Asabotsy Herinandro I

ANTSA

Eo anivontsika mandrakariva i Kristy Hazavana, dia ho maizina am-pototry ny jiro ve isika?

Fiv: Nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso hoe:

„Inty tamy ny Mpampakatra ka mitsangana re

Eny mandehana mitsena an'i Kristy, mandehana ka tsenao i Kristy!“ (Mt 25,6)

1 Tao anaty haizim-pito re ny foko

No nikatsaka ny endriky ny Tompoko

Nihoron-koditra aho fa maizina ny lalako

Rahoviana aho no hihaona amin'ny Tompoko?

Fiv: Nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso hoe:

„Inty tamy ny Mpampakatra ka mitsangana re

Eny mandehana mitsena an'i Kristy, mandehana ka tsenao i Kristy!“

2 Teo anivom-pijaliana ny fanahiko

No nikaroka ny tanan'Izy Tompoko:

Varahontsana aho fa lany re ny heriko,

Rahoviana aho no hihaona amin'ny Tompoko?

Fiv: Nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso hoe:

„Inty tamy ny Mpampakatra ka mitsangana re

Eny mandehana mitsena an'i Kristy, mandehana ka tsenao i Kristy!“

3 Nobanjiniko 'reo olo-manan-daza,

Nantenaiko fa ireo no haneho ny Tompoko.

Hay va re ka ny mahantra tsy mba tazana

No efa sitrany isehoana sy hotiaviko.

Fiv: Nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso hoe:

„Inty tamy ny Mpampakatra ka mitsangana re

Eny mandehana mitsena an'i Kristy, mandehana ka tsenao i Kristy!“

4 Teo anivon'ireo mpianatra aho nikaroka

Nalahelo fa tsy tazako ny Tompoko

Kanjo raha nizara mofo niombom-bavaka

Nibaliaka ny hazavana notadiaviko!

Fiv: Nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso hoe:

„Inty tamy ny Mpampakatra ka mitsangana re

Eny mandehana mitsena an'i Kristy, mandehana ka tsenao i Kristy!“

 

SALAMO 4

Ray ô, efa natsanganao ho zanaka tahaka ny Zanakao izahay, ka ho toy ny mpirahalahy mianala miaraka Aminy: Izy no tokinay ary izahay kosa ho tokiny.

Sas: Aoka tsy hatahotra ianareo, na dia vitsy aza ianareo,

fa sitraky ny Rainareo ê ny hanome ny fanjakany. (Lk 12,32)

Andininy:

Raha miantso aho, valio, Andriamanitro

Fa Ianao re no fahamarinako

Ary Ianao no namonjy amy sarotra

Koa iantrao ary henoy ny antsoantsoko.

Ianareo kosa ho'aho, dia maninona

No dia tia zava-poana sy fitaka?

He ny Tompo miahy ny olo-maminy

Rah'vao miantso Azy Tompo aho dia henony.

Mangovita atsaharo ny heloka,

Mandiniha eo am-pialana sasatra;

'Zay fanatitra mendrika atolotra

Ary dia itokio Andriamanitra.

Iza hoe no hampahita fiadanana?

Asehoy ny endrikao Andriamanitra.

Ny hafaliana nomenao, ry Tompoko,

Mihoatra ny azy amy taom-pamokarana.

Raha vao mandry aho matory am-piadanana

Fa Ianao ihany manko no tokiko.

Eny isaorako Ianao Andriamanitro

Zanakao no nitondra fiadanana.

Sas: Aoka tsy hatahotra ianareo, na dia vitsy aza ianareo,

fa sitraky ny Rainareo ê ny hanome ny fanjakany.

 

SALAMO 134 (133)

Ny Tompo, miandry antsika hatrany, hangata-bonjy Aminy sy hisaotra Azy, na andro na alina.

Sas: Tompo ô, ampianaro mivavaka izahay. (bis) (Lk 11,1)

Andininy:

Ianareo rehetra manompo ny Tompo, misaora ny Tompo.

Ianareo 'zay manompo ny Tompo amin'ny alina an-toerany Masina.

Asandrato ny tananareo ka misaora ny Tompo Tsitoha

Ary aoka izy anie hitso-drano anareo 'zay eto Siona.

Koa andeha re hidera ny Ray 'zay mitahy sy miambina antsika

Ary hisaotra ny Zanaka sy ny Fanahy 'Zay niantsoana antsika.

Sas: Tompo ô, ampianaro mivavaka izahay. (bis)

 

TENIN'ANDRIAMANITRA

A: Det 6,4-7:

Mihainoa, ry Israely: Ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo, koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo, amin'ny fanahinao manontolo ary amin'ny herinao rehetra. Aoka ho voarakitra ao am-ponao izao teny andidiako anao izao. Alatsaho ao an-tsain'ny zanakao izany ary lazao azy na ao an'trano ianao na eny an-dalana, na mandry ianao na mifoha.

na: Iz 30,15 sy 18:

Izao no lazain'ny Tompo: Mibebaha ianareo ary miandrasa am-piadanana, matokia tanteraka fa izany no herinareo. Ho avy ny andro, ka hamindra fo aminareo ny Tompo. Eny sambatra izay manantena Azy!

