Talata Herinandro II

ANTSA

1. Tsy natahotra vavan'olona Ianao,

Fa lehilahy tsy marina fanta-bahoaka,

Niraisanao vatsy, niraisana aina.

Fa angaha moa Ianao koa mpanararaotra?

Dia indro izy taitra ka tonga saina,

Nandao ny asa ratsiny: velona aina,

Nanaraka Anao Tompo sy harena.

2. Tsy natahotra vavan'olona Ianao,

Fa vehivavy ratsy ifanondroa-molotra

Nekenao-tomany tan-tongotrao.

Fa angaha moa Ianao hifindran'ireo tsiny?

Dia indro izy taitra ka tonga saina,

Nandao ny fiainan-dratsiny: velona aina,

Fa tojo Anao Tompon'ny famonjena.

3. Tsy matahotra vavan'olona Ianao,

Fa olona osa ka mora solafaka

Ekenao hitondra ny Anaranao.

Fa angaha moa Ianao hampanaram-po azy?

Dia indro izahay àry tonga saina,

Mioitra miady amin'ny fahalemena,

Mitozo hiray Aminao Ilay Masina. (Mt 9, 9-13; L k 7, 36.50; Fil 3, 9-14.)

 

SALAMO 143 (142)

Tsapansy fa tsy misy fetra ny fitiavanao ry Ray: nafoinao hamonjy anay ny Zanakao Lahitokana; matoky izahay eo anivon'ny adim-piainana mianjady aminay.

Sas: Endrey ny fitiavan'Andriamanitra antsika:

Nomeny ny Zanany Lahitokana isika olombelona

mba tsy ho very izay mino Azy, fa izany no sitrany. (Jn 3,16)

Andininy:

Mba henoy ny fivavahako ry Tompo mahatoky;

Mandrenesa ny tarainako misondrotra Aminao.

Mba valio re ny antsoko fa marina Ianao;

Mba henoy re ny feoko fa antra fo Ianao.

Aza aidi-pitsarana hifandahatra Aminao,

Fa tsy misy olo-marina rah'toa mitsara Ianao.

Tanaraham-pahavalo 'zany aiko ka vonjeo;

He hoseny sy hitsahiny ny aiko ka avoty!

He fa haizina mikitroka no ametrahany ahy,

Hiara-monina am'izay nodimandry efa ela.

Mihareraka sy tankina ny aiko manontolo,

Fa mitebiteby lava ao anatiko ao ny foko.

Dia tsaroako teo daholo ny androko efa lasa,

Ka tsaroako tamin'izay koa ny zava-bitanao.

Dia ny asanao rehetra ka nameno 'zany saiko;

Nodinihiko tokoa re ny asa vitanao.

Ka asandratro ny tanako mangataka Aminao

Fa mangetaheta Anao toy ny tany karakaina.

Mba valio re ny sentoko, ry Tompo tsara fo!

Efa reraka ny foko ary ambivitra ny aiko.

Aza afenina ahy ry Tompo, 'zany tavanao iriko

Sao hitovy ts'isy valaka am'ireo alevina aho!

Ny fitiavanao anie hanampy ahy raha vao maraina

Fa mitoky Aminao 'ty fanahiko, Andriamanitra.

Mba toroy ny lala-marina aho fa io no sitrakao

Fa maniry Anao hatrany ny fanahiko, ry Tompo.

Mba vonjeo aho, ry Tompo, ka reseo ny fahavalo

Fa Ianao no fialofako sy rova mahatoky.

Ka ny sitrakao atoro mba ho fantatro, ry Tompo,

Fa Ianao irery manko no Andriamanitra tompoiko.

Ilay aina mahavelona miloatra avy Aminao

No mba aoka hanoro ahy 'zany lalana mahitsy.

O ry Tompo tsara fo ô, mba velomy re ny aiko;

Noho ny fahamarinanao mba sorohy re ny loza.

Koa avia mba hidera sy hisaotra an'Izy Tompo

Fa matoa isika velona dia izy no mitahy.

Mba derao koa ny Zanaka Mpamonjy ny mahantra;

Ny Fanahy mpihaino vavaka tolory fanajana.

Sas: Endrey ny fitiavan'Andriamanitra antsika:

Nomeny ny Zanany Lahitokana isika olombelona

mba tsy ho very izay mino Azy, fa izany no sitrany.

 

na:

SALAMO 121 (120)

Solafaka isika... noho isika tsy mba niaraka tamin’ny Tompo.

