an-danitra / ary naka nofo tamin’i Maria Virjiny Izy / noho ny herin’ny Fanahy Masina / Ka tonga olombelona /

Nofantsihana tamin’ny hazofijaliana ho antsika / tamin’ny andron’i Pontsy Pilaty / Nijaly ary nalevina / Nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo / araka ny voalazan’ny Soratra Masina / Niakatra any an-danitra / dia mipetraka eo an-kavanan’ny Ray /

Mbola ho avy amim-boninahitra indray / hitsara ny velona sy ny maty / ary tsy hanam-pahataperana ny Fanjakany /

Izaho mino ny Fanahy Masina / Tompo Loharanon’aina / avy amin’ny Ray sy ny Zanaka / Tsaohina sy omem-boninahitra / miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka / Ary niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany /

Izaho mino ny Eglizy / iray / masina / ary manerana ny tany / Izaho mankatò ny Batemy tokana manala ny ota /

Ary izaho miandry ny hitsanganan’ny maty / sy ny fiainan-ko avy /                                  A M E N

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117