Vavaka ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra

 

 

Ry Jesoa Tompo, Ianao ihany no nilaza hoe :

"Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy",

dia hoy Ianao nanampy :

"Angataho ary ny Tompom-bokatra

haniraka mpiasa amin'ny sahany".

 

Koa amim-po manaiky Anao sady sitrakao

no ivavahanay ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra

 

Henoy, ry Andriamanitray, ny fitalahoanay Aminao :

Omeo Pretra masina sy maro izahay,

hitory ny Evanjelinao,

sy hizara ny fahasoavanao.

 

Omeo Relijiozy vonona sy mahafoy tena ny Fiangonanao,

ho vavolombelon'ny Fitiavanao

hatrany amin'ny fara-vazan-tany.

 

Omeo Apostoly Lahika vonon-kamonjy ny namana izahay,

hampamiratra ny toe-panahy kristianina

eran'ny tany rehetra,

amin'ny fitiavam-bavaka, amin'ny fitiava-namana,

amin'ny fandeferana omban-kerim-panahy,

amin'ny asa sahanina,

hampibaribary ny toe-tsainao Kristy mamelona azy.

 

Mba fidio eto afovoanay izy ireo :

amin'ny fiangonanay, amin'ny fianankavianay.

 

Tohano izahay mba hahay hanampy,

araky ny herinay rehetra,

ireo izay antsoinao ka manaraka Anao

amin-kerim-po sy fitokiana,

mba "ho tonga anie ny Fanjakanao".

 

Miaraka amin'i Masina Maria Virjiny

sy ireo Olomasina rehetra Razanay

izahay no mitalaho izany Aminao.

 

Amen !

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097