Zoma Herinandro I

ANTSA

Fiv: Hamelona antsika Andriamanitra e!

Hitantana hitsimbina sy hitso-drano (bis)

Hamelona antsika Andriamanitra e!

Hitantana hitsimbina sy hitso-drano Izy e!

1 Ity tany ity dia tranon'Andriamanitra

Nomena ny olona hanjakany sy hivelomany

Ka afaka matoky ny ankohonan'Andriamanitra. (Jen 1; Lev 26,11-12; Ez 37,26)

Fiv: Hamelona antsika Andriamanitra e!

Hitantana hitsimbina sy hitso-drano (bis)

Hamelona antsika Andriamanitra e!

Hitantana hitsimbina sy hitso-drano Izy e!

2 Ny ety amintsika sahan'Andriamanitra

Nomena ny olona hivelomany, hamokarany

Ka afaka mitsiry izay nafafin'Andriamanitra. (Jen 2; Jn 15,1-8; Apok 2,7)

Fiv: Hamelona antsika Andriamanitra e!

Hitantana hitsimbina sy hitso-drano (bis)

Hamelona antsika Andriamanitra e!

Hitantana hitsimbina sy hitso-drano Izy e!

3 Fa eto amintsika ny hazon'Andriamanitra

Nomena ny olona hamokarany, hialofany

Ka afaka mandrobona ny hazon'Andriamanitra. (Jen 3; Gal 2,19.25-27.34)

Fiv: Hamelona antsika Andriamanitra e!

Hitantana hitsimbina sy hitso-drano (bis)

Hamelona antsika Andriamanitra e!

Hitantana hitsimbina sy hitso-drano Izy e!

4 Ity tany ity fonenan'Andriamanitra

Nomena ny olona hialofany, hiadanany

Ka afa-manantena 'zany Zanak'Andriamanitra. (Ef 3,19; Jn 3,14; Apok 21,1-3;22,2)

Fiv: Hamelona antsika Andriamanitra e!

Hitantana hitsimbina sy hitso-drano (bis)

Hamelona antsika Andriamanitra e!

Hitantana hitsimbina sy hitso-drano Izy e!

Nomena endrika HAIN-TENY io Antsa io. Fanazavana:

And. 1: sady fonenan'olombelona izao tontolo izao no fonenan'Andriana­na­hary, na dia tsy hita maso aza Izy. Tsy lavitra Azy isika!

2: Ny hazo voalaza eto, dia ireo hazo tany am-paradizan-tany, ka mampahatsiaro ny asa nankinin'Andriamanitra tamin'ny olombelona: ny mandavo­rary sy mampamokatra tsara ny tany.

3: Ny hazo voalaza eto dia ny hazo nifantsihan'i Jesoa, ka ny Famonjena antsika no voaloham-bokatra. I Kristy ihany koa no foto-boaloboka ka isika no sampahony tokony hamokatra asa soa.

4: sady zava-boarin'Andriamanitra isika vita batemy, no zanany dieny izao, ka efa miara-monina amintsika eto an-tany Izy: izany no votoatin'ny fiai­na­na mandrakizay efa santarina ankehitriny noho ny Fanahy Masina. Finoana izany.

 

SALAMO 90 (89)

Mangidy koa raha mangidy ny fahoriana entina amin'ny fahafatesana. Eo anefa i Kristy nitsangan-ka velona, hanangna antsika ha velona mandrakizay.

Sas: Aza matahotra ê! Izaho no iandohana sy iafarana;

Maty nefa velona indray. Velona mandrakizay. (Apok 1,17-18)

Fa fialofanay mateza tsy mikoro Ianao, ry Tompo,

Rova mafy hary fomba sady ampinganay tokoa

Efa hatrany am-piandohana tamy taona mifandimby

Ho lovan'ireo taranaka any am-paravazan-tany.

Mbola haizina ny tany, 'rony vohitra tsy ary

Ny tontolo zavozavo mbola tsy naterakao ...

Efa teo Ianao, ry Tompo, hany tokana mahefa,

'Lay tsy nanam-piandohana ka ho velona doria.

Nampodianao ho vovoka ny arin-tananao:

“Miverena, hoy Ianao, ry taranaka voafetra”.

Toy ny aloka miserana Aminao ny arivo taona,

Tsidik'andro kely fohy, pitik'alina mimaona.

Moa tsy nofy indaosinao ka misinda vao maraina,

Toy ny ahitra eny an-tsaha izay mandrobona mitsiry,

Manipelana maraina, vaky vony sy mijoro,

Fa milofika malazo, very aina ny hariva.

Zary foana sady levona raha tezitr'Ianao!

E torovana sy ankona raha vinitr'Ianao!

Novelarinao imaso mba ho vaky ny helokay,

Anoloan'ny Tavanao izay nafeninay taloha.

Maharîtra ny andronay ny hatezeranao tsy laitra;

'Ndray mihelina toa sento ny fitsahatry ny taona:

Fitopolo taona monja no anjara fiainanay;

Valopolo izay matanjaka: io no tanjona ho anay.

Fahoriana sy toloko anefa ny isan'izy ireny,

Fa miriotra poatoizay ka manjavona izahay;

Ary zovy no hahatsinjo fa mirehitra Ianao,

Ka hanaja sy hiaiky fa tsy toh' ny herinao.