B: Hb 4,9-11a - D: 1 Jn 1,5b-6 - E: 1 Jn 3,18-20.

 

VALINKIRA (Iz 45,21-24 sy Fil 2,10)

Fiv: Ry Zanak'Andriamanitra rehetra, aoka hiaiky fa

ny Tompo no mahery ê,

1 Aoka hiaiky fa ny Tompo no mahery.

Fiv: Ry Zanak'Andriamanitra rehetra, aoka hiaiky fa

ny Tompo no mahery ê,

2 Aoka hiaiky voninahitra ny Tompo.

Fiv: Ry Zanak'Andriamanitra rehetra, aoka hiaiky fa

ny Tompo no mahery ê,

3 Hiankohoka hitsaoka sy hanoa.

Fiv: Ry Zanak'Andriamanitra rehetra, aoka hiaiky fa

ny Tompo no mahery ê,

4 Fa tsy misy Tompo toy ny Tompdntsika.

Fiv: Ry Zanak'Andriamanitra rehetra, aoka hiaiky fa

ny Tompo no mahery ê,

5 Izy manko no nandray ny fahefana. (Jn 3,35)

Fiv: Ry Zanak'Andriamanitra rehetra, aoka hiaiky fa

ny Tompo no mahery ê,

6 Indro resiny avokoa ny fahavalo. (Jn 16,33)

Fiv: Ry Zanak'Andriamanitra rehetra, aoka hiaiky fa

ny Tompo no mahery ê,

7 Mba handresy miaraka Aminy isika. (1 Jn 5,51)

Fiv: Ry Zanak'Andriamanitra rehetra, aoka hiaiky fa

ny Tompo no mahery ê,

 

TONONKIRAN'I SIMEONA

Sao dia hiverina ilalana isika, mahita ny hamafin'ny dia?

Sas: Izay haharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy. (Mt 24,13)

Andininy: (Lk 2,29-32)

Eny Tompo,

Am-piadanana tokoa ankehitriny

Andefasanao ity mpanomponao:

Dia ho to 'zay voalazanao!

Fa satria:

'Zany masoko mahita miharihary

'Zato famonjena 'zay nomaninao

Ho an'ireo firenen-drehetra.

Hazavana

'Zay hanilo ny vahoaka eran-tany

Fa kiady kosa sady reharehan'

I Israely vahoakanao!

Eny, Tompo,

Mendri-dera ny fitiavanao anay

Fa nirahinao ho anay ny Zanakao

Hampiadana anay rehetra.

Sas: Izay haharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy.

 

FANGATAHANA:

E! Andriamanitra Andriananahary, hiafarana izao ny herinandro, ka misaotra Anao indrindra nitahy hatrizay: niantra sy niaro nahavita ny atao; ary izao kosa dia hiala sasatra izahay, miantso Anao hahitanay Anao anatin'ny haizin'ny alina mba hifohazanay indray, hidera Anao, Tompo mahery, mpitantana ny voaary tontolo. Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.

na hoe: [= Alatsinainy, fomba III.]

Ry Kristy Masoandro be lohataona ô, misaotra Anao nanazava ny fiainana sy nitantana ny dia androany, ka hovaliana raha mahatsiaro. Enga anie Ianao iha­ny koa no ho Volana fenomanana, fanala haizin'ny alina amin'ny andro fi­tsa­pana, ka hampisava ny tahotra, ny ahiahy aman-tebiteby. Mangata-pita­hiana Aminao manokana izahay ho an'izay rehetra mandry fotsy na tsy am­py firakotra, ary koa ho an'ny marary tsy mahazo tory. Enga anie Ianao no ho bodofotsin'ny kamboty, ho solon-jiron'ny malahelo, ho fialan-tsasatry ny miferin'aina, ary ho hidin-trano miantoka ny alina ho anay rehetra. Fa Ianao no ilay Velona sy manjaka amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

na hoe:

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba vangio anio alina; ka rehefa fohazinao amin'ny herinao rahampitso maraina, dia ho afaka hifaly amin'i Kristy nitsangana tamin'ny maty. Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.

 

HIRA FANKALAZANA AN'I MASINA MARIA

 

TSODRANO (1 Tes 6,23 sy 4,17)

Mpitsodrano:

Andriamanitra Ray Loharanon'ny fiadanana anie hanamasina ny tenantsika tsy hananantsika tsiny amin'ny andro hiverenan'i Kristy.

Vahoaka:

Dia samy ho vonona hitsena Azy anie isika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0072