ANTSA
Ny fahatsiarovako ny fahotako na ny fahoriana mianjady amiko na ny hafa, moa ve mampanary toky ahy sa mampanatona ahy ny Tompo?
Fiv: Handeha an-kafaliana hanatrika an'Andriamanitra aho ê
Any an-tendrombohitra masina.
Ny tebitebin-tsaiko, ny ahiahim-poko, ny hadisoako,
Tsy mahasakana ahy tsy hanatona Anao, Tompo ô!
1 Hitako ny fahorian'ny vahoakako any Ejipta.
Henoko ny sentosento sy ny tarainany
Ka irahiko ianao mba handeha hanafaka azy.
Fa homba anao hatrany hatrany anie Aho.
Fiv: Handeha an-kafaliana hanatrika an'Andriamanitra aho ê
Any an-tendrombohitra masina.
Ny tebitebin-tsaiko, ny ahiahim-poko, ny hadisoako,
Tsy mahasakana ahy tsy hanatona Anao, Tompo ô!
2 Eny, ry Tompo, fa iza moa no Anaranao,
Ary omeo famantarana aho fa irakao;
Tsotra dia tsotra ny Anarako hoy ny Tompo
“Andriamanitra velona” hoe no naniraka anao.
Fiv: Handeha an-kafaliana hanatrika an'Andriamanitra aho ê
Any an-tendrombohitra masina.
Ny tebitebin-tsaiko, ny ahiahim-poko, ny hadisoako,
Tsy mahasakana ahy tsy hanatona Anao, Tompo ô!
3 Efa naniraka ny Zanany tiany Andriamanitra
F'izany no nanambaràny ny tena fitiavany,
Nanangana antsika tao amin'ny Fanahiny Izy
Nanandratra antsika hiara-mandova amy Zanany. (Rom 8,14-17)
Fiv: Handeha an-kafaliana hanatrika an'Andriamanitra aho ê
Any an-tendrombohitra masina.
Ny tebitebin-tsaiko, ny ahiahim-poko, ny hadisoako,
Tsy mahasakana ahy tsy hanatona Anao, Tompo ô!
SALAMO 30A (31A)
Ianao, ry Jesoa, no andry sy vatolampy iankinanay; ka tsy ho fola-tana-manondro izahay mitoky Aminao.
Sas: Fantatro ilay nametrahako ny fitokiako:
I Kristy Ilay tsy mivadika mandrakizay. (2 Tim 1,12)
Andininy:
Aminao no ifefeko, ry Tompo,
'Zany 'zaho tsy ho menatra akory
Mba vonjeo re fa marina tanao
Ka faingana anondreho sofina aho.
Vatolampiko Ianao, fiereko!
Ka vonjeo fa fiarovako Ianao;
Harambato sy mandako hatrany
Ho faniloko ny Anaranao.
N'vela-pandrika esory anoloako
Fa Ianao re, ry Tompo, no Hery
Aminao no apetrako ny aiko
Ka vonjeo aho fa Marina Ianao.
Eny isaorako Ianao, ô ry Ray,
Nampijoro ny Fiangonanao;
Jesoa Tompo natao fehizoro,
Irafetako mandrakizay!
Sas: Fantatro ilay nametrahako ny fitokiako:
I Kristy Ilay tsy mivadika mandrakizay.
SALAMO 130 (129)
Akohokely latsaka an-kady izahay, ry Tompo, ka tsy afaka miavo-tena! Moa tsy hanavotra anay ve no anton-dianao?
Sas: Eny e! Tsy tonga ho an'ny olomarina i Kristy,
fa ho an’ny mpanota. (Mt 9,13)
Andininy:
Avy ato anaty hantsana aho, ry Tompo, no miantso.
Tompo ô, henoy re 'zany feoko.
Ho tandrin-tsofinao anie ny antsoko miangavy
He fa mitoreo izato feoko.
Raha tsikilovinao irony heloka natao
Zovy re, ry Tompo, no haharitra?
Saingy eo anilanao no ahitako famelana
Toky ho ahy Ianao ka dia toaviko.
Ny Tompo no antenain’ny fanahiko hatrany
Vonona aho miandry izany teniny.
Manoatra ny mpiambina miandry ny maraina
No aoka hiandrasantsika an’Andriamanitra.
