ANTSA
1. Tompo ô, taiza Ianao anie no noana,
Ary oviana koa no hoe nangetaheta?
- Ny mahantra, ny madinika rehetra,
Ireo no sitraky ny Ray mba hisehoako!
- Sambatra e izay manome sakafo
Azy Tompo, fa horaisiny eo anilany!
2. - Tompo ô, tsy hitanay narary Ianao,
Na nigadra velively tany am-ponja!
- Izay narary, izay nigadra, izay nijaly,
Ireo no sitraky ny Ray mba hisehoako!
- Sambatra e izay afaka mamangy
Azy Tompa, fa horaisiny eo anilany!
3. Tompo ô, taiza Ianao no nivahiny
Notoloranay fandriana sy fitafy?
- Ireo tsy manan-kialofana rehetra,
Ireo no sitraky ny Ray mba hisehoako!
- Sambatra e isika mampiantrano
Azy Tompo, fa horaisiny eo anilany!
SALAMO 103 B (102 B)
Sas: Mbola lavitra ilay zanaka mpandany, dia nahatazana azy rainy, ka onena nidodododo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy. (Lk 15, 20)
Andininy:
1. Fa toy ny fangorahan'ny ray ny zanany
No mba angorahan'ny Tompo
An'izay matahotra Azy! (Misaora ny Tompo misaora!)
2. Izay namoronana antsika, fantany,
Tsaroany fa vovoka isika:
Avy amin'ny vovo-tany.
3. Ny andron'ny olona toy ny ahitra
Mamelana toa voninkazo
'Zay maniry eny an-tsaha. (Misaora ny Tompo, misaora!)
4. Vao tsofin'ny rivotra dia tsy hita
Ny toerana nisy azy teo
Tsy mahalala azy intsony.
5. Maharitra mandrakizay kosa
Ny hatsaram-pon'Izy Tompo
Ho an'izay matahotra Azy. (Misaora ny Tompo, misaora!)
6. Ny fahamarinany ihany koa
Ho an'ny taranak'ireo,
Dia ny zanaka amam-parany.
7. Dia ireo izay manoa ny fanekeny,
Mahatsiaro ny manatanteraka
Izay sitraky ny fony. (Misaora ny Tompo, misaora!)
8. Naorin'ny Tompo ny fiketrahany,
Nataony any an-tampon'ny lanitra
Anjakany ny rehetra.
9. Misaora ny Tompo ianareo Anjeliny,
Mpitondra mahery ny didiny,
Mampandry sofina amin'ny teniny. (Misaora ny Tompo, misaora!)
10. Misaora ny Tompo ianareo, ry tafiny,
Mpanompo sy mpanatanteraka
Izay sitraky ny fony.
11. Misaora ny Tompo ianareo, ry asany,
Any amin'ny toeran-drehetra
Eran-tany fanjakany! (Misaora ny Tompo, misaora!)
12. Misaora ny Tompo, ô ry fanahiko
Ny Ray mpamela ny ota
Hatramin'ny impitopolo fito;
13. Misaora ny Tompo, ô ry fanahiko
Isaory i Kristy fa nandray
Ny namoronana antsika. (Misaora ny Tompo, misaora!)
14. Misaora ny Tompo, ô ry fanahiko!
Isaory ny Fanahy Masina
Fitiavan-tsisy fetra.
Sas: Mbola lavitra ilay zanaka mpandany, dia nahatazana azy rainy, ka onena nidodododo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy.
na:
SALAMO 86 (85)
Aiza no iradiavako ny fampiononana tanteraka raha itambeseran-javatra aho?
Sas: Hisaorana anie Andriamanitra Ray, fa Izy no Ray
Mpamindra fo antsika sy mpanala alahelo. (2 Kor 1,3)
Andininy:
1 Mba henoy sy valio aho, ry Tompo,
Fa dia ory sy mahantra re ty zaho.
‘Ty sakaizanao mifikitra aminao
Mba arovy sy tsimbino lalandava.
2 Amindrao fo hatrany re, ry Tompo,
Fa Ianao no efa nantsoiko isan'andro
'Ty fanahiko asandratro aminao,
Dia ho dibo-kafaliana re ny foko.
3 Tsara fo sady antra Ianao ry Tompo;
He! tianao ireo matoky miantso Anao.
Mitalaho an-tanan-droa aho ka henoy
'Zany antso sy talahoko reneso.
4 Ny antsoiko amin'ny androm-pahoriako
Dia Ianao, ry Tompo, hany mihaino ahy.