Sas: Izay manaraka Azy Tompo tsy mba mandeha amin’ny haizina,

fa Izy no Fahazavana sy Fiainana ary Lalana. (Jn 8,12 sy 14,6)

1 Miandra any antendrombohitra ny masoko:

Avy aiza ary no ho tonga izany vonjiko?

2 Avy any amin’izy Tompo re ny vonjiko,

Fa Izy nanao ny tany sy ny lanitra;

3 Ary Izy tsy hamela anao ho solafaka

Satria tsy sondrian-tory fa miambina,

4 Tokoa tsy sondrian-tory na rendremana,

Fa miambina an’i Isiraely re ny Tompony.

5 Ny Tompo miahy anao amin’ny alina

Ny Tompo eo anilanao ka miambina.

6 Masoandro ny atoandro, tsy afaka hisompatra,

Ny volan’ny alina aoka tsy hatahorana.

7 Tsy voan’ny loza ianao fa ambenany.

Ho lavitra anao ny rofy sy ny aretina.

8 Miambina anao mandroso sy miverina,

Ny Tompo no toky ary Izy tsy mivadika.

9 Isaorako lalandava re ny Tompoko:

Ny Ray ‘zay nanangana ahy sy mitsimbina,

10 Ny Zanaka hazavana mahavelona

Naniraka ny Fanahy mahasambatra.

Sas: Izay manaraka Azy Tompo tsy mba mandeha amin’ny

haizina, fa Izy no Fahazavana sy Fiaina na ary Lalana.

 

TENIN'ANDRIAMANITRA (1 Tes 5,4-6)

Ianareo, ry rahalahy, dia tsy mba ao anatin'ny maizina, ka tsy hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andron'ny Tompo izany, fa zanaky ny mazava, zanaky ny andro ianareo rehetra; eny, tsy zanaky ny alina na zanaky ny haizina isika. Koa aza sondrian-tory tahaka ny hafa isika, fa samia miambina tsara, ary mahalalà onony.

 

VALINKIRA

“Olona afaka isika!” Moa va ilay FAHAFAHANA nentin'i Krisy, dia ny ma­ha-zanaka antsika afaka mitia ny Ray, no iainantsika sy karohintsika?

Fiv: Olona afaka isika.

1 Foana izao ny fahafatesana!

Fiv: Olona afaka isika.

2 Foana koa ny ranomaso.

Fiv: Olona afaka isika.

3 Indro ny Andriamanitsika!

Fiv: Olona afaka isika.

4 Ndeh' hifaly sy hiravo! (Iz 25,8-9)

Fiv: Olona afaka isika.

5 Ny Fanahy nomena antsika.

Fiv: Olona afaka isika.

6 Tonga Zanaka isika. (Rom 8,14-15)

Fiv: Olona afaka isika.

7 Afa-tahotra amin'izay e!

Fiv: Olona afaka isika.

8 Toy ny Zanaka amy Ray. (Jn 8,31-36; Jn 4,18)

Fiv: Olona afaka isika.

 

TONONKIRAN'I SIMEONA

Sas: Homeko fahendrena tsy hain'ny fahavalo toherina ianareo! (Lk 21,15)

Andininy: (Lk 2,29-32)

Eny Tompo,

Am-piadanana tokoa ankehitriny

Andefasanao ity mpanomponao:

Dia ho to 'zay voalazanao!

Fa satria:

'Zany masoko mahita miharihary

'Zato famonjena 'zay nomaninao

Ho an'ireo firenen-drehetra.

Hazavana

'Zay hanilo ny vahoaka eran-tany

Fa kiady kosa sady reharehan'

I Israely vahoakanao!

Eny, Tompo,

Mendri-dera ny fitiavanao anay

Fa nirahinao ho anay ny Zanakao

Hampiadana anay rehetra.

Sas: Homeko fahendrena tsy hain'ny fahavalo toherina ianareo!

 

FANGATAHANA

Ry Kristy Jesoa Zokinay ô, fantatray fa tsy misaraka aminay Ianao na matory iza­hay na mifoha! Hiaro anay tsy ho rendriky ny ota sy tsy ho resin'ilay Ratsy anie Ianao, ka na dia ny torimasonay aza dia ho tonga vavaka mampiombona anay aminao. Fa Ianao velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.

 

HIRA FANKALAZANA AN'l MASINA MARIA

 

TSODRANO

Mpitsodrano:

Enga anie Andriamanitra Raintsika hanavao ny herintsika mandritra ity alina ity mba ho afaka hanompo Azy tsara isika raha vao miposaka ilay masoandro tsy mety milentika.

Vahoaka:

Veloma ê, dia samy ho tratry ny maraina isika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0078