Alarobia Herinandro II

ANTSA

1. Jesoa Tompo ô!

Izao no vavako ato am-poko ka entiko aminao!

Na amin'ny androm-pifaliana maharavo ny fiainako,

Na amin'ny androm-pahoriana mampilofika azy koa,

Ny finoako Anao anie

No hibaiko ny fisainako hitodihany aminao!

2. Jesoa Tompo ô!

Izao no vavako mameno ny fanahy sy atifoko:

Na amin'ny androm-pahasambarana ivelaran'ny fitiavako,

Na amin'ny androm-pijaliana isehoana fankahalana,

Ny finoako Anao anie

No hibaiko ny fitiavako hiraiketany aminao!

3. Jesoa Tompo ô!

Izao no vavako mamintina ny amiko rehetra:

Na amin'ny androm-pahombiazana mahamirana ny endriko,

Na amin'ny andro maharesy tsy ahafahako manoatra,

Ny finoako Anao anie

No hibaiko ny finiavako hifikirany aminao!

 

SALAMO 3

Sas: Rendri-torimaso i Jesoa, dia ny torimasom-pahafatesana nefa tafafoha indray, satria ny Tompo Andriamanitra Ray no niankinany. (Md Irénée)

1. Indrisy re, ry Tompo ô, ny hamaroan'ny fahavaloko:

Marobe ireo mitroatra, vonona hanohitra ahy,

Marobe ireo milaza ny momba ahy manao hoe:

«Ho azy iny anie, rey olona, tena tsisy famonjena

Eo anilan'Andriamanitra!»

2. Fa Ianao, Tompo ô [Fa Ianao JHWH], fa Ianao no ampingako,

Fa Ianao no voninahitro, ka atrakanao ny lohako.

Izaho miantso Azy Tompo amin'ny feo manakoako,

Ary Izy avy any am-bohiny, dia ilay vohi-manan-kasina,

He manoina ny antsoko.

3. Ary izaho raha vao mandry dia rendri-torimaso

Dia mitoha miadan-tsaina, fa Izy Tompo no Andry iankinako.

Fa tsy misy atahorako ireo vahoaka an'alikisa

Mihahohaho manodidina, mirangaranga hatraiza hatraiza

Mifofo ny aiko handevona ahy.

4. Mitsangàna re, ry Tompo, mitsangàna hamonjy ahy:

Ny fahavaloko rehetra nasianao tehamaina,

Ary ireo mpanao ratsy, ararakompanao ny nifiny.

Ny Tompo ihany hatrany hatrany, ny Tompo ihany no Mpamonjy

Mitsodrano ny vahoakany.

5. Isaoranay Ianao, ry Ray, fa tsy misy very anjara

Izay miankina aminao, eny, isaoranay Ianao;

Isaoranay Ianao, ry Zanaka, tsy nampandefitra ny marina;

Isaoranay Ianao, ry Aina, Fanahy mpiaro ny madinika

Tsentsefan'olona hatsembohana.

Sas: Rendri-torimaso i Jesoa, dia ny torimasom-pahafatesana nefa tafafoha indray, satria ny Tompo Andriamanitra Ray no niankinany.

 

na:

SALAMO 30A (31A) (sy Salamo 130 (129))

Ianao, ry Jesoa, no andry sy vatolampy iankinanay; ka tsy ho fola-tana-manondro izahay mitoky Aminao.

Sas: Fantatro ilay nametrahako ny fitokiako:

I Kristy Ilay tsy mivadika mandrakizay. (2 Tim 1,12)

Andininy:

Aminao no ifefeko, ry Tompo,

'Zany 'zaho tsy ho menatra akory

Mba vonjeo re fa marina tanao

Ka faingana anondreho sofina aho.

Vatolampiko Ianao, fiereko!

Ka vonjeo fa fiarovako Ianao;

Harambato sy mandako hatrany

Ho faniloko ny Anaranao.

N'vela-pandrika esory anoloako

Fa Ianao re, ry Tompo, no Hery

Aminao no apetrako ny aiko

Ka vonjeo aho fa Marina Ianao.

Eny isaorako Ianao, ô ry Ray,

Nampijoro ny Fiangonanao;

Jesoa Tompo natao fehizoro,

Irafetako mandrakizay!

Sas: Fantatro ilay nametrahako ny fitokiako:

I Kristy Ilay tsy mivadika mandrakizay.

 

SALAMO 130 (129)

Akohokely latsaka an-kady izahay, ry Tompo, ka tsy afaka miavo-tena! Moa tsy hanavotra anay ve no anton-dianao?

