Zoma Herinandro II

ANTSA

1. Nandositra lavitra Anao,

'Lay ondry mania sahisahy;

Ianao anefa tsy mba nandao,

Ry Jesoa malemy fanahy!

Ianao no mitady ny very,

Mitsinjo azy feno ahiahy,

Mandinika, mamehy ny fery,

Ry Jesoa malemy fanahy!

Fiv: Ry ondry mania, miverena

Haingàna...! Aza mihataka, lahy,

Fa Ilay Tomponao no onena,

Ilay Jesoa malemy fanahy!

2. Nijaly sy maty Ianao,

Noho ny fitiavanao ahy;

Hanolotra aim-baovao,

Ry Jesoa malemy fanahy!

Na maro aza ny ondrinao,

Dia tianao mba ho vala iray;

Tsy vizana miantso azy Ianao,

Ry Jesoa malemy fanahy!

Fiv: Ry ondry mania, miverena

Haingàna...! Aza mihataka, lahy,

Fa Ilay Tomponao no onena,

Ilay Jesoa malemy fanahy!

 

SALAMO 13 (12)

Sas: Mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo. (1 Kor 10,13b)

Andininy:

1. Mandra-pahoviana re ry Tompo ô,

No hanadino ahy Ianao?

Mandra-pahoviana re ny Tavanao

No hafeninao amiko?

2. Mandra-pahoviana re no hitoerako

Am-panahy mitebiteby?

Mandra-pahoviana re ny aty foko

No halahelo isan'andro?

3. Mandra-pahoviana re ny fahavaloko

No hirehaka anoloako?

Mba jereo, mba valio, Tompo ô,

0 ry Tompo Andriamanitro.

4. Mba omeo hazavana re ny masoko

Ndrao ho reno-pahafatesana;

Mba tsy hanaovan'ny mpanohitra ahy hoe:

«Indro resiko tery».

5. Mba tsy his fahavaloko hifaly

Amin'izay fahareseko.

Fa ny ahy, ny fitiavanao ihany

No ataoko fitokiana.

6. Ka ny foko hitotorebi-kafaliana

Noho ny vonjy avy aminao!

Ary izaho ho velon-kira ho an'ny Tompo

Noho ny soa nataony ahy.

7. Hoderaina anid ny Ray be Fitiavana,

Ilay misedra ny olon-tiahal

Sy ny Zanaka nahatsiaro ho nilaozany

Tamin'Izy nofantsihana;

8. Hoderaina koa anie Ilay Fanahy,

Ilay Fitiavana mamelona,

Ka mamelona an'Ilay namoy ny Ainy

Mba hisolo vaika antsika.

Sas: Mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo.

 

na:

SALAMO 90 (89)

Mangidy koa raha mangidy ny fahoriana entina amin'ny fahafatesana. Eo anefa i Kristy nitsangan-ka velona, hanangna antsika ha velona mandrakizay.

Sas: Aza matahotra ê! Izaho no iandohana sy iafarana;

Maty nefa velona indray. Velona mandrakizay. (Apok 1,17-18)

Fa fialofanay mateza tsy mikoro Ianao, ry Tompo,

Rova mafy hary fomba sady ampinganay tokoa

Efa hatrany am-piandohana tamy taona mifandimby

Ho lovan'ireo taranaka any am-paravazan-tany.

Mbola haizina ny tany, 'rony vohitra tsy ary

Ny tontolo zavozavo mbola tsy naterakao ...

Efa teo Ianao, ry Tompo, hany tokana mahefa,

'Lay tsy nanam-piandohana ka ho velona doria.

Nampodianao ho vovoka ny arin-tananao:

“Miverena, hoy Ianao, ry taranaka voafetra”.

Toy ny aloka miserana Aminao ny arivo taona,

Tsidik'andro kely fohy, pitik'alina mimaona.

Moa tsy nofy indaosinao ka misinda vao maraina,

Toy ny ahitra eny an-tsaha izay mandrobona mitsiry,

Manipelana maraina, vaky vony sy mijoro,

Fa milofika malazo, very aina ny hariva.

Zary foana sady levona raha tezitr'Ianao!

E torovana sy ankona raha vinitr'Ianao!

Novelarinao imaso mba ho vaky ny helokay,

Anoloan'ny Tavanao izay nafeninay taloha.

Maharîtra ny andronay ny hatezeranao tsy laitra;

'Ndray mihelina toa sento ny fitsahatry ny taona:

Fitopolo taona monja no anjara fiainanay;

Valopolo izay matanjaka: io no tanjona ho anay.

Fahoriana sy toloko anefa ny isan'izy ireny,

Fa miriotra poatoizay ka manjavona izahay;

Ary zovy no hahatsinjo fa mirehitra Ianao,

Ka hanaja sy hiaiky fa tsy toh' ny herinao.

