FANOLORAN-TENA AMIN'NY FO MASIN'I JESOA

FANOLORAN-TENA AMIN’NY FO MASIN’I JESOA

Diso taminao aho Andriamanitra, ary nampalahelo ny Fonao, raha niraikitra tamin’ny zava-poan’izao tontolo izao ny fanahiko, ary ny foko lentika tamin’ny fanirian-dratsy. Kanefa fantatro ny famindramponao, ka dia mifona amin’ny hamoram-ponao aho, ary mihazakazaka ho amin’ny Fonao, izay hiereko. Ny Fonao ihany, Tompo mamiko, no tiako hiainako ; ny Fonao no tiako hahafatesako ; ny Fonao no ametrahako ny fahatrako rehetra. Na dia lehibe aza ny fahotako, fantatro fa hadinon’ny Fonao izy, raha mankahala azy tokoa aho, ka mikasa tsy hiverina aminy intsony. Eny, Tompoko, sady Mpamonjy Hianao no Ray, ka dia havelanao ihany ny fahotako, satria lehibe izy, ary ny halehibeny ihany no hisehoan’ny halehiben’ny famindram-ponao. Koa iantrao, Tompoko, ny mpanota mibebaka. Aoka izy hatahotra Anao sy ho tia Anao ! satria fantany fa mahazo manary azy Hianao, kanefa te-hamonjy azy

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095