Antso Vavaka Fifonana

Toromarika:

Ohatra ho an'ny vavaka fifonana ihany no aroso etoana. Anjaran'ny Fikambanana na ny Fiangonana ny mampifanaraka azy amin'ny zava-misy eto an-toerana.

(Lk 15,12-13)

“Dada ô, omeo ahy ny anjara fananako tokony ho ahy ... nony afaka andro vitsivitsy, dia nangoniny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy, nandany ny fananany tamin'ny fitondran-tena ratsy... !”

Fandinihana:

“Lasa nankany an-tany lavitra izy... !”

- Ny hanalavitra ny rainy no nofidiny! ... hanalavitra ny fitsimbinana!

- Nahatofoka azy ny fitiavan'ny rainy! ... nahatofoka azy ny ho tiavina!

- Te-hahaleo tena sy hahavita tena tanteraka izy; nanakifika izay rehetra ifandraisany amin-drainy!

Fifonana:

Fantatray akory ve fa mitsimbina anay Ianao, ry Ray ô? Izahay indray no manome tsiny ny asa nomenao anay hamokatra iveloman'ny zanak'Andriamanitra rehetra! Mifona izahay!

Tia anay Ianao, ry Jesoa! Heverinay ho fahafahana anefa ny fanaovana ny mahafinaritra anay fotsiny na dia mifanohitra amin'ny fitiavanao aza izany! Mifona izahay!

Ray ô, Fitiavana Ianao. Toa izahay indray anefa no tezitra foana! Toa izahay indray no tsy mahay mankasitraka! Mifona izahay !

Vavaka fifonana hafa:

1 Tsy misy zanak'Ikalahafa eo anatrehanao, ry Tompo; ny anay kosa, dia ireo mamy hoditra aminay ihany no tiavinay.

Valiny: Miaiky heloka izahay, ry Tompo!

2 Tsy mizaha tavan'olona Ianao, ry Tompo fa malala-tanana ho an'ny rehetra. Izahay kosa variana manao am-pihi-mamba, ka manadino ny valala iray tokony hifanapahana!

Valiny: Miaiky heloka izahay, ry Tompo!

3 Hoy i Kristy: “Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo! ... Hadinonay fa ny talenta sy ny zava-tsoa anananay dia avy Aminao; nefa ireo indray no entinay iavonavonana!

Valiny: Miaiky heloka izahay, ry Tompo!

4 Mandrakizay ny indrafonao, ry Tompo. Sarotra ho anay kosa ny mamela heloka noho ny hambom-po tafahoatra mangeja ity vatanay nofo sy rà ity.

Valiny: Miaiky heloka izahay, ry Tompo!

 

Dans la série II, on a transposé les psaumes, quand l’alternative était nouvelle, parce que l’alternative est pensée avoir précédence. (Motiv par tradition orale).

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0237