Ampianaro anay, ry Tompo, ny manisa ny andronay;

Atodiho fo fanahy mba hikatsa-pahendrena.

Miverena re, ry Tompo, aza ela fa tongava:

Mangoraha ka tsinjovy mba ho soa ny olonao.

Vao maraina dia hetsaho ny fitiavanao 'zahay

Ka ho revon-kafaliana sy hiantsa isan'andro,

'Reny kapoka fahiny s'ireo ngidim-pahoriana

Mba hiova ka hanjary tonon'androm-pihobiana.

Aoka re ny asanao ho hitanay mpanomponao,

Ka hamiratra am'ireo taranakay ny herinao;

Ary homba anay izao ny fanambinanao, ry Tompo,

Hanamafy sy hampamokatra ny asan-tananay.

Ka ny dera sy ny haja ho Anao ry Rainay

Fa ny Zanakao tokoa efa monina aminay;

Ny Fanahinao mahery nanangananao anay

Tsy mitsaha-manazava sy mitarika ny dia.

Sas: Aza matahotra ê! Izaho no iandohana sy iafarana;

Maty nefa velona indray. Velona mandrakizay.

 

TENIN'ANDRIAMANITRA (Rom 5, 3-4)

Na ny fahoriana aza dia ifaliantsika ihany koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana, ny faharetana mahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana.

 

na : 1 Kor 10, 13

Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan'olombelona ihany ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isaky ny fakam-panahy dia hasiany fialàna tsara mba hahazakanareo azy.

 

VALINKIRA

Fiv: Ny rà nalatsakao, ry Jesoa Tompo ô.

1 Ny fokom-pirenena no voaavotra

Fiv: Ny rà nalatsakao, ry Jesoa Tompo ô.

2 Ny firenen-drehetra no voaavotra

Fiv: Ny rà nalatsakao, ry Jesoa Tompo ô.

3 Matoa 'zahay manjaka ety an-tany,

Fiv: Ny rà nalatsakao, ry Jesoa Tompo ô.

4 Matoa 'zahay noraisin'Andriamanitra

Fiv: Ny rà nalatsakao, ry Jesoa Tompo ô.

 

n a: VALINKIRA HAFA

Fiv: Eo am-pelatananao Andriamanitra ô, [Ps 31,6]

1 Ny saiko, ny hevitro, apetrako.

Fiv: Eo am-pelatananao Andriamanitra ô,

2 Ny tenako, ny heriko, apetrako.

Fiv: Eo am-pelatananao Andriamanitra ô,

3 Ny sentoko, fanahiko, apetrako.

Fiv: Eo am-pelatananao Andriamanitra ô,

4 Ny tahotry ny havako, apetrako.

Fiv: Eo am-pelatananao Andriamanitra ô,

5 Ny androko, ny asako, apetrako.

Fiv: Eo am-pelatananao Andriamanitra ô,

6 Ny heloko, ny fitsarana, apetrako.

Fiv: Eo am-pelatananao Andriamanitra ô,

7 Ny aiko, ny anjarako, apetrako.

Fiv: Eo am-pelatananao Andriamanitra ô.

 

TONONKIRAN'I SIMEONA

Sas: Ny amboa haolo manan-davaka, ny voro-manidina manana akany, fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany. (Mt 8,20)

Andininy: (Lk 2,29-32)

Eny Tompo,

Am-piadanana tokoa ankehitriny

Andefasanao ity mpanomponao:

Dia ho to 'zay voalazanao!

Fa satria:

'Zany masoko mahita miharihary

'Zato famonjena 'zay nomaninao

Ho an'ireo firenen-drehetra.

Hazavana

'Zay hanilo ny vahoaka eran-tany

Fa kiady kosa sady reharehan'

I Israely vahoakanao!

Eny, Tompo,

Mendri-dera ny fitiavanao anay

Fa nirahinao ho anay ny Zanakao

Hampiadana anay rehetra.

Sas: Ny amboa haolo manan-davaka, ny voro-manidina manana akany, fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.

 

FANGATAHANA

Ry Andriamanitra Tompo Rainay ô, navelanao hitondra ny mafy indrindra Ilay Lahimatoan'ny Ainao ka niloa-bava taminao hoe «Andriamanitra ô, nahoana no dia nilaozanao Aho?» Hankininay aminao lalandava koa anie, toy ny nataony, izay mangidy entinay eo amin'ny fiainanay andavanandro, dia hanana fanantenana handresy ny sarotra izahay. Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.

 

HIRA FANKALAZANA AN'I MASINA MARIA

 

TSODRANO (Mk 4,8 sy Jn 12,24)

Mpitsodrano:

Aoka anie ny voa nafafin'Andriamanitra ao am-pontsika, hitombo sy hamoa araka ny sitrapony.

Vahoaka:

Isika kosa samy handry mahafoha tena ê, mba hisaotra sy hanompo Azy amin-kafaliana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0198