Ny andriamani-kafa tsisy toa Anao,
Tsisy iray mahefa ny asa vitanao.
5 Ary ireo firenena arinao
Ho tonga avokoa hiankohoka Aminao,
Fa dia lehibe tokoa ny Anaranao,
Mahagaga raha ny asa vitanao.
6 Atoroy ahy re ny lalanao
Handehanako amy fahamarinanao,
Ka ny tahotra Ilay Anaranao
No ho fifalian'ny foko tia Anao.
7 Fo Fanahy madio tsy misy tsiny
No tiako hiderana ilay Anaranao,
Fa satria mahery ilay Fitiavanao
Nanafahanao ahy tanaty loza.
8 Mba jereo fa mirehareha, ry Tompo,
Ireo manan-daza ka mifofo ny aiko;
Miara-mioko ry zareo hisompatra ahy;
Tsisy vidiny eo imasony, hono, Ianao.
9 Fa Ianao ô, ry Tompo, tambitamby
Sy tsy mba malaky tezitra fa miantra;
Hany marina no sady be fitia,
Ka todiho maso aho fa mitalaho.
10 Hery no atafio ahy mpanompo;
Vonjeo hatrany aho fa zanakao
Hasambarana no ento ho ahy ho toky
Dia ho sina sy ho lao 'reo fahavalo.
11 Hotsaroany am'zay f'Ianao, ry Tompo,
No manda mpiahy, toky sady vonjy
Ray mahery Ianao ka dia namonjy ahy
Tamy Zanakao maty hamelona ahy.
Sas: Hisaorana anie Andriamanitra Ray, fa Izy
no Ray Mpamindra fo antsika sy mpanala alahelo.
TENIN'ANDRIAMANITRA (Jak 1, 16-18 )
Aza diso hevitra, ry rahalahy malalako. Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin'ny Rain'ny fahazavana, izay tsy manam-piovaovana, na aloka avy amin'ny fihodinana. Niteraka antsika an-tsitrapo tamin'ny tenin'ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.
VALINKIRA
Fiv: Fa masina ny Tompo.
1 Tsy mba nisy nahalala an'Andriamanitra.
Fiv: Fa masina ny Tompo.
2 Raha tahiny tsy nirahiny ny Zanany. (Mt 11,27)
Fiv: Fa masina ny Tompo.
3 Tsy ho nisy koa nahazo 'zay voalazany.
Fiv: Fa masina ny Tompo.
4 Raha tahiny tsy nomeny ny Fanahiny. (Jn 16,13)
Fiv: Fa masina ny Tompo.
5 Tsy ho nisy koa nomena ny Fanahiny.
Fiv: Fa masina ny Tompo.
6 Raha tahiny tsy nasandrany ny Zanany. (Jn 7,39; Rom 8,15)
Fiv: Fa masina ny Tompo.
TONONKIRAN'L SIMEONA
Sas: Sambatra ireo mahantra ao am-po, fa azy ny Fanjakan'ny lanitra. (Mt5,3)
Andininy: (Lk 2,29-32)
Eny Tompo,
Am-piadanana tokoa ankehitriny
Andefasanao ity mpanomponao:
Dia ho to 'zay voalazanao!
Fa satria:
'Zany masoko mahita miharihary
'Zato famonjena 'zay nomaninao
Ho an'ireo firenen-drehetra.
Hazavana
'Zay hanilo ny vahoaka eran-tany
Fa kiady kosa sady reharehan'
I Israely vahoakanao!
Eny, Tompo,
Mendri-dera ny fitiavanao anay
Fa nirahinao ho anay ny Zanakao
Hampiadana anay rehetra.
Sas: Sambatra ireo mahantra ao am-po, fa azy ny Fanjakan'ny lanitra.
FANGATAHANA
Ry Andriamanitra Ray be indrafo ô, lalina ny fitsimbinanao anay zanakao fa sady avelanao ny helokay no nampanalavirinao anay koa ny hadisoana. Hameno hafaliana ny fonay manontolo anie izany Fitiavanao izany ka ho afaka manatona Anao tsy an-kijanona izahay. Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
HIRA FANKALAZANA AN'l MASINA MARIA
TSODRANO Is 55,10-11
Mpitsodrano:
Hirotsaka amintsika tahaka ny ranonorana anie ny tsodranon'Andriamanitra, ka tsy hiverina aminy raha tsy mahatanteraka izay sitrany amintsika.
Vahoaka:
Misaotra e! Fa sitrak'Andriamanitra ny hahavonjy antsika!