ANTSA
1. Masina Maria ô, Renin'Andriamanitra,
Hitehirizo fo madio aho
Toy ny loharano tsy misy tsingala,
Tsy misy tsingala.
2. Masina Maria ô, Renin'Andriamanitra,
Fo tsotra homena ahy
Tsy hikombona amin'ny dona mandratra,
Ny dona mandratra.
3. Masina Maria ô, Renin'Andriamanitra,
Fo miantra no angatahiko
Tsy mivadika, tsy sasa-mizara,
Tsy sasa-mizara.
4. Masina Maria ô, Renin'Andriamanitra,
Fo mahay mankasitraka
Tsy mitana an-dalom-po ny amin'ny ratsy,
Ny amin'ny ratsy.
5. Masina Maria ô, Renin'Andriamanitra,
Mba omeo hamoram-po aho
Hietry tena hatrany na misy mpitia,
Na tsisy mpitia.
6. Masina Maria ô, Renin'Andriamanitra,
Mba ho fo tsy mora tofoka,
Fa hisokatra amin'izay mankahala,
Izay mankahala.
SALAMO 131 (130)
Adala nomen-tanan’ondry isika kristianina, ka na soloina ofany aza
tsy tiana, mahazo ny Fiadan’i Kristy.
Sas: Ento ny jiogako, mianara amiko,
fa malemy fanahy aho,
Ka hahita fiadanana ianao. (Mt 11,29)
Andininy:
1. Tsy mba miavona ny foko, ô ry Tompo ô,
Ka ny masako mijery tsy mianjona!
Ireo zavatra vaventy tsy enjehiko,
Ireo avo tsy sahaza alaviriko!
2. Afa-diana ny fanahiko: mamitsaka,
Toy ny zaza afa-po an-tratran-dreniny
Matokia ny Tomponao, ô ry Jakôba ô
Hatrizao sy amy taona tsisy fetrany!
3. O ry Ray, Ianao mpiahy ny madinika,
O ry Zanaka, mpitondra fahafahana!
Ry Fanahy, loharanom-piadanana,
Ny fanahiko no miantsa: voninahitra!
Sas: Ento ny jiogako, mianara amiko,
fa malemy fanahy aho,
Ka hahita fiadanana ianao.
na:
SALAMO 4
Ray ô, efa natsanganao ho zanaka tahaka ny Zanakao izahay, ka ho toy ny mpirahalahy mianala miaraka Aminy: Izy no tokinay ary izahay kosa ho tokiny.
Sas: Aoka tsy hatahotra ianareo, na dia vitsy aza ianareo,
fa sitraky ny Rainareo ê ny hanome ny fanjakany. (Lk 12,32)
Andininy:
Raha miantso aho, valio, Andriamanitro
Fa Ianao re no fahamarinako
Ary Ianao no namonjy amy sarotra
Koa iantrao ary henoy ny antsoantsoko.
Ianareo kosa ho'aho, dia maninona
No dia tia zava-poana sy fitaka?
He ny Tompo miahy ny olo-maminy
Rah'vao miantso Azy Tompo aho dia henony.
Mangovita atsaharo ny heloka,
Mandiniha eo am-pialana sasatra;
'Zay fanatitra mendrika atolotra
Ary dia itokio Andriamanitra.
Iza hoe no hampahita fiadanana?
Asehoy ny endrikao Andriamanitra.
Ny hafaliana nomenao, ry Tompoko,
Mihoatra ny azy amy taom-pamokarana.
Raha vao mandry aho matory am-piadanana
Fa Ianao ihany manko no tokiko.
Eny isaorako Ianao Andriamanitro
Zanakao no nitondra fiadanana.
Sas: Aoka tsy hatahotra ianareo, na dia vitsy aza ianareo,
fa sitraky ny Rainareo ê ny hanome ny fanjakany.
SALAMO 134 (133)
Ny Tompo, miandry antsika hatrany, hangata-bonjy Aminy sy hisaotra Azy, na andro na alina.
Sas: Tompo ô, ampianaro mivavaka izahay. (bis) (Lk 11,1)
Andininy:
Ianareo rehetra manompo ny Tompo, misaora ny Tompo.
Ianareo 'zay manompo ny Tompo amin'ny alina an-toerany Masina.
Asandrato ny tananareo ka misaora ny Tompo Tsitoha
Ary aoka izy anie hitso-drano anareo 'zay eto Siona.
