Talata Herinandro I

ANTSA

Tanteraka ny Famonjena antsika noho ny asan'ny Fanahy Masina. Mbola izany FOFON'AINA izany no manentana antsika ankehitriny, ka afaka mivelona ny Fiainam-baovao nentin'i Kristy isika.

1 Ry Fanahin'Izy Tompo nisonenika nameno an'izao tontolo izao,

Ry Fanahin'Izy Tompo izay nomeny hampiaina ny olombelona rehetra (Jen 1)

2 Herinao no tsirin'aina nampamokatra tokoa zazavavy masin-toetra,

Nahavelona ho Nofo naka itony fombanay Ilay Zanaky ny Avo. (Lk 1,35)

3 Ianao nanosotra Azy mba ho feno fahendrena ka hitory teny soa

Hankahery 'reo mahantra, hanasitrana ny ratra 'Zay mandrotika ny fony. (Lk4,14-19)

4 Ianao no nananganan'Andriamanitra Azy Tompo mba ho santatra ho anay

Nanavao ny fiainanay 'zay nateraka indray Hiombon'aina amin'ny Ray.

(Rom 8,11; Tit 3,5)

5 Herinay tokoa Ianao manamafy ny finoana mahatonga anay hijoro

Mba ho iraka hanambara sady taratra manilo ny voaary manontolo. (Asa 1,8)

6 Ny Fiangonanao herezo ka ho vatana tomady eo anivon-java-maro

Atanjaho ka tantano mba hirehitra fitia Hambabo 'reo mania.

 

SALAMO 143 (142)

Tsapansy fa tsy misy fetra ny fitiavanao ry Ray: nafoinao hamonjy anay ny Zanakao Lahitokana; matoky izahay eo anivon'ny adim-piainana mianjady aminay.

Sas: Endrey ny fitiavan'Andriamanitra antsika:

Nomeny ny Zanany Lahitokana isika olombelona

mba tsy ho very izay mino Azy, fa izany no sitrany. (Jn 3,16)

Andininy:

Mba henoy ny fivavahako ry Tompo mahatoky;

Mandrenesa ny tarainako misondrotra Aminao.

Mba valio re ny antsoko fa marina Ianao;

Mba henoy re ny feoko fa antra fo Ianao.

Aza aidi-pitsarana hifandahatra Aminao,

Fa tsy misy olo-marina rah'toa mitsara Ianao.

Tanaraham-pahavalo 'zany aiko ka vonjeo;

He hoseny sy hitsahiny ny aiko ka avoty!

He fa haizina mikitroka no ametrahany ahy,

Hiara-monina am'izay nodimandry efa ela.

Mihareraka sy tankina ny aiko manontolo,

Fa mitebiteby lava ao anatiko ao ny foko.

Dia tsaroako teo daholo ny androko efa lasa,

Ka tsaroako tamin'izay koa ny zava-bitanao.

Dia ny asanao rehetra ka nameno 'zany saiko;

Nodinihiko tokoa re ny asa vitanao.

Ka asandratro ny tanako mangataka Aminao

Fa mangetaheta Anao toy ny tany karakaina.

Mba valio re ny sentoko, ry Tompo tsara fo!

Efa reraka ny foko ary ambivitra ny aiko.

Aza afenina ahy ry Tompo, 'zany tavanao iriko

Sao hitovy ts'isy valaka am'ireo alevina aho!

Ny fitiavanao anie hanampy ahy raha vao maraina

Fa mitoky Aminao 'ty fanahiko, Andriamanitra.

Mba toroy ny lala-marina aho fa io no sitrakao

Fa maniry Anao hatrany ny fanahiko, ry Tompo.

Mba vonjeo aho, ry Tompo, ka reseo ny fahavalo

Fa Ianao no fialofako sy rova mahatoky.

Ka ny sitrakao atoro mba ho fantatro, ry Tompo,

Fa Ianao irery manko no Andriamanitra tompoiko.

Ilay aina mahavelona miloatra avy Aminao

No mba aoka hanoro ahy 'zany lalana mahitsy.

O ry Tompo tsara fo ô, mba velomy re ny aiko;

Noho ny fahamarinanao mba sorohy re ny loza.