Ampianaro anay, ry Tompo, ny manisa ny andronay;

Atodiho fo fanahy mba hikatsa-pahendrena.

Miverena re, ry Tompo, aza ela fa tongava:

Mangoraha ka tsinjovy mba ho soa ny olonao.

Vao maraina dia hetsaho ny fitiavanao 'zahay

Ka ho revon-kafaliana sy hiantsa isan'andro,

'Reny kapoka fahiny s'ireo ngidim-pahoriana

Mba hiova ka hanjary tonon'androm-pihobiana.

Aoka re ny asanao ho hitanay mpanomponao,

Ka hamiratra am'ireo taranakay ny herinao;

Ary homba anay izao ny fanambinanao, ry Tompo,

Hanamafy sy hampamokatra ny asan-tananay.

Ka ny dera sy ny haja ho Anao ry Rainay

Fa ny Zanakao tokoa efa monina aminay;

Ny Fanahinao mahery nanangananao anay

Tsy mitsaha-manazava sy mitarika ny dia.

Sas: Aza matahotra ê! Izaho no iandohana sy iafarana;

Maty nefa velona indray. Velona mandrakizay.

 

TENIN'ANDRIAMANITRA

A: Jer 14,9:

Tompo ô, eto afovoanay Ianao ary ny Anaranao no iantsoana anay, koa aza ilaozanao izahay!

na B: Rom 8,18 - D: 2 Kor 1,9 - E: 1 Kor 15,54-58

 

VALINKIRA

Fiv: Ny rà nalatsakao, ry Jesoa Tompo ô.

1 Ny fokom-pirenena no voaavotra

Fiv: Ny rà nalatsakao, ry Jesoa Tompo ô.

2 Ny firenen-drehetra no voaavotra

Fiv: Ny rà nalatsakao, ry Jesoa Tompo ô.

3 Matoa 'zahay manjaka ety an-tany,

Fiv: Ny rà nalatsakao, ry Jesoa Tompo ô.

4 Matoa 'zahay noraisin'Andriamanitra

Fiv: Ny rà nalatsakao, ry Jesoa Tompo ô.

 

Na: VALINKIRA HAFA:

Fiv: Eo am-pelatananao Andriamanitra ô, [Ps 31,6]

1 Ny saiko, ny hevitro, apetrako.

Fiv: Eo am-pelatananao Andriamanitra ô,

2 Ny tenako, ny heriko, apetrako.

Fiv: Eo am-pelatananao Andriamanitra ô,

3 Ny sentoko, fanahiko, apetrako.

Fiv: Eo am-pelatananao Andriamanitra ô,

4 Ny tahotry ny havako, apetrako.

Fiv: Eo am-pelatananao Andriamanitra ô,

5 Ny androko, ny asako, apetrako.

Fiv: Eo am-pelatananao Andriamanitra ô,

6 Ny heloko, ny fitsarana, apetrako.

Fiv: Eo am-pelatananao Andriamanitra ô,

7 Ny aiko, ny anjarako, apetrako.

Fiv: Eo am-pelatananao Andriamanitra ô.

 

TONONKIRAN'I SIMEONA

Sas: Tsy maintsy maty i Kristy mba hampiray ny

zanak'Andriamanitra nisara-bazana. (Jn 11,50-52)

Andininy: (Lk 2,29-32)

Eny Tompo,

Am-piadanana tokoa ankehitriny

Andefasanao ity mpanomponao:

Dia ho to 'zay voalazanao!

Fa satria:

'Zany masoko mahita miharihary

'Zato famonjena 'zay nomaninao

Ho an'ireo firenen-drehetra.

Hazavana

'Zay hanilo ny vahoaka eran-tany

Fa kiady kosa sady reharehan'

I Israely vahoakanao!

Eny, Tompo,

Mendri-dera ny fitiavanao anay

Fa nirahinao ho anay ny Zanakao

Hampiadana anay rehetra.

Sas: Tsy maintsy maty i Kristy mba hampiray ny

zanak'Andriamanitra nisara-bazana.

 

FANGATAHANA

Ray be fitiavana ô, sitrakao ny hahavonjy anay, ka nomenao anay i Kristy Zanaka hitondra anay hivondrona ao aminao; be anefa ny hadisoanay androany fa nanohitra ny sitraponao izahay, koa amindrao fo fa tianao, amin'ny alalan'i Kristy Tomponay no angatahanay izany.

na hoe:

Ry Andriamanitra Andriananahary, enga anie izahay hampiraisinao amin'ny Zanakao Lahitokana nalevina tao am-pasana, mba hiaraka aminy koa hitsangan-ko velona amin'ny fiainam-baovao. Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.

 

HIRA FANKALAZANA AN'I MASINA MARIA

 

TSODRANO (Mk 4,8 sy Jn 12,24)

Mpitsodrano:

Aoka anie ny voa nafafin'Andriamanitra ao am-pontsika, hitombo sy hamoa araka ny sitrapony.

Vahoaka:

Isika kosa samy handry mahafoha tena ê, mba hisaotra sy hanompo Azy amin-kafaliana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0195