Koa andeha re hidera ny Ray 'zay mitahy sy miambina antsika
Ary hisaotra ny Zanaka sy ny Fanahy 'Zay niantsoana antsika.
Sas: Tompo ô, ampianaro mivavaka izahay. (bis)
TENIN'ANDRIAMANITRA (1 Tes 5,2-3)
Diso fantatrareo loatra fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo. Amin'ilay hilazan'ny olona hoe: «Miadana sy milamina isika izao», amin'izay indrindra no ho avy tampoka ny loza, tahaka ny manjo ny vehivavy mihetsi-jaza, ary tsy hisy ho afa-mandositra.
VALINKIRA (Iz 45,21-24 sy Fil 2,10)
Fiv: Ry Zanak'Andriamanitra rehetra, aoka hiaiky fa
ny Tompo no mahery ê,
1 Aoka hiaiky fa ny Tompo no mahery.
Fiv: Ry Zanak'Andriamanitra rehetra, aoka hiaiky fa
ny Tompo no mahery ê,
2 Aoka hiaiky voninahitra ny Tompo.
Fiv: Ry Zanak'Andriamanitra rehetra, aoka hiaiky fa
ny Tompo no mahery ê,
3 Hiankohoka hitsaoka sy hanoa.
Fiv: Ry Zanak'Andriamanitra rehetra, aoka hiaiky fa
ny Tompo no mahery ê,
4 Fa tsy misy Tompo toy ny Tompdntsika.
Fiv: Ry Zanak'Andriamanitra rehetra, aoka hiaiky fa
ny Tompo no mahery ê,
5 Izy manko no nandray ny fahefana. (Jn 3,35)
Fiv: Ry Zanak'Andriamanitra rehetra, aoka hiaiky fa
ny Tompo no mahery ê,
6 Indro resiny avokoa ny fahavalo. (Jn 16,33)
Fiv: Ry Zanak'Andriamanitra rehetra, aoka hiaiky fa
ny Tompo no mahery ê,
7 Mba handresy miaraka Aminy isika. (1 Jn 5,51)
Fiv: Ry Zanak'Andriamanitra rehetra, aoka hiaiky fa
ny Tompo no mahery ê,
TONONKIRAN'I SIMEONA
Sas: Tampotampoka teo dia hita nizotra teny ambony ranomasina;
tampotampoka teo dia hita nitety ny onja i Jesoa. Vonona ny handray
Azy ho any an-tsambokely ny mpianany,
kinanjo indro fa tonga sahady,
tody soa sahady isika miaraka aminy. (Jo 6,19b-2,1) (indroa)
Andininy: (Lk 2,29-32)
Eny Tompo,
Am-piadanana tokoa ankehitriny
Andefasanao ity mpanomponao:
Dia ho to 'zay voalazanao!
Fa satria:
'Zany masoko mahita miharihary
'Zato famonjena 'zay nomaninao
Ho an'ireo firenen-drehetra.
Hazavana
'Zay hanilo ny vahoaka eran-tany
Fa kiady kosa sady reharehan'
I Israely vahoakanao!
Eny, Tompo,
Mendri-dera ny fitiavanao anay
Fa nirahinao ho anay ny Zanakao
Hampiadana anay rehetra.
Sas: Tampotampoka teo dia hita nizotra teny ambony ranomasina;
tampotampoka teo dia hita nitety ny onja i Jesoa. Vonona ny handray
Azy ho any an-tsambokely ny mpianany,
kinanjo indro fa tonga sahady,
tody soa sahady isika miaraka aminy. (indroa)
FANGATAHANA
Ry Andriamanitra, Dadanay ô, misaotra Anao eram-po eram-panahy izahay, noho ireo fanomezan-tsoa rehetra natobakao taminay nandritra ity herinandro ity! Eny, mankasitraka sy mankatelina Anao izahay, satria sady Rainay Ianao no Reninay! Jesoa Zanakao sy ny Fanahinao Fitiavana anie homba anay lalandava, dia mba hanana fanahin-janaka mendrika Anao Rainay izahay. Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
HIRA FANKALAZANA AN'I MASINA MARIA
TSODRANO (1 Tes 6,23 sy 4,17)
Mpitsodrano:
Andriamanitra Ray Loharanon'ny fiadanana anie hanamasina ny tenantsika tsy hananantsika tsiny amin'ny andro hiverenan'i Kristy.
Vahoaka:
Dia samy ho vonona hitsena Azy anie isika.