ANTSA
Tsy ho ketraka aho, tsy ho ketraka isika! Fa ny Tompo, Tompontsika!
1 Fa natory izany Tompo, tao an-tsambo niampitana
Nihotakotaka ny onja ka ny rivotra tsy tana:
Fa ny mpianany izay teo
Niantsoantso hoe: “Vonjeo!
Fa ho faty izahay, aiza Ianao Tompo ô, haingana!”
2 Eto an-tany koa isika, mahatsiaro tena ho very,
Toa matory izany Tompo ka mamela antsika ho irery
Honjohonjontsika sisa,
Mamoy fo, mamisavisa:
“Fa matory ve ny Tompo, sa aiza Izy no miery?”
3 Tsy matory anie ny Tompo, sanatria tsy manadino,
Mbola ho avy ny fotoana, hamonjeny antsika mino.
Tsisy loza, tsisy antambo,
Afa-mandrendrika ny sambo:
Fa ny Tompo tia antsika, miara-miondrana amintsika !
SALAMO 86 (85)
Aiza no iradiavako ny fampiononana tanteraka raha itambeseran-javatra aho?
Sas: Hisaorana anie Andriamanitra Ray, fa Izy no Ray
Mpamindra fo antsika sy mpanala alahelo. (2 Kor 1,3)
Andininy:
1 Mba henoy sy valio aho, ry Tompo,
Fa dia ory sy mahantra re ty zaho.
‘Ty sakaizanao mifikitra aminao
Mba arovy sy tsimbino lalandava.
2 Amindrao fo hatrany re, ry Tompo,
Fa Ianao no efa nantsoiko isan'andro
'Ty fanahiko asandratro aminao,
Dia ho dibo-kafaliana re ny foko.
3 Tsara fo sady antra Ianao ry Tompo;
He! tianao ireo matoky miantso Anao.
Mitalaho an-tanan-droa aho ka henoy
'Zany antso sy talahoko reneso.
4 Ny antsoiko amin'ny androm-pahoriako
Dia Ianao, ry Tompo, hany mihaino ahy.
Ny andriamani-kafa tsisy toa Anao,
Tsisy iray mahefa ny asa vitanao.
5 Ary ireo firenena arinao
Ho tonga avokoa hiankohoka Aminao,
Fa dia lehibe tokoa ny Anaranao,
Mahagaga raha ny asa vitanao.
6 Atoroy ahy re ny lalanao
Handehanako amy fahamarinanao,
Ka ny tahotra Ilay Anaranao
No ho fifalian'ny foko tia Anao.
7 Fo Fanahy madio tsy misy tsiny
No tiako hiderana ilay Anaranao,
Fa satria mahery ilay Fitiavanao
Nanafahanao ahy tanaty loza.
8 Mba jereo fa mirehareha, ry Tompo,
Ireo manan-daza ka mifofo ny aiko;
Miara-mioko ry zareo hisompatra ahy;
Tsisy vidiny eo imasony, hono, Ianao.
9 Fa Ianao ô, ry Tompo, tambitamby
Sy tsy mba malaky tezitra fa miantra;
Hany marina no sady be fitia,
Ka todiho maso aho fa mitalaho.
10 Hery no atafio ahy mpanompo;
Vonjeo hatrany aho fa zanakao
Hasambarana no ento ho ahy ho toky
Dia ho sina sy ho lao 'reo fahavalo.
11 Hotsaroany am'zay f'Ianao, ry Tompo,
No manda mpiahy, toky sady vonjy
Ray mahery Ianao ka dia namonjy ahy
Tamy Zanakao maty hamelona ahy.
Sas: Hisaorana anie Andriamanitra Ray, fa Izy
no Ray Mpamindra fo antsika sy mpanala alahelo.
TENIN'ANDRIAMANITRA
A: 1 Tes 5,9-10:
Sanatria tsy nokendren'Andriamanitra hiharan'ny hatezerany isika, fa nokendreny hahazo ny famonjena nentin'i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nahafoy ny ainy hahavelona antsika miaraka aminy na mahatsiaro isika na mandry.
