ANTSA
1. Ry, Kristianina ô!
Tsarovy ny fahamendrehanao. (indroa)
Efa oviana moa ny Ray no niantso anao ho zanany,
Dia Izy Ilay niantra ny taranaka an'arivo!
Ianao kosa anefa aoka mba hanaha-dRay,
Ka hamela hadisoana impitopolo fito.
2. Ry Kristianina ô!
Tsarovy ny fahamendrehanao. (indroa)
Efa oviana moa Ilay Zoky no niantso-anao ho zandriny,
Dia Izy Ilay nanasa ireo tongotry ny mpinanany!
Ianao kosa anefa aoka mba hanaha-Joky,
Ka hanompo an-tsitrapo ny faraidiny indrindra.
3. Ry Kristianina ô!
Tsarovy ny fahamendrehanao. (indroa)
Efa oviana moa ny Fanahy no nitoetra anatinao,
Dia lzy Ilay Mpisolovava ny olona ampangaina!
Ianao kosa anefa aoka hoentanin'ny Fanahy,
Mba hiaro ny mahantra tsy mba manana mpiahy.
(Eks 34,7; Mt 18,22 / Hebr 2,11-12.17; Jo 13,4 –15 / Jo 15,7-11).
SALAMO 23 (22)
Sas: Indro aho hanangana Mpiandry tokana ho an'ny ondriko. Izy ihany no hitondra ka hampiadana azy. (Ez 34,23)
1. Izy Tompo no Mpiandry
Izaho kosa ondry fiandriny tsy mba orin'inona na inona,
Ary vilo-maitso hatrany no ampialany sasatra ahy.
2. Moron-drano mahatony
No itondrany ahy hatrany, mahavelom-bolo ery,
Ary lalam-pahamarinana no itarihany ny diako | indroa
Ho voninahitry ny Anarany |
3. Raha mandalo lohasaha,
Lohasaha mahafaty, dia tsy misy atahorako,
Fa eo Ianao aman-tehina sy kibay miaro ahy.
4. Ny fahavalo manoloana,
Izaho rosoanao sakafo, ary indro Ianao manosotra
Diloilo izany lohako, ka safomorona ny zingako; | indroa
Heni-kasambarana aho. |
5. Indrafo sy hasambarana
No mambomba ny androm-piainako; ao an-tranon'Izy Tompo
No honenako hatrany amin'ny androko rehetra.
6. Ho an'ny Ray Tompontsika,
Tompontsika ondry tiany; ho an'ny Zanaka Mpiandry
Ho an'Ilay Fanahy Masina mpizarazara rano velona, | indroa
Voninahitra sy dera |
Sas: Indro aho hanangana Mpiandry tokana ho an'ny ondriko. Izy ihany no hitondra ka hampiadana azy. (Ez 34,23)
na:
SALAMO 16 (15)
Faly ny mpianakavy rehefa tafavory! Vao santatra ihany anefa izany, fa ilay omanin'i Kristy no tena hamory antsika ao an'tranon'ny Ray tsy hisara-mianakavy.
Sas: Handeha aho hanomana toerana ho anareo,
Ka izay misy ahy no hisy anareo. (Jn 14,2-3)
Andininy:
Andriamanitra Tompo ô, ambeno
F' Ianao re no hany ifefeko,
Hasambarako tokana an-tany.
Tsy mba sitrako intsony tokoa
Ireo masina, tompo eto an-tany,
Manandevo 'zay matoky azy.
Ary koa 'reny sampy hamaroina
Tsy hanaovako sorona intsony;
Ts' ho tononiko anarana akory.
Ianao re ry Tompo no lova,
Hany zarako mandrakizay
Toeran-tsoa no natokana ho ahy.
Ka isaorako Tompo Ianao
Fa nanolotra saina, fanahy
Sy nanoro ny foko hatrany.
Eo alohako foana ny Tompo.
Tsy hiala an-kavanako Izy.
Ka hisaorako mandrakizay.
Ts'omby tratra tokoa ny hafaliana
'Zay mameno ny foko tontolo
Sy manenika 'zato fanahy.
Ka ny nofoko mandry amin-toky.
Fa tsy foinao ho levona ny aiko,
Ny olon-tianao tsy foinao ho faty.
E ny lalan'ny fiainana izao
Dia hatoronao ahy hatrany,
Ka nameno hafaliana ny foko.
