FANOKANAN-TENA AMIN'NY FO MASIN'I JESOA

FANOKANAN-TENA AMIN’NY FO MASIN’I JESOA

Ry Jesoa mora fo indrindra, Mpanavotra ny olombelona rehetra, mba topazo maso miantra izahay miankohoka eto anatrehanao. Anao izahay ary sitrakay izany ; fa mba hahamafy kokoa ny firaiketanay aminao, dia indreto izahay anio samy faly manokan-tena amin’ny Fonao Masina.

Betsaka ny olona tsy nahalala Anao na oviana na oviana ; betsaka koa ny naneso ny didinao sy nandà Anao ; mamindrà fo amin’izy rehetra, ry Jesoa mpiantra, ary tariho hisesika ao anatin’ny Fonao Masina izy. Tompo ô, mba anjakao daholo ny mpino rehetra, tsy ireo tsy nanalavitra Anao na oviana na oviana ihany, fa ireny zaza mpandany nandao Anao ireny koa : ampodio faingana any an-tranon-ndrainy izy sao matin’ny fahoriana sy ny hanoanana. Anjakao izay voafitaky ny fampianaran-diso na izay voan’ny tsy fifanarahan-kevitra ka nisaraka taminao ; avereno amin’ny lala-marina sy amin’ny finoana tokana izy, mba tsy hisy afa-tsy vala tokana sy Mpiandry ondry tokana.

Tompo ô, vonjeo ny Eglizinao, ampiadano izy, ary afaho amin’izay manampona azy. Ataovy mandry fehizay sy milamina tsara ny firenena rehetra ary aoka hanako eran’ny tany aman-danitra izao teny tokana izao : “Voninahitra anie ho an’ilay Fo Masina namonjy antsika ; dera sy laza anie ho Azy mandrakizay alaovalo. Amen.”

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106