Na B: 2 Piera 1,19 – D: 1 Tes 5,2-3 - E: Jen 1,1-5
VALINKIRA
Fiv: Fa masina ny Tompo.
1 Tsy mba nisy nahalala an'Andriamanitra.
Fiv: Fa masina ny Tompo.
2 Raha tahiny tsy nirahiny ny Zanany. (Mt 11,27)
Fiv: Fa masina ny Tompo.
3 Tsy ho nisy koa nahazo 'zay voalazany.
Fiv: Fa masina ny Tompo.
4 Raha tahiny tsy nomeny ny Fanahiny. (Jn 16,13)
Fiv: Fa masina ny Tompo.
5 Tsy ho nisy koa nomena ny Fanahiny.
Fiv: Fa masina ny Tompo.
6 Raha tahiny tsy nasandrany ny Zanany. (Jn 7,39; Rom 8,15)
Fiv: Fa masina ny Tompo.
TONONKIRAN'I SIMEONA
Mpamangy iray lehibe no andrasantsika anio hariva: Kristy.
Sas: O ry Zake ô, midina haingana, fa tsy maintsy hiantrano ao aminao aho anio. (Lk 19,5)
Andininy: (Lk 2,29-32)
Eny Tompo,
Am-piadanana tokoa ankehitriny
Andefasanao ity mpanomponao:
Dia ho to 'zay voalazanao!
Fa satria:
'Zany masoko mahita miharihary
'Zato famonjena 'zay nomaninao
Ho an'ireo firenen-drehetra.
Hazavana
'Zay hanilo ny vahoaka eran-tany
Fa kiady kosa sady reharehan'
I Israely vahoakanao!
Eny, Tompo,
Mendri-dera ny fitiavanao anay
Fa nirahinao ho anay ny Zanakao
Hampiadana anay rehetra.
Sas: O ry Zake ô, midina haingana, fa tsy maintsy hiantrano ao aminao aho anio.
FANGATAHANA
Ry Tompo Andriamanitra Andriananahary, nangina izao ny voaary tontolo ary sasa-dahasa izahay: koa tsimbino hitsimoka sy hamokatra ny voa nafafinay fa niara-niasa tamin'i Kristy izahay hahatanteraka ny sitraponao. Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
na hoe:
Tompo ô, omeo fiaian-tsasatra mampody hery ny vatanay; ary enga anie izay nisasaranay nafafy androany mba ho vokatra hojinjaina any amin'ny mandrakizay.
na hoe: [= Sabotsy, fomba II.]
Ry Kristy Masoandro be lohataona ô, misaotra Anao nanazava ny fiainana sy nitantana ny dia androany, ka hovaliana raha mahatsiaro. Enga anie Ianao ihany koa no ho Volana fenomanana, fanala haizin'ny alina amin'ny andro fitsapana, ka hampisava ny tahotra, ny ahiahy aman-tebiteby. Mangata-pitahiana Aminao manokana izahay ho an'izay rehetra mandry fotsy na tsy ampy firakotra, ary koa ho an'ny marary tsy mahazo tory. Enga anie Ianao no ho bodofotsin'ny kamboty, ho solon-jiron'ny malahelo, ho fialan-tsasatry ny miferin'aina, ary ho hidin-trano miantoka ny alina ho anay rehetra. Fa Ianao no ilay Velona sy manjaka amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
HIRA FANKALAZANA AN'I MASINA MARIA
TSODRANO Is 55,10-11
Mpitsodrano:
Hirotsaka amintsika tahaka ny ranonorana anie ny tsodranon'Andriamanitra, ka tsy hiverina aminy raha tsy mahatanteraka izay sitrany amintsika.
Vahoaka:
Misaotra e! Fa sitrak'Andriamanitra ny hahavonjy antsika!