Fangataham-piarovana amin'i Masina Maria sy ny Olomasina

Nampiditra : holimanitra
Daty : 05/12/2012

Ry Reny masin’Andriamanitra, arovy izahay miankina aminao: ianareo Anjely mpiambina anay sy ianareo Olomasina rehetra any an – danitra, manampia anay , ary mangataha amin’Andriamanitra ho anay, mba hampiadaniny ety ambonin’ny tany izahay sy harovany tsy ho latsaka amin’ny fahotana, ary dia ho tonga any an – danitra. Amen.

 

Ry Misely Arkanjely masina, ampio izahay amin’ny ady manjo anay, arovy izahay amin’ny hasomparana sy ny fandriky ny demony. Mifona izahay, aoka hosakanan’Andriamanitra izy. Ary ianao, ry Filohan’ny tafiky ny lanitra, noho ny herin’Andriamanitra, dia tohero i satana sy ny fanahy mpanimba rehetra, izay mihahaka rean’izao tontolo izao mba hahavery ny olona, ka avarino any amin’ny afobe. Amen.

 

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0212 s.] - Hanohana anay