Fa tsara fo endre ka fanaperana Izy Tompo
Avotra lehibe ka ianteherana.
Dia Izy no andrasan’i Isiraely hanavotra azy
Afaka tanteraka ny helony.
Isaorako tanteraka ny Raiko feno antra;
Diso aho, kanefa dia navelany.
Isaorako ny Zanaka Mpamonjy ny mpanota
Ary ny Fanahy ‘lay Mpanamarina.
Sas: Eny e! Tsy tonga ho an’ny olomarina i Kristy,
fa ho an’ny mpanota.
TENIN'ANDRIAMANITRA
A: Efez 4, 26-27.
Aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny hatezeranao. Aza omena hirika ny demony.
na B: Jak 4,13-15 - D: 2 Kor 4,16-18 - E: Mt 11,28-30
na: Fitomaniana 2,19:
Mandritra ny alina, miantsoantsoa, ka atosaho tahaka ny rano eo anatrehen'ny Tompo ny fonao, ary ny tananao asandrato mankany aminy.
VALINKIRA
Fiv: Hamaly ahy Izy!
1 Antsoiko amy foko tontolo ny Tompo,
Fiv: Hamaly ahy Izy!
2 F'izaho te-hitandrina tsara ny didiny,
Fiv: Hamaly ahy Izy!
3 F'izaho te-hanaraka tsara ny lalany.
Fiv: Hamaly ahy Izy!
4 Fa izy Andriamanitra Raiko Fitiavana.
Fiv: Hamaly ahy Izy!
5 Ny Zanany efa nafoiny hanavotra.
Fiv: Hamaly ahy Izy!
6 Satria ny Fanahy 'zay nomeny no heriko.
Fiv: Hamaly ahy Izy!
7 Antsoiko amy foko tontolo ny Tompo.
Fiv: Hamaly ahy Izy!
TONONKIRAN'I SIMEONA
“Ny andro iray ihaonana, toy ny andro zato!” Tsy andro iray no hihaonanay Aminao, fa ilay andro mibaliaka tsy manam-pahataperana.
Fiv: Tompo, hitako maso, 'lay famonjena avy Aminao nomaninao ho an'ny vahoaka eran'izao tontolo izao.
1 Azonao alefa amim-piadanana amin'izay e
Ny mpanomponao araka ny Teninao.
Fiv: Tompo, hitako maso, 'lay famonjena avy Aminao nomaninao ho an'ny vahoaka eran'izao tontolo izao.
2 'Lay hazavana natao hanilo ny firenena
Voninahitray vahoaka voafidinao.
Fiv: Tompo, hitako maso, 'lay famonjena avy Aminao nomaninao ho an'ny vahoaka eran'izao tontolo izao.
3 Dia ilay Mesia Zanakao ka nirahinao
Mba hitondra anay hiditra ao an-danitra ao.
Fiv: Tompo, hita ko maso, 'lay famonjena avy Aminao nomaninao ho an'ny vahoaka eran'izao tontolo izao.
FANGATAHANA
Antsoina Ianao, Andriamanitra Andriananahary, Ray be fiantra sy mpamindra fo; ary mangataka sy mitalaho aminao izahay, mba tolory tana-mamonjy ka avoty amin'ny honahonam-pahotana sy ny fahoriana isan-karazany mila handifotra anay, dia mba ho afaka ny hisaotra sy hankalaza anao tsy tapaka izahay na andro na alina. Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay. Amen.
na hoe:
Ry Jesoa Kristy Tompo ô, mamy ny jioganao ary maivana izay atolotrao an'ireo manaraka Anao, malemy fanahy sy manetry tena; koa mba raiso ny vavaka sy ny asa nataonay androany, ary ataovy tafandry mandry izahay ka hifoha havitrika hiasa ho Anao, fa Ianao velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.
HIRA FANKALAZANA AN'I MASINA MARIA
TSODRANO (Jak 1,17; Efez 1,3)
Mpitsodrano:
Hitsodrano sy hitsimbina antsika anie
Andriamanitra Ray Loharanon'ny soa rehetra
Vahoaka:
Ka samy ho tafandry mandry isika mianakavy!
na hoe: Ka samy ho tafandry mandry isika mianadahy avy!
na hoe: Ka samy ho tafandry mandry isika mirahalahy avy!
na hoe: Ka samy ho tafandry mandry isika mirahavavy avy!