Ho finaritra mandrakizay
'Zay mitoetra eo an-kavananao,
Hasambarana tsy mety ritra.
Zanakao no hankany Aminao
Mba hanomana lapa ho anay
Hideranay ny Fitiavanao.
Sas: Handeha aho hanomana toerana ho anareo,
Ka izay misy ahy no hisy anareo.
TENIN'ANDRIAMANITRA (Hebr 5,7-9)
I Kristy, fony Izy nitafy nofo aman-drà, dia nanandratra vavaka sy fitalahoana ombàna antsom-pitarainana mafy sy ranomaso be, tany amin'Ilay afa-namonjy Azy tamin'nv fahafatesana. Nohenoim-bavaka Izy, noho Izy nahay nanaiky satria na Zanaka aza Izy, dia nianatra nanaiky tamin'ny fijaliana niaretany, ary tafita amin'ny fahalavorariana fara tampony, ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaiky Azy.
VALINKIRA
Fiv: Andriamanitra no tokiko ka tsy misy atahorako
Andriamanitra no Raiko Jesoa Zanany no Zokiko.
1 Aleoko mialoka amy Tompo
Toy izay miantehitra amin'olona.
Fiv: Andriamanitra no tokiko ka tsy misy atahorako
Andriamanitra no Raiko Jesoa Zanany no Zokiko.
2 Izaho tsy ho faty intsony
F'Izy Ray no tompon'aina.
Fiv: Andriamanitra no tokiko ka tsy misy atahorako
Andriamanitra no Raiko Jesoa Zanany no Zokiko.
3 Avia ianao, hoy ny Teniny,
Ka matoria am-piadanana.
Fiv: Andriamanitra no tokiko ka tsy misy atahorako
Andriamanitra no Raiko Jesoa Zanany no Zokiko.
4 Izaho dia handry fehizay,
Hiadana fa tsara mpiandry.
Fiv: Andriamanitra no tokiko ka tsy misy atahorako
Andriamanitra no Raiko Jesoa Zanany no Zokiko.
5 Izaho hitandrina ny didiny
Dia hiara-monina amiko Izy. (Jn 14,23)
Fiv: Andriamanitra no tokiko ka tsy misy atahorako
Andriamanitra no Raiko Jesoa Zanany no Zokiko.
TONONKIRAN'I SIMEONA
Ny fivavahana nataon'i Jesoa tamin'ny Alakamisy Masina m a.arintsika indray miaraka Aminy izao.
Sas: Na iza na iza hanetry tena tahaka ny zazakely, dia izy no lehibe indrindra amin'ny Fanjakan'ny lanitra, Aleluia! (Mt 18, 4) (Asolo ny Aleloia: Hoy ny Tompo)
Andininy: (Lk 2,29-32)
Eny Tompo,
Am-piadanana tokoa ankehitriny
Andefasanao ity mpanomponao:
Dia ho to 'zay voalazanao!
Fa satria:
'Zany masoko mahita miharihary
'Zato famonjena 'zay nomaninao
Ho an'ireo firenen-drehetra.
Hazavana
'Zay hanilo ny vahoaka eran-tany
Fa kiady kosa sady reharehan'
I Israely vahoakanao!
Eny, Tompo,
Mendri-dera ny fitiavanao anay
Fa nirahinao ho anay ny Zanakao
Hampiadana anay rehetra.
Sas: Na iza na iza hanetry tena tahaka ny zazakely, dia izy no lehibe indrindra amin'ny Fanjakan'ny lanitra, Aleloia! (Mt 18, 4) (Asolo ny Aleloia: Hoy ny Tompo)
FANGATAHANA
Ry Kristy Tomponay ô, ekenay fa Ianao no Mpiahy sy Mpiandry mahatoky anay, koa ambeno tsy ho lavo na ho resin'ny Herin'ny Maizina izahay mandritra ity alina ity sy mandritra ny fiainanay manontolo, mba ho reharehanao eo anivon'izao tontolo izao. Fa Ianao velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.
HIRA FANKALAZANA AN'l MASINA MARIA
TSODRANO (Rom 15,13)
Mpitsodrano:
Andriamanitra Ray, Fototry ny fanantenantsika anie hameno hafaliana amam-piadanana antsika rehetra, noho ny finoantsika an'i Jesoa Kristy sy noho ny herin'ny Fanahy Masina.
Vahoaka:
Samia ela velona ê, ary Izy anie hanavao
ny herintsika amin'ity alina ity.