Koa avia mba hidera sy hisaotra an'Izy Tompo

Fa matoa isika velona dia izy no mitahy.

Mba derao koa ny Zanaka Mpamonjy ny mahantra;

Ny Fanahy mpihaino vavaka tolory fanajana.

Sas: Endrey ny fitiavan'Andriamanitra antsika:

Nomeny ny Zanany Lahitokana isika olombelona

mba tsy ho very izay mino Azy, fa izany no sitrany.

 

TENIN'ANDRIAMANITRA

A: 1 Piera 5,8-9:

Mahonòna tena ary malina, fa ny demony fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo, mova tsy liona mierona mitady izay harapany: finoana mafy orina entina manohitra azy.

na B: 1 Piera 1, 6-7 - D: 1 Tes 5,4-6 - E: Mt 16,1-3

 

VALINKIRA

“Olona afaka isika!” Moa va ilay FAHAFAHANA nentin'i Krisy, dia ny ma­ha-zanaka antsika afaka mitia ny Ray, no iainantsika sy karohintsika?

Fiv: Olona afaka isika.

1 Foana izao ny fahafatesana!

Fiv: Olona afaka isika.

2 Foana koa ny ranomaso.

Fiv: Olona afaka isika.

3 Indro ny Andriamanitsika!

Fiv: Olona afaka isika.

4 Ndeh' hifaly sy hiravo! (Iz 25,8-9)

Fiv: Olona afaka isika.

5 Ny Fanahy nomena antsika.

Fiv: Olona afaka isika.

6 Tonga Zanaka isika. (Rom 8,14-15)

Fiv: Olona afaka isika.

7 Afa-tahotra amin'izay e!

Fiv: Olona afaka isika.

8 Toy ny Zanaka amy Ray. (Jn 8,31-36; Jn 4,18)

Fiv: Olona afaka isika.

 

TONONKIRAN'I SIMEONA

Nolazainao, ry Tompo, fa maro ny mpaminany sy ny olo-marina naniry hahita ny famonjena avy Aminao, miharihary aminay mpanompo anefa, ankehitriny, ny Voninahitrao ka harory am'piadanana izahay anio hariva.

Sas: Tonga nofo ny Zanak'Andriamanitra ka nonina taty amintsika.

Nibanjina ny voninahiny izahay. (Jn 1,14)

Andininy: (Lk 2,29-32)

Eny Tompo,

Am-piadanana tokoa ankehitriny

Andefasanao ity mpanomponao:

Dia ho to 'zay voalazanao!

Fa satria:

'Zany masoko mahita miharihary

'Zato famonjena 'zay nomaninao

Ho an'ireo firenen-drehetra.

Hazavana

'Zay hanilo ny vahoaka eran-tany

Fa kiady kosa sady reharehan'

I Israely vahoakanao!

Eny, Tompo,

Mendri-dera ny fitiavanao anay

Fa nirahinao ho anay ny Zanakao

Hampiadana anay rehetra.

Sas: Tonga nofo ny Zanak'Andriamanitra ka nonina taty amintsika.

Nibanjina ny voninahiny izahay.

 

FANGATAHANA

Ry Andriamanitra Fanahy Masina ô, isaoranay Ianao, fa naneho ny fitia­van'­ny Ray anay androany tontolo andro; koa mitoera lalandava ao aminay dia ho feno fatra ny hafaliana maha-zanaka anay fa Ianao velona sy manjaka miaraka amin'ny Ray sy ny Zanaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.

Na hoe:

Ry Tompo mpitsimbina ô, hazavao ity alina ity, ka ataovy mahita tory soa aman-tsara izahay ary fohazy ho finaritra hahita andro vaovao hiposaka rahampitso. Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.

 

HIRA FANKALAZANA AN'I MASINA MARIA

 

TSODRANO

Mpitsodrano:

Enga anie Andriamanitra Raintsika hanavao ny herintsika mandritra ity alina ity mba ho afaka hanompo Azy tsara isika raha vao miposaka ilay masoandro tsy mety milentika.

Vahoaka:

Veloma ê, dia samy ho tratry ny maraina isika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0183