Sas: Eny e! Tsy tonga ho an'ny olomarina i Kristy,

fa ho an’ny mpanota. (Mt 9,13)

Andininy:

Avy ato anaty hantsana aho, ry Tompo, no miantso.

Tompo ô, henoy re 'zany feoko.

Ho tandrin-tsofinao anie ny antsoko miangavy

He fa mitoreo izato feoko.

Raha tsikilovinao irony heloka natao

Zovy re, ry Tompo, no haharitra?

Saingy eo anilanao no ahitako famelana

Toky ho ahy Ianao ka dia toaviko.

Ny Tompo no antenain’ny fanahiko hatrany

Vonona aho miandry izany teniny.

Manoatra ny mpiambina miandry ny maraina

No aoka hiandrasantsika an’Andriamanitra.

Fa tsara fo endre ka fanaperana Izy Tompo

Avotra lehibe ka ianteherana.

Dia Izy no andrasan’i Isiraely hanavotra azy

Afaka tanteraka ny helony.

Isaorako tanteraka ny Raiko feno antra;

Diso aho, kanefa dia navelany.

Isaorako ny Zanaka Mpamonjy ny mpanota

Ary ny Fanahy ‘lay Mpanamarina.

Sas: Eny e! Tsy tonga ho an’ny olomarina i Kristy,

fa ho an’ny mpanota.

 

TENIN'ANDRIAMANITRA (Jak 4,13-15)

Inty ny aminareo izay manao hoe: «Hankany ananona izahay, anio na rahampitso, dia hitoetra any herintaona, ka hivarotra sy hahazo tombom-barotra» Kanefa tsy mahalala izay ho ampitso akory ianareo. Fa inona moa ny ainareo? Zavona kely mi­seho vetivety, dia levona indray. Koa izao no tokony hatao: «Raha sitrapon'Andri­amanitra, ka velon'aina, dia hanao izao na izany izahay.»

 

VALINKIRA

Fiv: Hamaly ahy Izy!

1 Antsoiko amy foko tontolo ny Tompo,

Fiv: Hamaly ahy Izy!

2 F'izaho te-hitandrina tsara ny didiny,

Fiv: Hamaly ahy Izy!

3 F'izaho te-hanaraka tsara ny lalany.

Fiv: Hamaly ahy Izy!

4 Fa izy Andriamanitra Raiko Fitiavana.

Fiv: Hamaly ahy Izy!

5 Ny Zanany efa nafoiny hanavotra.

Fiv: Hamaly ahy Izy!

6 Satria ny Fanahy 'zay nomeny no heriko.

Fiv: Hamaly ahy Izy!

7 Antsoiko amy foko tontolo ny Tompo.

Fiv: Hamaly ahy Izy!

 

TONONKIRAN'L SIMEONA

Sas: Izay te ho lehibe aminareo no aoka ho mpanomponareo! (Mt 20,26)

Andininy: (Lk 2,29-32)

Eny Tompo,

Am-piadanana tokoa ankehitriny

Andefasanao ity mpanomponao:

Dia ho to 'zay voalazanao!

Fa satria:

'Zany masoko mahita miharihary

'Zato famonjena 'zay nomaninao

Ho an'ireo firenen-drehetra.

Hazavana

'Zay hanilo ny vahoaka eran-tany

Fa kiady kosa sady reharehan'

I Israely vahoakanao!

Eny, Tompo,

Mendri-dera ny fitiavanao anay

Fa nirahinao ho anay ny Zanakao

Hampiadana anay rehetra.

Sas: Izay te ho lehibe aminareo no aoka ho mpanomponareo!

 

FANGATAHANA

Ry Andriamanitra Rainay ô, nohenoinao ny antsom-pitarainan'i Kristy Zanakao ta­min'Izy nijaly dia nataonao nandresy ny fahafatesana Izy. Mba tsofy rano koa ny Fiangonana hananany hery hitondrana ny Famonjena amin'ny olona rehetra. Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.

 

HIRA FANKALAZANA AN'l MASINA MARIA

 

TSODRANO (Jak 1,17; Efez 1,3)

Mpitsodrano:

Hitsodrano sy hitsimbina antsika anie

Andriamanitra Ray Loharanon'ny soa rehetra

Vahoaka:

Ka samy ho tafandry mandry isika mianakavy!

na hoe: Ka samy ho tafandry mandry isika mianadahy avy!

na hoe: Ka samy ho tafandry mandry isika mirahalahy avy!

na hoe: Ka samy ho tafandry mandry isika mirahavavy avy!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0072